MOSARY

1. ydifas ( 16/10/2010 05:51)
Miarahaba anao amin'ny anaran'i Kristy indray,

«Indro, avy ny andro, hoy Jehovah Tompo, izay hanaterako mosary amin'ny tany, tsy fanirian-kanina anefa, na hetahetan-drano, fa faniriana* handre ny tenin'i Jehovah; Ary hivembena hatrany amin'ny ranomasina ka hatrany amin'ny ranomasina ny olona ary hatrany amin'ny avaratra ka hatrany amin'ny atsinanana, eny, hivezivezy hitady ny tenin'i Jehovah izy, nefa tsy hahita.» [* Heb. mosary] Amosa 8 / 11 – 12

Eto ny teny dia Andriamanitra mihitsy no mandefa ilay mosary. Rehefa misy mosary ny tany iray dia mazava ho azy fa tsy misy rano, tsy misy sakafo, mety hoe misy ny vola fa ny zavatra hovidiana mihitsy no tsy misy, tsy mahavokatra ny tany, maty ny biby fiompy na efa lany nohanina, ary rehefa tena mihoatra ilay mosary dia mety hifampihinana ny samy olombelona.

Tsy mosary ara-materialy anefa alefan’Andriamanitra fa ny faniriana ny teniny mbola tsy misy ohatr’izany. Amin’izany dia voalaza fa tsy hahita ny olona. Izany hoe, tsy vitan’ny vola, tsy efan’ny olom-pantatra, tsy voavahan’ny fahaizana sy ny fahalalàna ny hetaheta te handre ny tenin’Andriamanitra. Amin’izany dia hitady toriteny ny olona, mety ho alohan’ny fiavian’I Jesosy eny amin’ny rahon’ny lanitra izany ary mety ao aorinany: amin’ny fotoana tsy ampoizina satria tsy mahalala ny ho avy isika. Izany no mahatonga an’Andriamanitra milaza: «Koa amin'izany miambena hianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hihavian'ny Tomponareo.» Matio 24/42 ; «Mitandrema, miambena, ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hihavian'ny fotoana« Marka 13/33.

Miambina = mivavaka (miari-tory), mitandrina ny fitondran-tena, mandeha araka ny sitrapon’Andriamanitra, manaraka ny teniny ary indrindra mitahiry ny teniny.

Ahoana nefa no anarahatsika ny teniny raha tsy mihaino Azy isika? Tsy mamaky ny teniny?

Isaorana Andriamanitra mbola manome fotoana ahafahana hitehirizantsika ny teniny, mbola mandefa ny teniny ho antsika Izy. Miroborobo fatratra ny haino aman-jery ara-pilazantsara eto amintsika. Efa betsaka ihany koa ny tranokala (site web) manambara ny amin’Andriamanitra sy ny Teniny ary ny sitrapony, ny tanjony ho amin’ny fiainantsika. Efa maro ny fiangonana mijoro amin’ny fahamarinana ankehitriny. Hatramin’ny finday aza ankehitriny efa azo ampidirana baiboly. Mampiasa ny fomba rehetra (tous les moyens) ny Tompo ho antsika (Romana 8/28). Natao ho antsika indrindra izy ireny hampahery antsika hanovo sy hitahiry ny tenin’Andriamanitra: raiso izay tandrify antsika, aza faly hitsikera fa hazony mafy izay tsara amin'ny voalaza.

Fotoana fanararaotana hanovozana fahalalàna an’Andriamanitra, hampitomboana finoana, fahafantarana ny sitrapony izao vaninandro misy antsika izao. Tsarovy ny tantaran’I Josefa ilay namidin’ny rahalahiny. Nomen’Andriamanitra saina hahay hanangona izy, noho izany izy no afaka nizara ny vokatra nony tonga ny mosary.

Dieny mbola tsy tonga ny mosary, maniraka antsika Andriamanitra hanangona sy hizara ny teniny. Iza no hampahery ny hafa? Iza no hanitsy ny hafa? Iza no afaka hanambara ny famonjena? Raha tsy isika izay efa zanak’Andriamanitra?

Izany no anentànana antsika foana hoe ndeha re hifampizara toriteny, hifampahery, hifananatra amin’ny tenin’Andriamanitra. Sady mpiara-miasa amin’Andriamanitra isika no mahatahiry ny teniny ary manana ny teniny rehefa tonga ny mosary.

Mbola misy ny fotoana dia mamporisika antsika rehetra hanangona sy hitahiry ary hizara ny tenin’Andriamanitra. Tsy fantatsika ny ampitso, mety hoe lasa any amin'ny tany tsy misy fiangonana isika (na tsy mahavantana antsika ilay fomba fivavahana) na any amin'ny tany manompo andriamani-kafa. Isika no andrasana hanambara ny fahamarinana sy ny famonjena amin'ny olona. Tsy isika indray anie no hovoataona hiala amin'Andriamanitra.

Mitso-drano anao aho: hampiasain'Andriamanitra hampandroso ny fanjakany anie ianao ary mihoatra lavitra, ho tany lonaka anirian'ny teniny anie ianao ary hizara ny famonjena amin'ny olona rehetra maneran-tany. Tsy ho anisan'izay ho tratran'ny mosary anie ianao satria mamafy ny tenin'Andriamanitra ianao ary hijinja ny teniny (Galatiana 6/7). Amin'ny Anaran'i Jesosy no anaovako izany tso-drano izany. Amen

Hafatra: Kolosiana 3 / 16: "Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo..."

Manao veloma anao amin’ny Anaran’I Kristy ny tenako. Ho Azy irery anie ny voninahitra
novalian'i Dan23 ny 28/10/2010 11:16
2. ngaila ( 16/10/2010 13:04)
Amen
3. rijadolly ( 16/10/2010 16:23)
Misaotra Ydifas a! se koa tahaka izay....
4. RAR.DAGO ( 18/10/2010 07:58)
1. Tsy mety hisy intsony ny mosarin'ny fahalalàna satria efa tsy azo fehezina intsony izany (taloha nodorana ny boky na nogadraina ny mpiambina boky dia nety izany) satria efa miparitaka izay tsy izy ny fahalalana ary mitombo arakaraky ny fiparitahany.

2. Raha ny tenako manokana aloha dia tsy mitady tori-teny mihitsy satria nomena fahaizana mamaky teny ka hafaka mamaky baiboly irery fa tsy mila ampiana. Fa raha toa ka ny dikan'ny fampianarana ao anaty baiboly no resahina sy hiadiana hevitra dia vonona tanteraka ny tenako. Fa raha toa ka izao parabole rehetra izao ho raisana ambolony avokoa dia "izahay tsy mba naman'izay mihemontra".

3. Ilay resaka mifananatra sy hifampiteniteny kosa aloha aleo hijanona satria samy manana ny finoany sy ny valeur-ny. Aza mitsara mba tsy ho tsaraina moa izy zay?

4. Réclamer ses droits et ses libertés commence par accorder les mémes droits et les mémes libertés autres qui nous sont différents.

5. mirananirina ( 20/10/2010 08:20)

Tsy fantatsika ny ampitso, mety hoe lasa any amin'ny tany tsy misy fiangonana isika (na tsy mahavantana antsika ilay fomba fivavahana

Na misy fiangonana na tsy misy fiangonana,rehefa mivavaka ianao ,miantso ny anarany isan'andro,dia ampy izay.
6. fafane ( 20/10/2010 08:51)
Tsy ampy ny miantso ny anarany fotsiny sady @zay tsy mankany ampiangonana akory fa ny fifadiana ny ratsy no tena zavadehibe: tsy mampirafy, tsy mankahala olona tsy manaratsy,tsy miteny ratsy sns... fa manao zai takian'Andriamanitra e, ary matahotra Azy, fa refa mataotra an'Andriamanitra na any @takona tsy misy mahita aza tsy manao2 fona
7. mirananirina ( 20/10/2010 09:15)
Inona moa no antony 1 hitsikeran'ny olona sasany ny olona tsy miditra any ampiangonana,satria izy ireo ihany no mivavaka,tsy mandainga,tsy manaratsy olona,tsy manenjika olona,tsy mangalam-badin'olona,tsy misotro toaka,tsy misoloko olona,na anaran'olona na sarin'olona,ny didifolon'Andriamanitra dia arahiny atsakany sy andavany.Ka izay tsy miditra any ampiangonana,demony aminy.
8. cyril ( 20/10/2010 09:49)
rehefa athée ony ianao ramatoa iry d avelao ny resaky ny mpino a

boudha , mahomet , bala ,kelimalaza ,malemymaozatra eeeeyyyyiiiii... athée

ouioui

ouioui
9. fafane ( 20/10/2010 11:37)
Fa izay tsy manao ny zavatra takian'Andriamanitra de zay no atao hoe mpanota eb eny na mankany ampiangonana aza fa izay milaza fa mino an'Andriamanitra de tsy maintsy tia mankany @ tranon' Andriamanitra fa tsy hoe manenjika zany akory, fa iza ndray ary no nangalabadin'olona sy nangalatra sarin'olona tao ry Mirana ? zay mandika ny didin'Andriamanitra na iza na iza de mpanota amiko fa tsy asiana resaka lava e
10. jiolah ( 20/10/2010 11:54)
"Amidio ny fanananao dia omeo ny mahantra,ary avia hanaraka ahy"hoy Jesoa" de nody tamin'alahelo izy."
Io izao de tena fitsapana tena mahery vaika @zao fahasahirana mianjady amin'olona kristianina eto amin'ny tanana .Iza no sahy???
11. niryna ( 20/10/2010 17:10)

ydifas:

Miambina = mivavaka (miari-tory), mitandrina ny fitondran-tena, mandeha araka ny sitrapon’Andriamanitra, manaraka ny teniny ary indrindra mitahiry ny teniny.

Ahoana nefa no anarahatsika ny teniny raha tsy mihaino Azy isika? Tsy mamaky ny teniny?

Isaorana Andriamanitra mbola manome fotoana ahafahana hitehirizantsika ny teniny, mbola mandefa ny teniny ho antsika Izy. Miroborobo fatratra ny haino aman-jery ara-pilazantsara eto amintsika. Efa betsaka ihany koa ny tranokala (site web) manambara ny amin’Andriamanitra sy ny Teniny ary ny sitrapony, ny tanjony ho amin’ny fiainantsika. Efa maro ny fiangonana mijoro amin’ny fahamarinana ankehitriny. Hatramin’ny finday aza ankehitriny efa azo ampidirana baiboly. Mampiasa ny fomba rehetra (tous les moyens) ny Tompo ho antsika (Romana 8/28). Natao ho antsika indrindra izy ireny hampahery antsika hanovo sy hitahiry ny tenin’Andriamanitra: raiso izay tandrify antsika, aza faly hitsikera fa hazony mafy izay tsara amin'ny voalaza.

misaotra anao nizara

Mitso-drano anao aho: hampiasain'Andriamanitra hampandroso ny fanjakany anie ianao ary mihoatra lavitra, ho tany lonaka anirian'ny teniny anie ianao ary hizara ny famonjena amin'ny olona rehetra maneran-tany. Tsy ho anisan'izay ho tratran'ny mosary anie ianao satria mamafy ny tenin'Andriamanitra ianao ary hijinja ny teniny (Galatiana 6/7). Amin'ny Anaran'i Jesosy no anaovako izany tso-drano izany. Amen

aleloia ,Amena!
12. vonynive ( 21/10/2010 08:34)

ydifas:

Miarahaba anao amin'ny anaran'i Kristy indray,

«Indro, avy ny andro, hoy Jehovah Tompo, izay hanaterako mosary amin'ny tany, tsy fanirian-kanina anefa, na hetahetan-drano, fa faniriana* handre ny tenin'i Jehovah; Ary hivembena hatrany amin'ny ranomasina ka hatrany amin'ny ranomasina ny olona ary hatrany amin'ny avaratra ka hatrany amin'ny atsinanana, eny, hivezivezy hitady ny tenin'i Jehovah izy, nefa tsy hahita.» [* Heb. mosary] Amosa 8 / 11 – 12

Eto ny teny dia Andriamanitra mihitsy no mandefa ilay mosary. Rehefa misy mosary ny tany iray dia mazava ho azy fa tsy misy rano, tsy misy sakafo, mety hoe misy ny vola fa ny zavatra hovidiana mihitsy no tsy misy, tsy mahavokatra ny tany, maty ny biby fiompy na efa lany nohanina, ary rehefa tena mihoatra ilay mosary dia mety hifampihinana ny samy olombelona.

Tsy mosary ara-materialy anefa alefan’Andriamanitra fa ny faniriana ny teniny mbola tsy misy ohatr’izany. Amin’izany dia voalaza fa tsy hahita ny olona. Izany hoe, tsy vitan’ny vola, tsy efan’ny olom-pantatra, tsy voavahan’ny fahaizana sy ny fahalalàna ny hetaheta te handre ny tenin’Andriamanitra. Amin’izany dia hitady toriteny ny olona, mety ho alohan’ny fiavian’I Jesosy eny amin’ny rahon’ny lanitra izany ary mety ao aorinany: amin’ny fotoana tsy ampoizina satria tsy mahalala ny ho avy isika. Izany no mahatonga an’Andriamanitra milaza: «Koa amin'izany miambena hianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hihavian'ny Tomponareo.» Matio 24/42 ; «Mitandrema, miambena, ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hihavian'ny fotoana« Marka 13/33.

Miambina = mivavaka (miari-tory), mitandrina ny fitondran-tena, mandeha araka ny sitrapon’Andriamanitra, manaraka ny teniny ary indrindra mitahiry ny teniny.

Ahoana nefa no anarahatsika ny teniny raha tsy mihaino Azy isika? Tsy mamaky ny teniny?

Isaorana Andriamanitra mbola manome fotoana ahafahana hitehirizantsika ny teniny, mbola mandefa ny teniny ho antsika Izy. Miroborobo fatratra ny haino aman-jery ara-pilazantsara eto amintsika. Efa betsaka ihany koa ny tranokala (site web) manambara ny amin’Andriamanitra sy ny Teniny ary ny sitrapony, ny tanjony ho amin’ny fiainantsika. Efa maro ny fiangonana mijoro amin’ny fahamarinana ankehitriny. Hatramin’ny finday aza ankehitriny efa azo ampidirana baiboly. Mampiasa ny fomba rehetra (tous les moyens) ny Tompo ho antsika (Romana 8/28). Natao ho antsika indrindra izy ireny hampahery antsika hanovo sy hitahiry ny tenin’Andriamanitra: raiso izay tandrify antsika, aza faly hitsikera fa hazony mafy izay tsara amin'ny voalaza.

Fotoana fanararaotana hanovozana fahalalàna an’Andriamanitra, hampitomboana finoana, fahafantarana ny sitrapony izao vaninandro misy antsika izao. Tsarovy ny tantaran’I Josefa ilay namidin’ny rahalahiny. Nomen’Andriamanitra saina hahay hanangona izy, noho izany izy no afaka nizara ny vokatra nony tonga ny mosary.

Dieny mbola tsy tonga ny mosary, maniraka antsika Andriamanitra hanangona sy hizara ny teniny. Iza no hampahery ny hafa? Iza no hanitsy ny hafa? Iza no afaka hanambara ny famonjena? Raha tsy isika izay efa zanak’Andriamanitra?

Izany no anentànana antsika foana hoe ndeha re hifampizara toriteny, hifampahery, hifananatra amin’ny tenin’Andriamanitra. Sady mpiara-miasa amin’Andriamanitra isika no mahatahiry ny teniny ary manana ny teniny rehefa tonga ny mosary.

Mbola misy ny fotoana dia mamporisika antsika rehetra hanangona sy hitahiry ary hizara ny tenin’Andriamanitra. Tsy fantatsika ny ampitso, mety hoe lasa any amin'ny tany tsy misy fiangonana isika (na tsy mahavantana antsika ilay fomba fivavahana) na any amin'ny tany manompo andriamani-kafa. Isika no andrasana hanambara ny fahamarinana sy ny famonjena amin'ny olona. Tsy isika indray anie no hovoataona hiala amin'Andriamanitra.

Mitso-drano anao aho: hampiasain'Andriamanitra hampandroso ny fanjakany anie ianao ary mihoatra lavitra, ho tany lonaka anirian'ny teniny anie ianao ary hizara ny famonjena amin'ny olona rehetra maneran-tany. Tsy ho anisan'izay ho tratran'ny mosary anie ianao satria mamafy ny tenin'Andriamanitra ianao ary hijinja ny teniny (Galatiana 6/7). Amin'ny Anaran'i Jesosy no anaovako izany tso-drano izany. Amen

Hafatra: Kolosiana 3 / 16: "Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo..."

Manao veloma anao amin’ny Anaran’I Kristy ny tenako. Ho Azy irery anie ny voninahitra

misaotra anao idyfas a, aoka tokoa ny zavatra rehetra atao ho fampandrosoana ny fanahy sy ny fanahin'ny hafa
13. vonynive ( 22/10/2010 09:50)
miarahaba Idyfas
miarahaba ny rehetra koa
fanentanana no azontsika atao eto oe aoka izay le mifampitsikera, mifampitsara fa ny olona rehetra tsy azo tampenambava akory satria ..! fa tsy maintsy ho avy ny fahatafintohinana, ..(MATIO 18 7 - 7) hoy Jeso
Fa mba hahalalantsika ny toetsika tsy araka ny sitrapon' Atra dia ampandalovin'ny Tompo (fa tsy olona) fanafitohinana isika, ka eo @ zay no hahitantsika ny toetra tsy mety..
hazavaiko : ampandalovin'ny Tompo afo=fanafintohinana ny fontsika
mba ho tonga volamena voadio ,
rehefa manadio volamena ny olona dia mampiasa laro hafa (tsy haiko) ary avy eo atao ambony afo izany miaraka @ volamena ka manala ny fangaro tsy izy @ taharon'ny volamena,
indraindray isika mihevitra fa madio fo fa ny Tompo kosa mahita fa mbola tsy madio ny volamenanao ka avia hoy Izy hodioviko..
hoy ny Isa 48-10 Indro, nodioviko ianao, nefa tsy toy ny volafotsy;
Efa nizaha toetra anao tao amin'ny memy fahoriana Aho.

Fa tafintohina amin'ny zavatra maro isika rehetra. Raha misy olona tsy mba tafintohina amin'ny teny, dia izy no lehilahy tanteraka ka mahafehy ny tenany rehetra koa.
JAKOBA 3 2 - 2
= io le volamena voadio
mivonona ary mba ho tena volamena voadio
14. RAR.DAGO ( 22/10/2010 12:29)
Ny olona anie Vonynive dia eo @ ilay fanadiovana mihitsy e! Ilay milaza manadio no tena mandoto @ pollution ratsy lavitra noho ilay zavatra diovina !
Tsy ny fanarahana arabakiteny ny voalaza ao anaty baiboly no tokony atao fa ny fanarahana ny HEVITRA FOTOTRA FEHEZINY.
Ny mampalahelo dia tonontonina foana izao sy izao satria voasoratra ao nefa :
1. Ilay zavatra ampiasana ilay "verset" mifanohitra @ hevitra fonosiny satria matetika hoy aho parabole no hiresahina ao anatin'io boky io ka izay mandray ambolony dia lasa manao proselytisme intégriste fotsiny.
2. Tsy tokony adinon'ny kristianina mihitsy fa fiadiana t@ fanaparam-pahefana sy ny fampiasana ny fivavahana ho fitaovam-pahefana no nahatonga an'i Jesosy niady t@ sanhedrin ka nahatonga azy niady tao @ tempolin'i Heroda.

Ny olana dia ity : afangaron'ny olona ankehitriny ny zavatra niadivan'i jesosy sy ny fampianarany mba ahafahana mampiasa ny anarany ampitomboana ny fahefan'ny fiangonana.
15. vonynive ( 26/10/2010 13:44)

RAR.DAGO:

tsy mandà izany fitondrantena tsy mendrika ataon'ny kristianina sasany izany miitsy aho rardago a, ary tsy mankasitraka izany koa, nefa hoy aho oe aza atao safo be mantsina ny kristianina fa mbola misy maro ao izay mijoro tokoa ho tena vavolombelon'i Kristy.
16. Dan23 ( 28/10/2010 11:16)

ydifas:

Miarahaba anao amin'ny anaran'i Kristy indray,

«Indro, avy ny andro, hoy Jehovah Tompo, izay hanaterako mosary amin'ny tany, tsy fanirian-kanina anefa, na hetahetan-drano, fa faniriana* handre ny tenin'i Jehovah; Ary hivembena hatrany amin'ny ranomasina ka hatrany amin'ny ranomasina ny olona ary hatrany amin'ny avaratra ka hatrany amin'ny atsinanana, eny, hivezivezy hitady ny tenin'i Jehovah izy, nefa tsy hahita.» [* Heb. mosary] Amosa 8 / 11 – 12

Eto ny teny dia Andriamanitra mihitsy no mandefa ilay mosary. Rehefa misy mosary ny tany iray dia mazava ho azy fa tsy misy rano, tsy misy sakafo, mety hoe misy ny vola fa ny zavatra hovidiana mihitsy no tsy misy, tsy mahavokatra ny tany, maty ny biby fiompy na efa lany nohanina, ary rehefa tena mihoatra ilay mosary dia mety hifampihinana ny samy olombelona.

Tsy mosary ara-materialy anefa alefan’Andriamanitra fa ny faniriana ny teniny mbola tsy misy ohatr’izany. Amin’izany dia voalaza fa tsy hahita ny olona. Izany hoe, tsy vitan’ny vola, tsy efan’ny olom-pantatra, tsy voavahan’ny fahaizana sy ny fahalalàna ny hetaheta te handre ny tenin’Andriamanitra. Amin’izany dia hitady toriteny ny olona, mety ho alohan’ny fiavian’I Jesosy eny amin’ny rahon’ny lanitra izany ary mety ao aorinany: amin’ny fotoana tsy ampoizina satria tsy mahalala ny ho avy isika. Izany no mahatonga an’Andriamanitra milaza: «Koa amin'izany miambena hianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hihavian'ny Tomponareo.» Matio 24/42 ; «Mitandrema, miambena, ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hihavian'ny fotoana« Marka 13/33.

Miambina = mivavaka (miari-tory), mitandrina ny fitondran-tena, mandeha araka ny sitrapon’Andriamanitra, manaraka ny teniny ary indrindra mitahiry ny teniny.

Ahoana nefa no anarahatsika ny teniny raha tsy mihaino Azy isika? Tsy mamaky ny teniny?

Isaorana Andriamanitra mbola manome fotoana ahafahana hitehirizantsika ny teniny, mbola mandefa ny teniny ho antsika Izy. Miroborobo fatratra ny haino aman-jery ara-pilazantsara eto amintsika. Efa betsaka ihany koa ny tranokala (site web) manambara ny amin’Andriamanitra sy ny Teniny ary ny sitrapony, ny tanjony ho amin’ny fiainantsika. Efa maro ny fiangonana mijoro amin’ny fahamarinana ankehitriny. Hatramin’ny finday aza ankehitriny efa azo ampidirana baiboly. Mampiasa ny fomba rehetra (tous les moyens) ny Tompo ho antsika (Romana 8/28). Natao ho antsika indrindra izy ireny hampahery antsika hanovo sy hitahiry ny tenin’Andriamanitra: raiso izay tandrify antsika, aza faly hitsikera fa hazony mafy izay tsara amin'ny voalaza.

Fotoana fanararaotana hanovozana fahalalàna an’Andriamanitra, hampitomboana finoana, fahafantarana ny sitrapony izao vaninandro misy antsika izao. Tsarovy ny tantaran’I Josefa ilay namidin’ny rahalahiny. Nomen’Andriamanitra saina hahay hanangona izy, noho izany izy no afaka nizara ny vokatra nony tonga ny mosary.

Dieny mbola tsy tonga ny mosary, maniraka antsika Andriamanitra hanangona sy hizara ny teniny. Iza no hampahery ny hafa? Iza no hanitsy ny hafa? Iza no afaka hanambara ny famonjena? Raha tsy isika izay efa zanak’Andriamanitra?

Izany no anentànana antsika foana hoe ndeha re hifampizara toriteny, hifampahery, hifananatra amin’ny tenin’Andriamanitra. Sady mpiara-miasa amin’Andriamanitra isika no mahatahiry ny teniny ary manana ny teniny rehefa tonga ny mosary.

Mbola misy ny fotoana dia mamporisika antsika rehetra hanangona sy hitahiry ary hizara ny tenin’Andriamanitra. Tsy fantatsika ny ampitso, mety hoe lasa any amin'ny tany tsy misy fiangonana isika (na tsy mahavantana antsika ilay fomba fivavahana) na any amin'ny tany manompo andriamani-kafa. Isika no andrasana hanambara ny fahamarinana sy ny famonjena amin'ny olona. Tsy isika indray anie no hovoataona hiala amin'Andriamanitra.

Mitso-drano anao aho: hampiasain'Andriamanitra hampandroso ny fanjakany anie ianao ary mihoatra lavitra, ho tany lonaka anirian'ny teniny anie ianao ary hizara ny famonjena amin'ny olona rehetra maneran-tany. Tsy ho anisan'izay ho tratran'ny mosary anie ianao satria mamafy ny tenin'Andriamanitra ianao ary hijinja ny teniny (Galatiana 6/7). Amin'ny Anaran'i Jesosy no anaovako izany tso-drano izany. Amen
Hafatra: Kolosiana 3 / 16: "Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo..."

Manao veloma anao amin’ny Anaran’I Kristy ny tenako. Ho Azy irery anie ny voninahitra

Misaotra anao ry namana fa tena namana tokoa enao a,mitso-drano ho anao ko dia mitombo fahendrena e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8904