Hatsaraina ny fampianarana gasy

41. ravonjison ( 17/03/2011 19:42)

soanja:

ravonjison:

Salut Soanja !

Misaotra tamin"ny fanomezana io gazety io. Manaraka ny zava-misy any amin"ny dezaka rehetra any Dago tokoa aho araka ny fotoana ananako....
Fa mba nanahazo torohevitra tany amin"ny Cutie aho, mikasika ilay fikambanana " Mba Diniho Kely " vao noforoniko, izay manome fanazavana sy torohevitra ary " informations" hoan"ny olona no tena tanjony, fa mety mba mahaliana an" i Soanja izy io. Eo ampitadiavana olona mafana fo, isaky ny faritany, mantsy izahay , mba hampandehanana ny fikambanana. Ka sao dia mba azon"ny Soanja atao ny mandray anajara ? na mahafantatra olona hafa i Soanja ?
Ny tadiavinay mantsy dia olona resy lahatra fa mila fanampiana ny malagasy, saingy tsy voatery fanaovana politika sy fifidianana ihany no azo aroso ho vahaolana, fa kosa azo atao ny mandray olana " concret " iray ka iny no ezahina vahana. Ohatra : fanomezana fanazavana sy informations ny olona ( Jereo : ny momba ny fikambanana ).
Ka araka ny fahitako ny ady hevitra rehetra mande eto dia hitako fa ny olona toa an" i Soanja mihitsy no tena mba ilainay.

Tsy voatery i Soanja ihany fa izay rehetra te handray anjara dia raisinay daholo.




Manao ahoana i Ravonjison sy ny namana rehetra eto,

Misaotra indrindra manao antso avo sy mitaona ny namana rehetra mba hiara-miantsoroka ireo adidy miandry antsika any Madagasikara any. Misaotra koa manome fahalalana momba ny fikambanana sy ny finiavana te hanampy an'i Madagasikara, satria efa nitsidika ny site tokoa aho ary hitako fa mahafinaritra sy mahaliana ilay izy.

Satriko dia satriko tokoa ny hamonjy na handray anjara amin'ny asa tianareo atao, ho isan'ny mpikambana saingy amin'izao fotoana izao dia efa feno ny tanako amin'ny adidy sy andraikitra iandreketako. Noho izany dia tsy ho afaka handray anjara mavitrika aho saingy izany akory tsy midika ho tsy hanampy anareo aho. Vonona tanteraka aho hanampy amin'izay mety mahasoa avy aty amiko.

Rehefa malalaka i Ravonjison dia manorata any amin'i mail- ko na eto koa aza tsy manahy amin'izay ny namana rehetra mba tafiditra ao anatin'ny ezaka dia teneno amiko hoe inona no azoko hanampiana anareo amin'ny fifandraisana any Dago. Ny tenako tokoa dia mifandray amin'ny ambanivohitra be dia be any Madagasikara any ary afaka manoro tanana mila fanampiana sy tosika fivoarana avy aty amintsika. Ny hany angatahiko fotsiny dia tsy mandray resaka politika aho fa afaka kosa manoro hoe iza no tsara antonina na hoe ahoana ny fomba handaminana ny fiaraha-miasa amin'ny fokonolona any ambanivohitra.

Rehefa malalaka koa aho dia haka fotoana handinika tsara ny info ao amin'ny fikambananao dia manome ny hevitro amin'izay hitako fa azoko hanampiana koa sy mety ho fanontaniako.

Izay indray ary fa dia misaotra an-dRavonjison mametraka ny fifandrasaina mba hisy zavatsoa ho an'ny taranaka any aoriana. Ho samy tahian'ny Avo daholo. Soanja





Soanaja a,
Efa misy criteres maromaro napetraka mifanaraka amin"ny tanjon"ny fikambanana. ..Ankoatr"izay dia mba mahaliana ahy , inona ny activité ataonao ? Ka tsaratsara raha mifanorara aloha isika . Ao ami"ny site dia misy ny mikasika ahy rehetra, misy email -ko koa ao: Ravonjison Lanto no anarako, ny filohamboninahitra, lanto.ravon@post.cz

Azoko tantaraina aminao daholo izay mikasika ny fikambanana rehetra. Dia lazaiko aminao koa ny antony hitadiavako olona sy ny ny fanampiana ilaiko.
42. soanja ( 17/03/2011 23:10)
Ok Ravonjison hanoratra any aminao aho izany. Misaotra. soanja
43. Nav ( 08/04/2013 08:28)
Anisan'ny vahaolana ny fanamboarana ny teny malagasy toy ny fanamboarana, fanatsaràna ny abidia ampiasaina ahafahana manoratra:
ny teny malagasy ifotony
ny teny teknika
Jereo ao amin'ny serasera@yahoogroupes.fr ny lahatsoratra mitohy mitondra ny lohateny hoe: Fandrafetana abidia
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1978