TSY RARINY R IRAK A AOKA NY KRISTIANINA E

21. lagoon ( 14/11/2010 15:01)
RAR,
Efa novakianao ve ilay prophetie des ppapes de saint-malachie?
22. RAR.DAGO ( 14/11/2010 16:27)
lagoon:

RAR,
Efa novakianao ve ilay prophetie des ppapes de saint-malachie?

Raha ilay 111 sa 112 fehezan-teny manambara ny fara-andro no resahinano dia efa reko fa tsy mbola novakiko mihitsy.
Fa ahoana misy mahasoa angaha, sa toy ny an'i Nostradamus?
Tsoriko aloha fa ireny zavatra esothérique ireny tsy dia tena manintona aho loatra hatramin'izao.
23. lagoon ( 14/11/2010 18:19)
tsy hoe mahasoa na mahafinaritra fa mitondra fanampiny @ fijery ny fivavahana katolika.
ilay izy aloa tsy hoe farandro fa toa fahataperan'ny fanjakan'i vatican e.
24. Miharena ( 15/11/2010 08:03)

only GOD and NO RELIGION io baina a


Miarahaba anareo indray.
Elaela tsy niditra momba ity resaka finoana ity aho fa nahita ity resaka voalazan'ny namana eo ambony ity dia manamafy mba tsy hisy ho voa amin'ny katesizy. Rehefa mandray io fehezan-teny tokana io ny olon-drehetra dia mifanaja fa tsy mamorona dogme sy kaokan-kaokana fifampitondrana eo amin'ny fiaraha-monina. Raha ny Gasy dia efa ela no niresaka ny hoe aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra an-tampon'ny loha. Ka rehefa manam-pitiavana hozaraina dia aoka hizara fa tsy manavakavaka na iza na iza.

Zavatra volena avokoa no mampisaraka ny olombelona samy olombelona eo amin'ny foto-pisainana. Ny maha-olona sy ny fanajana azy no zavatra voalohany tokony ho tonga ao an-tsaina ary raha miresaka hoe tsy misy afa-tsy Andriamanitra dia efa voalaza ela izany, fa ny mpampisaraka dia ny fahafohezan-tsaina ka lasa ny finoana dia heverina fa fampahitsiana olona hiaraka amin'ny tena fa tsy ny fanoroana lalana mazava ho azy. Fitiavan-tena no manetsika ny olona hisarika ny hafa hiditra ao am-bala izay misy fepetra noforonina.

Raha ny fehiny dia mpamorona avokoa ny tsirairay eo amin'ny foto-pinoana ka izay maharesy lahatra dia mahasarika izay mpanara-drian-drano. Dia rehefa misokatra masom-panahy ireto farany dia mahita fa misy tsy mety dia misintaka mamorona vaovao, dia izany hatrany ary tsy hita intsony ilay marina tsotra indrindra hoe natao araka ny endrik'Andriamanitra Mpamorona ny olombelona tsirairay.

25. RAR.DAGO ( 16/11/2010 06:26)
Miombo-kevitra 100%. Fa kosa , ny hoe ...

Fitiavan-tena no manetsika ny olona hisarika ny hafa hiditra ao am-bala izay misy fepetra noforonina.

dia tsy marina foana kosa.
Tsy mifaka ireo mpitondra fivavahana aho, izay heveriko fa miditra ao anatin'i nambaranao io ny 90%.
fa ny olon-tsotra misy mihitsy no manao izany am-pitiavana satria tena mino izy fa ny azy no marina ary ny sisa tena diso tanteraka. Ka ireny olona ireny no tsara sokafana ny masony hoe "mba manàna fahendrena anaiky ny fisian'ny hafa."

26. nanjakely ( 16/11/2010 11:36)
o ry zalah a ny doctrine sy ny religion marina f sy mahitsy alou jerevana vao miditraiu manome hevitra fa ra doctrine nle eglise kosz ve misy oe hanao sacrifice ny mpino isantona oatra de mbola ao aorianzny g ufona
27. vonynive ( 16/11/2010 12:41)

RAR.DAGO:

niryna:
-
- Ny fiangonana no manararaotra an'io fahalemena io voalohany
omeo porofo kely hoe azafady fa toa mitompo teny fatratra izato hianao ?

- Ny TOKONY ho asan'ny mpitory teny dia ny manaza ny fampianarana ao anaty Baiboly. Ataoko angamba fa tsy lavintsika izay.
- Raha mijery @ fo tsy miangatra ianao, indrindra fa @ isika gasy, dia ao anatin'ny toe-tsaina sy ny fitaizana kristianina ny resaka FATAHORANA an'Atra. Adino tanteraka ilay resaka fitiavana sy fanajàna fa TAHOTRA no ventesina mba tsy ho any @ afobe, voasazy, sns.
- Dia @ fomba ahoana ry Nyrina no hanabeazanao ny zanakao raha tahotra no hifandraisana fa tsy fitiavana sy fifanjàna? Na alaivo an-tsaina hoe mpivady dia manambana ny hilako foana i Baina raha vao tsy soumise tsara rafotsy?

- Dia hoy ianao hoe tsy manao izany ve ny fiangonana? Dia ho tantaraiko anao ny tantarako manokana (fa rehefa nanadiady aho dia maro be kay ny olona voa ohatr'ahy). Rehefa andeha anao batisa an-janako farany aho t@ 2003 tao Ambatovinaky dia hoy ilay pasitera tsy vanona tao t@ izay : ianareo tsy hita mihitsy isak'alahady ka izao vao hoe batisa batisa. Vonto ny foko ary saika hitomany mihitsy aho satria tao no fiangonana nitaizàna aho sy fiangonan-drazako, nefa pasitera kely tsy misy fotony ary no miseho manilika aho sy ny zanako. Ary raha tsy teo ny vadiko dia zava-doza no mety ho vitako satria tonga t@ limite-ko ary hatezerana sisa no tao amiko fa tsy nisy fisainana intsony.

Nanomboka t@ izay aho no niverina namaky baiboly ary niala tsy ho kristianina intsony satria tsy mendrika ny hanabe, ny olona manavaka toy izany nefa dia izany sisa izao ny fiangonana eto amintsika.

Raha mila porofo ianao dia mankanisa any @ izay fiangonana mbola tsy nandoavanao rakitra mihitsy dia manontania hoe mba te hanao fanamasinana ao ianao : na batisa, na fanambadiana na fandevenana. Ho hitanao fa roaka alika ny valiny.
Izany ve no hoe mpanabe ara-panahy?
Rehefa avy eo ny FJKM vidian'i R8 vola dia lasa manao politika sy manohana azy fa tsy mijery na modia tsy mijery ny adalàny satria mahazo fafiny ry Rasendrahasina! Ka isika eto matetika miresaka fanovàna toe-tsain'ny vahoaka, sao dia mba tokony hijery fitaratra aloha ireo milaza azy fa ray aman-dreny ara-panahy sy mpanaraka azy vao miloa-bava?

Izany no mahatonga olona betsaka tsy te hierika FIANGONANA intsony satria lasa mivoana ny resaka.
Ary miala tsiny aminao aho ry Nyrina raha mitsikera fa azo amarinina daholo ireo zavatra lazaiko ireo.
Tsy sanatria hanozongozona ny finoanao no tanjoko fa hilaza fotsiny hoe tsy mety mihitsy ny ataon'ny fiangonana @ ity fitiavana fahefana be loatra ity indrindra moa ny eto Dago, izao taimboraka rehetra izao milaza azy ho Pasitera daholo!

salama rardago, finaritra ny mpamaky
malahelo anao tokoa aho re rardago raha izany ny tantaranao (na dia efa azoko antsaina ihany aza teo aloha) nefa tsy ianao irery akory na ny namanao no nahazo fanafintohinana tamin'ny mpanabe kristianina toy izany fa na izaho koa aza fa ny ahy dia Jeso irery no nojereko ary hojereko sy arahiko...
marina ny teninao fa natao fitaovana politika sy fitaovana hafa (oh famoretana, fitadiavana tombontsoa sns.. ny fivavahna kristianina) fa izay le nolazaiko hoe fiainana ny maha zanak'Andriamanitra fa tsy sarisary. ny zavatra rehetra dia azo atao ho fitaovana tsara na fitaovana ratsy arakaraky ny tanjon'ny mpampiasa azy oh: ny basy dia fitaovana ratsy rehefa entina amonoana olona fa rehefa entina hiarovantena @ voay mitady handripaka kosa izy dia fitaovana tsara; fa hoy aho hoe tsara hoy aho le fiainana e
-@ ankapobeny aloha dia tsy tia (sa tsy mahay) manabe (mba tsy ilazako oe manakely) isika malagasy; na ny dada sy neny ao antrano na ny mpampianatra any antsekoly na ny leader politika sy ekonomika ary na ny ray amandreny arapanahy koa aza fa dia satrintsika hitaiza foana ary na dia efa dadabe aza dia mbola satry hitaiza zafikely dia izany hatrany .. tsy manabe, tsy mampivelatra .. fa tiantsika foana ho taizana hatrany ao amintsika ny zanaka sy ny taranaka.
....za aloha dia mifona aminao sy amin'ireo zay nitondra fanafintohinana toy izany taminareo; mifona aho !
... fa tsarovy fa mbola maro tena ny zanak'Andriamanitra any ho any...sy ny hiverina ho zanak'Andriamanitra...
28. RAR.DAGO ( 18/11/2010 20:23)
Tantara naman'ny lasa ireny ary efa hafaka ny foko fa aza mataotra ianao ary misaotra @ ny "comprehension" (tsy haiko ny milaza azy @ teny gasy)

Averiko foana fa raha ny fampianarana ao anaty baiboly hoy aho dia manaika aho fa mety.

Ny fampiarana azy @ fomba kristianina no kianiko. Izany akory tsy milaza hoe ratsy ny kristianina! Toy ny hoe tsy mety amiko ny fivavahana silamo fa tsy antony hitsekerako azy ireo izany satria samy mahazo misafidy izay tiany
29. cyril ( 19/11/2010 09:19)
ka nenao anie ry RARADAGO de tonga de manakiana sy miseho hoe tsy mila fivavahana gasy sy tsy mila kristiann zany le fomba fiteninao ee
30. RAR.DAGO ( 19/11/2010 19:27)
cyril:

ka nenao anie ry RARADAGO de tonga de manakiana sy miseho hoe tsy mila fivavahana gasy sy tsy mila kristiann zany le fomba fiteninao ee

Andraso aloha hazava tsara ny resaka :
1. Ny tenako no niala tsy ho kristianina noho ny antony nambarako ombieny ombieny. Ary ny fiangonana no tsikeraiko fa tsy ny fivavahana. Ny iray Organisation ny iray acte spirituel : tsy misy hifandraisana.
2. Ny tsikera ataoko dia mipetraka @ zava-misy azo porofoina avokoa satria mihevitra aho fa fitaovana iray entina mampivoatra izay manaiky ny hisaina izany.
3. Tsy mbola nametra na iza na iza aho hino izay tiany, ary izany mihitsy aza no angatahiko @ ny kristianina hoe "aza manilika ireo izay tsy te hitovy aminareo"
31. niryna ( 12/12/2010 03:00)

andrywui:

tokony hietsika koa ny kristianina de amboarina ny musul any amn tanana any fa toa resy tsy miady foana nefa efa fanimpiriny io zao


tsy aiko indray aloha izany e,tokony hietsika satria ve mamotika ny fiangonan'ny kristiana ny tsy izy? Dia hamaly ratsy ny ratsy izany isika? ,tsy anareo ny famaliana hoy ny Tompo fa ho ahy.Mivavaka izay nahavita ratsy na teo amin'ny kristiana izany na teo amin'ny firenena izany ary na teo sy eo amin'ny fiainantsika koa izany.Raha isika indray moa no manao izany dia mangataka ny Tompo mba anome antsika fanahy hendry sy ho tia ny hafa ,isika .Ny asan'ny lavarambo dia ny amotika ny asan'Atra foana ka avy amin'ny fanimbana ,ny lainga ,ny fitaka ,ny zavatra maro misy amin'ny fiainantsika dia ataony avokoa izany mba ho kivy isika .Miambina,miambina hatrany izany no atao ary mianatra ny mamela sy mifona ihany koa mba tsy amerina intsony
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 1.2164