Inona izany no tokony atao?

1. RAR.DAGO ( 26/10/2010 05:27)
Isika eto toa faly fotsiny hoe nihinan'ny aganony i Rajemison fa inona izany no mba ataontsika hampandrosoana ity firenena ity?
Satria raha tsy my olona manakevitra sy manana informations no mihetsika dia tsy maintsy i Lilson sy ny namany foana no ho tompo-toerana
novalian'i RAR.DAGO ny 04/11/2010 05:37
2. LazaDaddy ( 26/10/2010 06:56)
Isika eto toa faly fotsiny hoe nihinan'ny aganony i Rajemison
iza no faly amin'izany sao dia ianao irery?
3. hery ( 26/10/2010 09:40)
Fa naninona i Rajemison fa tsy arako?
4. rabaradaka ( 26/10/2010 10:02)
Marina ny an'ny dadatoa RAR.DAGO fa raha mbola tsy rava ny milice TGV izany hoe ry Lilison sy colonely Ravalomanana dia ho eo foana i Andry TGV.
I Hery izany koa ange tsy maharaka vaovao mihitsy e : lasa adala letsy i Rajemison a !
5. hery ( 26/10/2010 10:21)
Hay ve e.

Noheveriko fa hoe maty tany Suisse.
6. milamm ( 26/10/2010 11:22)
tsy fotanany raharam-pihavanana intsony izao fa mila mampiasa hery anesorana ireto milisy ireto
izay ihany no vaha-olana ny hafa akory tsy hiady ho an'ny fahafahanao eo aleo anaovany izay mahasaky azy fa ny sivily kosa tsy azo ampidirina @ rombo, misy maro2 toa ireny teny fort-duschenes ireny no mitambatra dia ho hita eo raha tsy izay de ravao ny tafika sy foloalindahy f anisany mpandroba manarka ambokony fots ko
7. jiolah ( 26/10/2010 11:32)
raha tsy ho azo tokoa moa le reconaissance dia ilay style junte tany Niger no mety aminy.Kidnapping chef d'etat sy manamboninahitra de vita.Izay angamba le action andrasan'ny kil ka anareo mahay azy ary ny sehatra.
8. milamm ( 26/10/2010 19:10)
izay le izy nefa tsy kidnapping ngambany satria fisamborana olo-meloka izay tsy chef d'etat fa andiana sivily sy manamboninahitra mpandroba fahefana fara-tampony fitondrana.Ka aleo iroso ny action, avy eo averina any @ ireo rehetra vonona nitaky ny rariny tsy ankanavaka ( fiombonany filankevitry ny fitsarana faratampony, antenimieram-bahoaka sy antenimierandoholona teo amperin'asa 2009, fjkm, mouvance sy ny antoko sivily), izay no ala-olana ahazahoana fandriam-pahalemana sy fankatoavany rehetra
9. cyril ( 26/10/2010 22:21)
Ka tsy ho izany ve faniriana,fa tena fanina kosa aloha ingahy rainy e,somary nivanitika tsy fidiny hon hon hon
hery:

Hay ve e.

Noheveriko fa hoe maty tany Suisse.
10. fijo ( 27/10/2010 21:30)
misy sary ve le tany suisse io ry zalahy???
11. cyril ( 27/10/2010 21:52)
Misy rafijo fa milay be le izy ,tsy afaka mandefa lien fa @ tel portable,jereo @ goole video e
12. RAR.DAGO ( 29/10/2010 06:35)
milamm:

... .Ka aleo iroso ny action, avy eo averina any @ ireo rehetra vonona nitaky ny rariny tsy ankanavaka

Ka izay no nolazaina t@ Ra8 sy Rastiff teo dia mbola izao ihany no vokany! Ka iza no milaza fa tsy izay manao tapika tsy azo raisina manaraka eo dia tsy hanao ohatra'ireo mpanao taribato vilam-bava rehetra teo aloha?
Sa izao rangaha : aleo homena kalach sy grenady daholo ny gasy mba hisy 100.000 na 1.000.000 ny maty dia hirongatra ny viol sy ny asan-dahalo dia ho hita eo hoe inona ny vokany, dia @ izay samy tonga saina ho azy daholo dia samy mandeha @ fahamarinana sy fahamasinana. Sa tsy mety izany?

milamm:

...fiombonany filankevitry ny fitsarana faratampony, ...

Inona moa izany ary manao inona?
milamm:

... antenimieram-bahoaka sy antenimierandoholona teo amperin'asa 2009, fjkm, mouvance sy ny antoko sivily), izay no ala-olana ahazahoana fandriam-pahalemana sy fankatoavany rehetra

Ny FJKM izany izao efa lasa institution? Aleo kosa aloha ilay fiangonana hijanona any fa mampiteny ratsy e! TSY NISY fitondrana teto ambonin'ny tany nidiran'ireo ka tsy nikorontana.
Manjary "mifampi-Rasendrahasina" foana isika raha mbola homena lanjany be foana ireo PROSELYTE ireo. Sa izay no tadiavina?
13. milamm ( 03/11/2010 12:47)
na averina eto matetika aza izany karazany samihafa le mpangalatra fahefana sy mamono olona sy mampihorohoro ny firenena ka mambotry ny harem-bahoaka izany (ireo fat 2009-2010)ka tsy miodina ny milina fampandehanan-draharaha niakatra be sy mbola hiakatra ny vidiny ppn satria voaoron'izy ireo ny kitapombatsimpanjakana ny asa mihavery sy tsy misy, tsy mila azavaina intsony sy i Ravalomanana nanampatra fahefana ary nampiasa ny toekarem-pirenena ho tombotsoany manokana (2002-2009) nefa nitombo ny asa ny fahefa-mividy eo antanany ireo ankohonanana marobe, nihena ny risoriso ary nitombo ny sehatry ny fanavaozana sy fanatsarana ny fianam-bahoaka indrindra2 tsy nisy ny vono olona andalam-be, doro tanana sy fananan'olona iny 07/02/09 iny moa dia fantatry ny rehetra fa fanasoketana azy raha voatery nametra-pialana izy, ary aza atao ririnina tsy tsaroana ireo asa vitany mipetraka ho any Firenena.Samy tsy faly isika noho izany niresaka fiombonany filankevitry ny fitsarana ambony sy fara-tampony aho in izany? Ny rafitry ny lalana sy ireo hasiny andraikitry ny fitondrana isanam-baratongany hatr@ Fitsarana fara-tampony no voahosihosin'ireo andianjiolahy politika @ tsikolikoly sy risoriso na ramatahora dia mazava ho azy fa tany tsy misy fanjakana sy Lalana intsony ny firenentsika.Ho lava ny valiny rar.dago ka mahandrasa ary fa aroso izay masaka,hitohy...
14. RAR.DAGO ( 04/11/2010 05:37)
milamm:

... nefa nitombo ny asa ny fahefa-mividy eo antanany ireo ankohonanana marobe, nihena ny risoriso ary nitombo ny sehatry ny fanavaozana sy fanatsarana ny fianam-bahoaka indrindra2

Affirmation gratuite kosa izany ry Milamm a! Jereo ny tarehimarika ao @ ilay hoe agenda de relance économique navoakan'ny BM t@ juin 2010 fa tsy marina ireo zavatra lazainao ireo.
milamm:

tsy nisy ny vono olona andalam-be,doro tanana sy fananan'olon

Tsy hiombo-kevitra aminao angamba ry Tsaranazy, José Kely, Razanamasy sns izay voadoro trano sy voaroba t@ 2002.

milamm:

Ho lava ny valiny rar.dago ka mahandrasa ary fa aroso izay masaka,hitohy...

Diavola-kolava e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3488