MIANGAVY NY CENI

1. RUZ9 ( 20/11/2010 10:08)
Mifarana ity ny FAT nikasa ny hanalava ny fotoam-pitondrany t@ iny saritsarina fitsapan-kevi-bahoaka iny.

Nihoatra ny 50% ny tahan'ny tsifandraisana anjara ankoatr'ireo tsy voasoratra na niniana tsy nosoratana tao anaty lisi-pifidianana.

Mitovy hevitra na ireo tsy nanadray anjara na ireo nanao TSIA fa tsy vahaolana ivoahana @ krizy aloha izao ny fanaovana fifidianana maimaika sy tsy mamaly ny hetahetam-bahoaka.

Tsy fantatry ny FAT na odian-tsy hita fa izy nikarakara ny fifidianana mihitsy no tsy ekem-bahoaka.

Dia natao tery vay manta ihany iny lazaina ho fitsapan-kevi-bahoaka iny izay ny ankamaroan'ny nandray anjara tsy nahalala akory izay tena voarakitra ao anatiny
- maro no tsy nahalala akory ny fampiasana an'ilay biletà tokana ka mifanohitra ka tsy ny tena safidiny no voarotsaka tao anaty "urne"

Azo lazaina ho mbola fifidianana ve raha misy fanambazana vola na zavatra hafa ho tambiny? toy ny hoe omena vola, omby ...... izay "commune" manana taham-pandraisana anjara ambony? Tsy hisy fiantraikany @ safidy hataony ve izany?

Azo antoka ve fahamarinan' ny fifidianana raha karinem-pokontany no asolo ny "ordonnance"? miampy ny fanalavana tampotampoka ny fotoana fandatsaham-bato?

tsy takona afenina ny fandisoana ny kara-pifidianana sy fanarian-jo ny olona sasany te haneho ny safidiny ("lisitra sy kara-pifidianana tonga lafatra indrindra tao anatin' ny 50 taona? Ny atsimo ity lazaina ho avaratra, ny mainty atao hoe fotsy.


Maro ny olana nitranga izay tsy ho voatanisa eto, tsy fifidianana natao hitondra soa ho an'ny firenena rahateo iny fa natao hanalavan'ny sasany ny fotoana hitondrany fotsiny.

Soa fa misy olom-pirenena mijery ny tombontsoam-pirenena ihany eto.
Ohatra @ izany ireo manamboninahitra izay nametraka ny FAT teo @ toerany t@ 2009 izay mahatsapa ankehitriny fa ny FAT no fototry ny olana eto, ary fanalana azy no lalana voalohany hahafahana mamaha an'izao krizy izao.

Tsy izy ireo irery akory, no resy lahatra @ izany fa anisany koa ireo mihoatra ny 50% tsy nandray anjara t@ iny "fifidianana" iny sy ireo nanao TSIA.

Hadinon'ndry zareo mantsy ny nametraka ny safidy fahatelo izay tena hamaha olana tokoa sy eken'ny rehetra dia ny hoe "SA HIALA IZAHAY(FAT)"

Tanteraka ihany anefa izy izao na mbola manohy ny amboletrany toy mahazatra ihany aza izy ireo.

KOA MIANGAVY NY CENI HIHAINO IREO BESINIMARO IREO, SAFIDY KOA MANTSY IZANY FA TSY FALY MANISA VATO HAMPIDITRA NY FIRENENA @ KIZO HAFA EO INDRAY.

TSOTRA NY FIANGAVIANA ANAREO MBA HAHAFAHANA MANDAMINA HAINGANA AN'IZAO ZAVA-MISY IZAO DIA NY FANAFOANANA AN'INY "FIFFIADIANANA" ary tsy ho maika hanao fifidianana hafa aloha.

MANGATAKA NY HERY POLITIKA REHETRA, NY FIARAHA-MONINA SIVILY, NY OLOM-PIANGONANA, NY OLON-KENDRY REHETRA ETO @ FIRENENA, hiray feo @ olom-pirenena izay maro an'isa hanmafy izao fangatahana izao @ CENI

Aoka ny tombontsoam-pirenena no hatao ambonin'ny zavatra hafa. Manantena ny fahendfren'ny CENI.




novalian'i bazylou ny 20/11/2010 18:26
2. bazylou ( 20/11/2010 18:26)
manam boninahitra lany bala ny anareo. manam boninahitra manoa alahelon kanina sy grady ;

beuuurrrk
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6568