HO AN'NY EMMO REG

1. RUZ9 ( 20/11/2010 10:19)
Mandra-pahoviana ny mpitandro ny filaminana no hatao ho fitaovana famoretam-bahoaka?
hatr@ oviana no heloka ny fanehoan-kevitra?
AVELAO NY VAHOAKA HITENY
"Ny olombelona toy fotaka ka poretina vao miahy miporitsaka" Kark Marx

Na inona na inona izao nataonareo hiarovana ny FAT, rava izy izao. Tsy ny herisetra no tompon'ny teny farany.

Ny baomba mipetraka etsy sy doro trano aloha dia "nouvelle version'ny 26-01-2009 ireny mba hanamelohana ny mpanohitra izay mihamatanjaka hatrany,sy hamendrofendroana vahoaka indray hipetrahan'ny sasany ela kokoa eo seza izay efa rava.

Mipetraha @ maha mpitandro ny filaminana anareo raha tena mpitandro ny filaminana kokoa, raha ny mifanohitra @ izany moa........
novalian'i alina ny 15/01/2011 21:22
2. bazylou ( 20/11/2010 18:20)
modia daholo ianareo mianakavy rehefa tsy hano tsianjery sy tsy hihira,

beuuurrrk
3. alina ( 21/11/2010 02:58)
Bjr,
J'aimerai vous dire que les forces de l'ordre ont toujours fait et ferons toujours leur job.
Chers(es)amis(es),votre stratégie est claire,vous voulez mettre à feu et à sang Mada et surtout Tanà afin de pouvoir dire qu'ici il n'y a pas de Fanjakana.Svp cessez de nous prendre comme des cornichons,n'infantilisez plus les vahoaka,vous etes à bout du rouleau.Mais regardez vos minables mutins,c'est pitoyables!Nos armées en général, que votre Mr mercenaire politique qualifie du temps du Moyen Age, sont indéniablement et je dirai meme plus supers que celles des US Army(tuer des pauvres innocents au Vietnam,en Afghanistan...?)Vous voulez que ces honnetes gardiens de la nation s'entretuent,accelerant ainsi une division et facilitant ou/et justifiant selon vous une éventuelle intervention d'une force étrangère?Hé hé!mes compatriotes zanak'Idada,svp je comprend votre passion mais sachez quand meme que notre Madagascar n'est pas un royaume du macaque de l' Afrique noire.On a tous lu l'histoire de notre monde.Qu'a fait la communauté int/le au Rwanda,Burundi,Mogadiscio,Cote d'Ivoire?A bon attendeur salut.
4. bazylou ( 21/11/2010 09:17)
regarega ............
5. jiolah ( 22/11/2010 08:14)
zay fiarovana be fahatany izay mihitsy le tsy mampijanona ny korontana.Marina fa minable le mutins fa hay ve an'le troa mouvansa indray izy ireo ankehitriny ee?? Fa tsy ireo ihany ve le tazanay vahoaka teny Antanimena nampiakatra andrabitrolahy teo @ fitondrana ?Rehefa votany de anareo zany farehefa favy de anay...Marina izany
6. RUZ9 ( 25/11/2010 08:23)
Alina marina ianao ka tsy hitanao ny hitan'ny besinimaro @ atoandro
Voalohany aloha iza no nampandriaka rà sy mikendry an'izany eto, ny maakorontana ny filaminam-bahoaka eto? mpanohitra ve?

Fahazaran'ny FAT hatr@ nakany fitondrana ka hatr@ izao io mba hitazonany ela ny toerany (26-01-2009, fanaovana sorona olona teny Ambohitsorohitra, raharaha FIGN, fanenjehana ny mpanohitra sy fanakorontanana azy ireo @ fanapoahana bomba izak'izay mihetsika....) , ny hery setra no hany sisa fomba ataony mba hanakonana ny heloka bevava ataony eto.

Faharoa, tsy ny "zanak'i Dada" ihany no miaina sy mahatsapa fa fanetriben'ny fir ny FAT, mpametraka olana fa tsy mpamaha olana, izaho manoratra ohatra, izay mijery mahita,nisany ny tenko na tsy "zanak'i Dada" aza.

Fahatelo; mampiseho ny fahalemen'ny FAT ny zava-nitranga teny Ivato, fa tsy ny heriny akory; nahoana no ny miaramila mpiambina ao Ambohitsorohitra sy ny FIS ihany, ankoatry ny GSIS no nanaiky hanao ny fisamborana teny Ivato?
Marina fa voasambora ireo officiers "KMF" tao; noho ny velam-pandrika @ hoe dinika.

Midika nefa ve izany hoe handroso ny fir fa be ny voasambotry ny FAT?
Tsy tombontsoam-pirenena velively no kendrena @ izany fa mba ny hahafahana manohy ny famotehana ny firenena sy hanaovana tantely afa-drakotr ny harenany harany.

Tsy tapitra eo nefa ny tantara; lalana tsy maintsy lalovana ireny (vakio @ "ISAIA III, izay voalaza fa hitranga eto amintsika), mampiseho miharihary ny fahamaizinan'ny FAT fotsiny ireny. "fa zaza no mampahory ny vahoakako; mampanota anao izy mitondra anao...."
7. alina ( 04/12/2010 20:49)

RUZ9:

Alina marina ianao ka tsy hitanao ny hitan'ny besinimaro @ atoandro
Voalohany aloha iza no nampandriaka rà sy mikendry an'izany eto, ny maakorontana ny filaminam-bahoaka eto? mpanohitra ve?

Fahazaran'ny FAT hatr@ nakany fitondrana ka hatr@ izao io mba hitazonany ela ny toerany (26-01-2009, fanaovana sorona olona teny Ambohitsorohitra, raharaha FIGN, fanenjehana ny mpanohitra sy fanakorontanana azy ireo @ fanapoahana bomba izak'izay mihetsika....) , ny hery setra no hany sisa fomba ataony mba hanakonana ny heloka bevava ataony eto.

Faharoa, tsy ny "zanak'i Dada" ihany no miaina sy mahatsapa fa fanetriben'ny fir ny FAT, mpametraka olana fa tsy mpamaha olana, izaho manoratra ohatra, izay mijery mahita,nisany ny tenko na tsy "zanak'i Dada" aza.

Fahatelo; mampiseho ny fahalemen'ny FAT ny zava-nitranga teny Ivato, fa tsy ny heriny akory; nahoana no ny miaramila mpiambina ao Ambohitsorohitra sy ny FIS ihany, ankoatry ny GSIS no nanaiky hanao ny fisamborana teny Ivato?
Marina fa voasambora ireo officiers "KMF" tao; noho ny velam-pandrika @ hoe dinika.

Midika nefa ve izany hoe handroso ny fir fa be ny voasambotry ny FAT?
Tsy tombontsoam-pirenena velively no kendrena @ izany fa mba ny hahafahana manohy ny famotehana ny firenena sy hanaovana tantely afa-drakotr ny harenany harany.

Tsy tapitra eo nefa ny tantara; lalana tsy maintsy lalovana ireny (vakio @ "ISAIA III, izay voalaza fa hitranga eto amintsika), mampiseho miharihary ny fahamaizinan'ny FAT fotsiny ireny. "fa zaza no mampahory ny vahoakako; mampanota anao izy mitondra anao...."


Salut RUZ9!
Misaotra anao @ilay valin-kafatra.Ny zavatra tsapako aloha ny @ stratégien'ny trois mouvances sy ireo mpanohana azy dia ny fiheverana ny vahoaka (tsy manaraka azy ireo) ho ketrona.Lazainao fa ny HAT no manakorontana eto, sa izay ilay lazain'ny mpahay lalàna hoe;"renversement de la charge de la preuve?"ka ny defendeur indray no lasa demandeur tampoka eo?Iza moa no mahazo tombon-tsoa @ tany mikorontana?Ahoana ilay tenin'i Mr mercenaire politique (Mr Manandafy)hoe; raha tsy tonga Mr Marc tsy hilamina mihitsy ty tany ity?Ny fisamborana tompoko dia hitohy foana mandra-pahatapitry ny fanakorontanana ataon'ireo fahavalom-pirenena ,na hiteny ilay apprenti kelin'ny amerikanina iny na tsia.Raha ny SADC indray no tadiavina halefa eto,tongava soa fa tsy misy matahotra.Shebab sy rebelles du Darfour...àry tsy ravany.Mety aminy ny maka leson'ny amerikanina tao Mogadiscio,Viet-nam,Afghanistan,Irak...Tsy misy firenena manaiky ho resy @taniny izany,raha tsy azony @ guerre frontale ianao dia vizaniny @ système guerilla,sniper(Stalingrad)...ary @izay na zanaky dada ianao na tsia dia mety ho feno olitra daholo.
Raha ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena indray hoy ianao,dia hoy aho hoe;ny tany rehetra t@ fotoana rehetra tompoko dia nisy an'izany foana fa anjaran'ny fitondram-panjakana misy no miady ny @izany fa raha tsy manao an'izany izy dia naman'ny manao(ohatra: ny @famoahana lisitr'olona tsy fantatra hoe iza impliqués @bois de rose fa ny commanditaires afenina)Ary anisan'ny tokony anaovan'ny fitondrana ezaka be mihitsy izay zavatra izay.
Fivavahana:izao fotsiny no lazaiko;Andriamanitra tompoko tsy miditra an-tsehatra @fitondran'olombelona.Ny tena kristianina marina dia miandry am-paharetana sy am-pinoana ny hahatongavan'ny Fanjakan'A/tra ary @izay hotanteraka eto an-tany ny sitrapon'A/tra tahaka ny efa nanaovana izany tany an-danitra.
Farany,mba tiako averina aminao fa ny hoe "alina" dia fototenin'ny teny hoe:"fahalemana".
Misaotra.
8. alina ( 04/12/2010 21:19)
Ho anao jiolah,
Tsy miaro be fahatany araka ny voalazanao aho.Rehefa resaka affaire bois de rose no resahana eto,sahiko ny milaza aminao fa be mpangalatra io fitondrana io(saingy tsy izy rehetra kosa)ary anjaran'ny mpanohitra ny manery ny mpitondra hamoaka ny marina momba io raharaha io.
Mikasika ry Charles sy Noel,izay ilay lazaina foana hoe:ny namana akaiky ihany no mamadika.Raha tsy hoe angaha agents double ry zalahy ireo entina hi-regrouper,localiser,viser,neutraliser ireo mpikomy.Raha izay tokoa moa ny zava-misy dia tena tsara raha soratana atao roman d'espionage kosa.
Misaotra.
9. RUZ9 ( 23/12/2010 09:24)
Ho an'i Alina
Ianao ve nanaraka foana ny raharam-pirenena teto; milaza ianao fa tsy ny FAT no mpanakorontana eto.
Voalohany aloha ny fototra nananganana an'izao fitondrana izao dia herisetra sy fanimbana fananam-bahoaka; iza no tsy nihorohoro t@ ireny 26-01-2009 ireny? Iza no tompon'antoka t@ ireny?
Nahoana ny Emmo Reg izay lazaina fa mpitandro ny filaminana no tsy misambotra na manisy arakaraka akory iny raharaha iny? Sa ny misambotra an'izay manohitra ny FAT no tena asany? An-jatony nefa ny olona maty t@ iny ary tranombarotra maro manerana ny nosy no may; dia mody lokoina fotsiny hoe noana ny vahoaka dia mangalatra.
Mbola tompon'andraikitra ihany koa ny filohan'ny FAT NY @ FANAOVANA SORONA OLONA TENY AMBOHITSOROHITRA, tsy ampy hanamarinan-tena ny fitomaniana toy ny zaza amam-behivavy @ haino aman-jery, ireny no atao hoe ranomaso mamefy heloka.
Iza no mahazo tombony @ korontana hoy ianao; tsy iza fa ny FAT ihany.
Ny fanondranana bois de rose, aiza izay anaran'olona nampananntenain'ny filohan'ny FAT hoa voaka? Tsy misy; nahoana?
Raha ny filazanao ny @ baiboly indray hoe tsy miditra an-tsehatra mivantana @ fiainan'ny olombelona Atra; tsy marina velively, manamarina an'izany ny tantara maro ao @ baibolim-pivavahana rehetra na kristiana na tsia; ary Atra tsy aiza fa amintsika olombelona ihany koa (ilay atao hoe fanahy na "aura" @ fiteny vahiny)fa variana izay mahavariana antsika isika ka tsy mahalala an'izany. Izay nosoratako eo ambony tsy noforoniko akory fa azonao porofoina na mitranga tokoa ireo izao na tsia; raha tsy mbola tsapanao dia mila ahiratra kokoa ny masonao.
Hoy ny baiboly hoe "tsy miverina amiko ny teniko raha tsy efa tanteraka".
10. alina ( 01/01/2011 06:04)
Salut RUZ9!
Fanontaniana no mba apetrako aminao hoe:"Naninona moa Atoa Marc no tsy nanome baiko ny mpitandro filaminana mba hanao ny asany t@ ireny fotoana ireny?Valiny?-Mba ahafahana miteny izay niteneninao teo izay,-Mba ahafahan'ny mpanararaotra(izay mety voakarama)handoto ny hetsi-bahoaka.Ary naninona koa moa izy no nanafatra mpikarama an'ady fa tsy ampy azy intsony ny tafika gasy?Tsotra ny valiny;satria takany tsara(na tsy resahany am-bava aza) fa efa conscient ny @ maha légitime ny hetsi-bahoaka ny forces armées gasy en général,izany hoe efa tsy en faveur-ny intsony ny équilibre de forces.
Maninona hoy ianao ny FIS sy ny tariny no nanafika BANI?Valiny?Stratégie militaire tompoko.Maninona Mr Marc raha nanana ny tanjany sy légitimité-ny tsy nandefa gardes présidentielles... nandrava ny CAPSAT?Io ambony io ny valiny.Efa conscients tompoko ny olona.
Averiko foana eto fa mbola betsaka ny zavatra tsy mety tokony arenina eto fa io hoatran'ny olona marary sitranina ihany na hoatran'ny fiposakin'ny masoandro ihany,mandeha tsikelikely arakaraky ny ezaka ataon'ny mpitondra.
Mikasika ny fivavahana;tsy niteny aho hoe;tsy miraharaha olombelona A/tra fa hoy kosa aho hoe;tsy miditra an-tsehatra @ fitondran'olombelona A/tra.Raha ny fanjakan'olombelona no antenaina hitondra fiadanana ho an'ny zanak'olombelona,inona àry hoy ianao no ilàna ny hivavahana foana ny hahatongavan'ny fanjakan'A/tra?Tsy fikasan'A/tra ny hitondran'olombelona ny olombelona tahaka azy raha tsy hoe Izy no manosotra azy ho mpitondra(mivantana na tsia)tahaka ny t@ andron'ny Israely.Efa tsy an'olombelona intsony ny lalan-kalehany ka ny Fanjakan'A/tra sisa no azo antoka hitondra ny tena fiadanana.Tsy midika anefa izany fa tsy ilaina ny fanjakana misy @izao.Ilaina izy nefa voafetra ny zava-tsoa mety ho vitany satria efa voalaza ao @Baiboly hoe;mipetraka @ilay ratsy avokoa izao tontolo izao.Izany hoe fehezin'ny Satana sy ny demoniany ity tontolo ity rehefa nazera avy tany an-danitra izireo.Noho izany,na tsara fikasa aza ny mpitondra iray,voafetra ihany ny zavatra mety ho vitany.
Misaotra anao ary bonne année 2011 à toi et ta famille.
11. RUZ9 ( 04/01/2011 11:16)
Salut Alina

Mafana fo dia mafana fo ianao @ fiarovana an'ity FAT ity, raha azoko ny tianao hambara dia ny hoe matoa tsy nanome baiko ny miaramila hampiasa hery ny fitondrana, dia satria resy lahatra fa tsy eken'ny vahoaka intsony.

Amiko nefa fihetsika mendrika ny nataon'Atoa Ravalomanana, naleony nametra-pialana toy izay hampiasa herisetra, hampiady ny samy miaramila sy hampisy ady an-trano. Ny olana fotsiny dia vao mainka nohararaotin'ireo tariky ny TGV izany, hitany fa nahombiazany ny korontana sy ny fandravana, dia nirosoana indray ny fanaovana sorona olona.

Olon'ny fo izay mantsy ny malagasy ka mora t@-dry zareo ny namendrofendro azy, narahin'ilay Dj ranomaso mamefy heloka dia nifendrofendro tokoa, tsy ny haka an'Ambohitsorohitra mantsy ny tanjona t@ iny 07 feb 2009 iny fa ny hiasian'ny olona maty fotsiny. Tsarovy azo nalaina t@ fomba Ambohitsorohitra @ maha fananan'ny CUA azy.

Raha ny @ izay voalaza ho mpikaraan'ady indray, na ireo miramilan'ny FAT aza nilaza hatrany fa sady tsy nahita no tsy nahalala an'izany, izaho koa tsy nahita, raha nisy mantsy izany tsy ho toy ireny ny fandehan-javatra.

Efa mba nandinika ve ianao hoe nahoana no nihazakazana ny fitsarana ny raharaha 07 feb, ary natao hazalambo ireo niaro an'Ambohitsorohitra? nefa nahoana nahoana no odiana fanina ireny fampihorohoroana t@ 26-jan 2009 ireny?

Ny @ ny momba ny olombelona sy ny fanjakan'Atra indray, tsarovy fa ny olombelona tsy hafa @ Atra, raha tsy nitondra an'ity vatana hita maso ity isika, ary isika no miaina eto dia mba hitondra ny anjara birikintsika tsirairay avy mba hahatanterahan'io Fanjakan'Atra io, tsy Atra no tsy miditra an-tsehatra @ fiainantsika sy ny fitondran'olombelona, fa ny haitraitran'ny olombelona isan'andro no mampihena tsikelikely ny fifandraisany @ io Atra io,
Ny "Aura" na fanahy mantsy madio dia madio izy io (subtil hoy ny vahiny), ka afaka mandray ny hery rehetra ilaintsika @ fiainana isan'andro, izay hoe Ahafahantsika mandray fahalalana sy mifandray @ tsy tapaka @ Atra. Io ilay ataon'ny Razantsika hoe "Fanahy 7 mahafehy trano", misy sosona (couches) 7 mantsy izy io, izay samy vatana mahaleo tena sy manana ny maha izy azy avy, vatana iray @ io ilay mandehandeha rehefa matory isika @ alina, ka mahatonga antsika hanofy, vatana iray @ io koa no mahatonga antsika hisaina sy handinika......
Ny fahalementsika isan'andro kosa toy ny fihetseham-po isan-karazany (alahelo, hatezerana, fialonana, ny faniriana........), sy ny haitraitrantsika andavanandro dia mandoto an'io Aura io (mampitombo ny densité-ny hoy ny fiteny mahazatra) ka mampihena tsikelikely ny fahalalana sy ny fifandraisantsika @ Atra. Izay no nahatonga ny baiboly hilaza hoe: ny otantsika no mampisaraka antsika @ Atra. Izany ihany koa no mahatonga antsika hahatsapa fahoriana na fijaliana @ fiainana, mahantonaga ny aretina sy ny fahafatesana.

Marihiko fa vatana ihany koa ny auras(fanahy) saingy tsy hitan'ny masontsika.
Ny tsy fahalalana an'izany no mahatonga antsika hilaza hoe tsy miditra @ fiainan'olombelona na ny politikan'olombelona Atra, te hiditra izy singy voasakana ary isika tsirairay ihany no manakana azy, ny loza mitranga na voalaza mialoha dia tsy ozona akory, fa tahaka ny fahalalantsika ihany fa raha mandeha @ RN7 ianao ka tsy mivily mihitsy dia any Fiananarantsoa no iafaran'ny dianao na , ary efa fantatra avokoa ireo toerana holalovanao mandra-pahatonga any, afaka mivily lalana nefa ianao raha tsy te ho any ho any Fianarantsoa.
Misy lalàna mazava mitondra ny fiainantsika olombelona, ary mihatra hatrany na fantantsika na tsia, tsy azo tsolorana fa izay voasoratra dia izay.

Mety tsy hitovy fijery isika satria tsy misoratra mazava ao anaty baiboly Kristiana ireo fanazavako ireo , ny Razantsika nefa efa nahalala an'ireo hatrizay na tsy nisy teto aza ny baiboly.
12. alina ( 15/01/2011 21:22)
Slt daholo!
Izao ihany ry zareo a!
Aoka isika tsy hiditra lalina loatra @ity resaka politika sy fitondran'olombelona ity.Hitako mantsy fa anisan'ny fitaovana entin'ny satana sy ny demoniany hampizarazarana isika olombelona izy io ary miafara foana @ra mandriaka.Lazaiko eto ry RUZ9 fa izaho dia tsy mbola nilahatra t@tolona izany na dia indray mandeha aza satria fantatro fa izay manohana ny TGV @izao ihany no hivadika aminy rahampitso.Tsy Mesia ve no niantsoana an'Atoa Marc t@ androny?Tsy rain'ny demokrasia ve Atoa Zafy?Ratsiraka hatrany,ihany!Ary i dadabe Tsiranana?Tantara daholo izany.
Ny mpangalatra hisy foana,ny ratsy hiharatsy foana ary"aza mialona ny ratsy fanahy"hoy ny tenin'A/tra.Aza manantena zavatra betsaka loatra @ fitondran'olombelona.Hisy foana ny fahadisoam-panantenana.Mivavaha hatrany ny hahatongavan'ny fanjakan'A/tra.Mahereza daholo!
Alina.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.3445