Te hanan-karena?
1. ydifas
(
27/10/2010 07:46)
Tononina ho antsika, amin'ny Anaran'i Jesosy, ny fahasoavan'Andriamanitra amin'ity anio ity.
Iza amintsika no tsy te hiadana? tsy te hanan-karena? "Angamba tsy hisy hilaza hoe: aleoko mahantra toa izay manan-karena."
"Fa fantatrareo ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika, fa na dia nanan-karena aza Izy, dia tonga malahelo noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo ny alahelony" 2 Korintiana 8/9
Mivoitra eto fa mahantra isika olombelona. Nanomboka tao Edena izany tamin'ny fandikan-dalàna nataon'ny olombelona voalohany (Adama sy Eva). Tafiditra ny fahoriana, fijaliana ary fahafatesana mihitsy. Rehefa tafasaraka amin'Andriamanitra isika dia mahantra sy tsy manam-piadanana. Mitombina ho antsika tokoa izany, indrindra amin'izao vanin'andro farany izao: "Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin'Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy" Isaia 59/2.
Manan-karena Andriamanitra ary ny hampanan-karena antsika no tanjony. Nisolo heloka antsika i Jesosy ary efa vita roarivo taona lasa izany. Ny takiana amintsika dia ny fihavanana Aminy. Tsy nankato ny tenin'Andriamanitra i Adama sy Eva no nahatonga azy hahantra ary toa izany koa isika. Efa nentin'i Kristy anefa izany fahantrantsika izany (tonga malahelo Izy, nijaly ho antsika), indrindra raha olona nibebaka sy tonga olom-baovao mpankato ny teny ary nadray Azy ho Tompo sy Mpamonjy ny fiainany: "Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany" Jaona 1/12
"Ny Fanahy dia miara-milaza amin'ny fanahintsika fa zanak'Andriamanitra isika. Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an'Andriamanitra no mpiray lova amin'i Kristy koa, raha miara-miaritra Aminy isika mba hiara-manam-boninahitra Aminy koa" Romana 8/ 16 - 17
Ohatra: raha misy ray manan-karena iray ary manan-janaka izy. Mazava ho azy amintsika fa io zanany io no mpandova azy ary izay an'ilay rainy dia azy na samy mbola velona aza izy mianaka (raha tsy hoe misy didim-pananana (testament) miafina any ho any. Andriamanitra nefa tsy toa izany). Izany hoe, izay zanak'Andriamanitra, dia izay nandray Azy, no mpandova Azy. Izay an'Andriamanitra izany dia antsika zanany.
Tsy izay ananantsika sy eo am-pela-tanantsika anefa no mamaritra io haren'Andriamanitra io. Tsy ny ara-batana sy ara-materialy fa ny ara-panahitsika. Mivoky amin'ny fiadanana, amin'ny fitsaharana, amin'ny fahasambarana, amin'ny fifaliana, amin'ny fahatsarana, amin'ny fahasalamana ny fanahitsika. Andriamanitra dia Fanahy (Jaona 4/24) ary harem-panahy no atolony izay zanany ara-panahy. Moa tena mitady fatratra izany harena ara-panahy izany isika?
Ny harena rehetra ho an'ny fanahitsika dia avy amin'ny tenin'Andriamanitra: "fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay." Jaona 4/14
Noho izany, raha te hanan-karena isika dia aoka hikatsaka fatratra ny zava-panahy dia ny tenin'Andriamanitra izany. Ny teniny irery ihany no afaka hanitsy, hanoro, hananantra, hiantoka ny fiainantsika manontolo. Inoy sy ankatoavy ny teny rehetra aloaky ny vavan'Andriamanitra fa harena ho antsika ireny.
Tazony amin'ny teniny Andriamanitra. Rehefa miteny Izy dia tsy maintsy efainy izany: "Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, Na zanak'olombelona ka hanenina; Moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? Na efa niteny va Izy, ka tsy hotoviny?" Nomery 23/19 . Ny fepetra takiana amintsika dia ny hahatonga antsika ho zanany afaka handova Azy. Fa izay Azy dia antsika amin'izany. Koa ndeha ilaozantsika ny fahotàna, ialantsika ny faharatsiana, fotoana ibebahana izao hiverenana amin'Andriamanitra sy ihavanana Aminy (Jeremia 15/19). Raiso Jesosy sy ny teny manambara Azy fa eo an-tsorony ny fahefana rehetra ary omeny izay mankato Azy ihany koa izany.
Hafatra: "Fa inona no soa azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy?" Marka 8/36
Maneke ny heriny fa hainy atao ny zavatra rehetra. Mangataha dia omena ianareo, hoy Izy. Aoka ho Azy irery anie ny dera, ny laza ary ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amen.

novalian'i rijadolly ny 27/10/2010 16:29
2. vonynive
(
27/10/2010 13:25)
misaotra ydifas
hanamafy zay voalazanao fotsiny
1/Ampanalaviro ahy ny zava-poana sy ny lainga; Aza manome ahy alahelo na harena;
Fahano aho amin'izay anjara-hanina sahaza ho ahy;OHABOLANA 30: 8 - 8
2/Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany MATIO 6: 33 - 33
3/Aoka tsy ho amin'ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo fa mianina amin'izay anananareo; fa hoy Izy: "Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory" (Jos. 1. 5).HEBREO 13 5 - 5
ny tena hevitry ny Tompo dia isika zanany tsy hisaina lava ny @ harena aramaterialy (fa Izy no efa nilaza fa omeny antsika izany) fa ny hanao ny sitrapony.

3. rijadolly
(
27/10/2010 16:29)
Voaray e!
Fanampiny
KORINTIANA VOALOHANY 15 : 19 Raha amin'izao fiainana izao ihany no anantenantsika an'i Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika.