mba eritreritra ny ahy iny 
ledala - 07/11/2010 00:33
|
![]() Koa nahoana moa raha isika nianatra indray no midina any ambanivohitra, hanangana asa ho antsika tsy dia nahita fianarana? Oh: Fambolena: manana na mahita tanimbary iray dia atao izay fara fahaizana mba hampamokatra ilay tany araka izay tratra ary amin' ny fomba rehetra. Atao inona ny vokatra avy eo: manampahaizana hafa hikaroka ny fanodinana azy, tsy misy jiro, manampahaizana hafa hisahana izay, amidy aiza mbola mila olona hafa ihany koa , ny mpangalatra misy olona nandalina be dia be momba izany sy ny sisa..... Maro ny hanana asa, sakafo ho ampy, isika tsy ho mpanafatra fa ho mpanondrana aza angamba..... Tsetsatsetsa , sy eritreritra ihany moa iny fa iza no hanomeha ny karamanao any sady izay indray tsy mora, dia hipetraka any zany? aiza ny trano? dia aiza no hianatra ny ankizy? ka raha marary any? aiza ny toerana?......dia iza no anomboka izany? izaho, ianao,ny tantsaha, ny fanjakana, ny vazaha? Eritreritra mandalo, eritreritra adala , fa azo eritreretina ihany? Tsy dia haiko loatra ny manazava , mino aho anefa fa misy mahazo ihany. |
RAR.DAGO - 07/11/2010 05:44
|
![]() Misy olona izay atao hoe Véronique Zardet no anarany, nanoratra izy mikasika ny ataony hoe "réduction des distances cognitives". Ny havanao efa mandalina momba izany moramora koa (développement durable en monde rural) fa raha misy tary hafa vonona dia velomina ny forum, zarainany hevitra dia lasa izao. |
hery - 10/11/2010 10:40
|
![]() - Tsy misy saosy hanombohana azy kanefa mila vola maromaro ihany, ankoatra ny tena vola hampiasaina dia ny vola holaniana mandrapahazo vokatra. Ny banky tsy manome satria misy risika. - Misy ny migafy (na fanjakana io izay manasarotra ny fikarakarana ny taratasy isan-karazany, na olontsotra izay mangalatra) Fa raha milamina tsara ireo dia possible |
RAR.DAGO - 11/11/2010 04:06
|
![]() Ie, marina tanteraka izany, nefa aza adino koa fa bestaka no vonona ny hanampy izay te-hiavotra eran-tany na dia izao toerana misaritaka misy antsika izao aza. Eo ampanandramana mihitsy izao ny namana sasany fa ho lazaina eto raha mandeha mba izàrana expérience positive. Rehfa bestaka ny olona mahazo tombony @ ilay raharaha ka tena mandray anjara dia sarotra ny misompatra satria bestaka ny mpiaro. |
jiolah - 12/11/2010 13:26
|
![]() De eo koa ny lalana (le tsy azo hanina hono) Ny guanomad zao mety ho partenaire favorable, fa raha vao mamofona fanjakana de eo no mikatso ny revirevy rehetra. |
sylvaine - 12/11/2010 14:18
|
![]() volazanao ny antony..de ahoana ra ny taranakao indray no lasa tsy mahita fianarana any ambanivohitra sa......alefa hianatra any andrenivohitra izy ireny. |
ledala - 13/11/2010 01:24
|
![]() .asiana sampan'ny agro , oniversite, any ambanivolo, na afindra any mihintsy aza moa maninona .ny antoko politika tsirairay dia tsy maintsy manana toeram-pamokarana iray: sady fandraisany anjara amin'ny asa fampandrosoana ifotony na eo na tsy eo amin'ny fitondrana izy, tombony ho azy izany: izy hanambola, hita ny fomba fiasany... .ampandraisana anjara ny Zandary, Miaramila, Polisy na dia izy rehefa manao "formation" fotsiny ihany aza . ny Fanjakana rahateo handray anjara mavitrika ary isan ny tompon andraikitra lehibe Mety hisy ampahany hilamina ny resaka vola amin' izay -Misy tokoa angamba ny olona vonona hanampy arabola any ho any fa ny azo antoka dia misy olona manam-pahaizana ambony afaka hikaroka izany vola, famatsim-bola, fitantanana ny vola ... io moa no ilana fifampitokisana -Aiza ny toerana : raha toerana efa mamokatra moa atao inona hanaovana fikarohana be loatra indray tonga de manomboka, fa indrindra ireo tany karakaina , simba ireny no averina hamokatra, ampiasaina ny fara-fahaizana, .. lalana, tetezana, ...manana ministera isika, raha tsy izany, iza no malagasy tsy mahay mitana angady? amin'izao moa efa misy ny fitaovana raitra koa. - Azo eritreretina tokoa ilay resaka Gouanomad ***..de ahoana ra ny taranakao indray no lasa tsy mahita fianarana any ambanivohitra sa......alefa hianatra any andrenivohitra izy ireny:: mino aho fa manana vahaolana tena mahomby ho amin'izany ianao |
sylvaine - 13/11/2010 16:11
|
![]() Tsia dia tsia,tsy manana vahaolana ny @izany aho raha tsy hoe manana hélico angaha ampianarana ny zanaka any andrenivohitra.Donc solution,mipetraka ihany any andrenivohitra. |
ledala 0 - 22/06/2022 18:35
|
![]() |