HAT, Vatican, Katolika tsy manohana HAT
1. Hinagasy
(
31/10/2010 22:48)
Tsy polémique mihitsy no tadiaviko fa mba te hahafantatra aho .
Ny vatican voalaza hoe ni-reconnaître ny fitondrana HAT, ho an'ny katolika tsy manohana ny HAT, lasa fahotana ve ilay tsy fanekena ny HAT?

novalian'i RAR.DAGO ny 06/11/2010 06:05
3. hery
(
01/11/2010 04:57)
Ny Vatican dia fanjakana hafakely. Tsy mitovy amin'ny firenena hafa. Noho izany dia tsy mipetraka mihitsy aloha ny fampitahana ny Vatican sy ny firenena hafa raha resaka hoe manaiky na tsy manaiky ny HAT.
Ny maha-samihafa ny Vatican amin'ny firenena hafa dia satria na dia fanjakana manokana aza izy dia betsaka ny olona ao ivelan'ilay fanjakana izay miankina aminy (ara-pitondrana, rafi-pifehezana) dia tsy iza fa ny Katolika rehetra maneran-tany.
Raha nanolotra ny lettre de créance tamin'ny HAT ny Vatican dia tsy midika velively hoe manaiky ny HAT. Tsy mba tahaka ny an'ny firenena hafa mantsy fa ny ambassadeur-n'i Vatican izay antsoina hoe Nonce Apostolique dia olona mampifandray ny Papa amin'ny katolika eo an-toerana. Izany hoe fifandraisana tsy azo tapahina. Raha vao banga ny toerana dia tsy maintsy soloina haingana. Ny olana anefa dia ny HAT no eo amin'ny fitondrana. Tsy afaka tafiditra sy hivezivezy eran'i Madagasikara hanao ny asany ilay solotenan'i Papa raha tsy mametraka ny lettre de créance. Ka izay no tena antony... ary miseho any amin'ny firenena hafa izay tsy milamina koa izany.
Ny Vatican dia tsy mbola namoaka taratasy na filazana velively hoe mankasitraka na tsia fitondrana HAT.
Ny Vatican hatramin'izay ka hatramin'izao dia tsy manome fironana politika velively ho an'ny Katolika ao aminy.
Noho izany dia tsy fahotana ny manaraka na tsia ny HAT.
Fahotana kosa anefa ny miraviravy tanana manoloana ny tsy rariny na avy amin'iza io na avy amin'iza. Io ilay fahotana vokatry ny tsy fandraisana andraikitra. Ny fahotana, ho an'ny mpino katolika, dia tsy hoe ny fanaovana ratsy ihany akory, fa ny tsy fanaovana ny tsara tokony ho natao. Io ilay hoe "tamin'ny adidy tsy vitako".
Mahereza

4. Hinagasy
(
01/11/2010 07:13)
Misaotra an'i Hery nanazava. Fa ny marina izany dia ny olona no mandika vilana ary ny mpitondra HAT koa moa mahay milaza
8. AndriambyII
(
02/11/2010 12:01)
Ka izay , Odon = Cardinal = catho = vatican ; Hat =préconstitution =état interimaire = ...
9. Hinagasy
(
02/11/2010 13:02)
Tsy mety kosa ilay mira be dia be ka mahatonga ny hoe Odon = catho na vatican, tahaka ny mety tsy hitiavan'ny protestants ny hoe pasteur Richard Andriamanjato = Protestant na Pasteur iza koa moa ilay iray iry, Pasteur Ramino Paul = protestants
Olona iray ao anatin'ilay finoana daholo ireo, samy nanana andraikitra lehibe tamin'ilay finoana fa tsy midika hoe ny heviny no hevitry ilay finoana.
Fanontaniana nanitikitika ny ahy satria io ni-présenter lettre de créance io no nahatonga saina ahy hoe matoa ny firenena iray mi-présenter lettre de créance dia mi-reconnaître ilay firenena, autorités manoloana. Kanefa arak'io hazavain'i Hery io hoe tsy afaka miditra eto izy raha tsy mi-présenter lettre de créance, nefa eto misy olony be dia be foana (ny katolika) tsy tahaka ny firenena hafa hoe tsy misy olony eto ka na tsy misy fifandraisana aza tsy misy dikany.
Fa hono'ho aho, nandeha nody izany ilay Nonce Apostolique taloha après Ravalomanana? dia vaovao io tsy maintsy ni-présenter lettre de créance io? Somary manjavonjavo amiko ilay izy, sa hoe ireo ambassadeurs rehetra efa teto tsy ni-présenter ny lettre de créance-ny tamin'ny HAT izany dia tsy afaka mijanona Madagasikara? tsy afaka mivezivezy eto intsony??

10. fijo
(
03/11/2010 21:13)
manohana ankolaka ny HAT ny vatican.rah ailay fialantsiny hoe"tsy hafaka miasa ny nonce rah atsy nanao iny fanoloran ataratasy iny,dia tsotra no havaliko azy.naninona rah anajanona teo aloha ilay teo,na ny lefitra no nasaina nandray ny asany vonjimaika????azo atao tsara izany.
11. RAR.DAGO
(
06/11/2010 06:05)
Ilay hoe faotana sa tsia aloha ohatran'ny hoe zaza kely mihera ho any @ WC ka tsy hidirako iny.
Fa dia miombokevitra tanteraka @ Fijo aho hoe fanohanana ankolaka ireny satria may ny hisongona ny FJKM ka tsy hita intsony ny marina, fa japina daholo izay azo savihina rehetra izao.
Izay fomba izay koa no nahatonga Ilay boay kely tao @ LOC iny aza nahavita nanapoaka azy mianakavy nefa fafy lainga vary raraka fotsiny. Izao rava ny fiangonana ao ambatolampy vao tonga saina.