fa ngah tsy fitantanana mahitsy indray le TGV?

1. fijo ( 20/10/2010 18:57)
Antananarivo : Miparitaka ny cheque carburant sandoka PDF Imprimer Envoyer
Mercredi, 20 Octobre 2010 00:00

Olona iray, mpiasa amina toby fivarotan-dasantsy eto an-drenivohitra no nahatratrarana cheque carburant sandoka izay mitotaly hatrany amin’ny 5 tapitrisa ariary. Efa betsaka no voafitany tamin’io taratasy sandoka io saingy izao izy vao tratra. Tena mitovy amin’ny tena izy mihitsy ilay izy saingy ny soratra no somary manjavozavo kely. Nanaovana velam-pandrika ity tovolahy ity ka izao voasambotra izao. Tsy eto an-drenivohitra ihany fa hatrany Fianarantsoa dia betsaka ny mitaraina fa voafitaka amin’ity cheque carburant sandoka ity. Voalaza mihitsy aza fa misy olona ambony any an-toerana ao ambadik’izao raharaha izao. Efa mandeha moa ny fanadihadiana mikasika ity raharaha ity.
novalian'i fijo ny 21/10/2010 21:15
2. rabaradaka ( 21/10/2010 05:12)
marina io fijo ary ny mampiomehy dia ity : toa hoe olon'ny TGV ihany no manao io hosoka io
3. jiolah ( 21/10/2010 10:44)
mandany carburants ny 4x4 indrindra ny hummer ka tsy maintsy itadiavana fika.Sady raha tratra kay zany dia efa misy miaro ka inona no olana ???
Mazotoa manohana rey olona a!!!!
4. michaela22 ( 21/10/2010 12:07)
efa hita ny source nivoahan'ireo cheques ireo ankehitriny
5. fijo ( 21/10/2010 21:15)
iza hono????
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2471