vehivavy misetrasetra

1. Lejoba ( 07/10/2010 12:09)
sanatria ve tantara sisa ny vhv malefaka, mandefitra ets.
mijery ny fiaraha-monina ankehitriny, indrindra aty @ firenena tandrefana, misetrasetra ny vehivavy.
Lasa be dia be ny lesbiennes, tsy miafina mihitsy, hatrany @ lycées no manomboka.
Ny herisetra sy fandratrana olona na namana manjary malaza ratsy
be izao ny vhv miady mafy manao asa fanaon-dehilahy taloha, tsy mitsipaka an'io aho sao io indray no mampisy ady hevitra eo; oh: mpitondra fitateram-bahoaka, mpamonjy voina...
na hatrany an-tokantrano aza, izany angamba no mahatonga ny lhl aty malaina hanambady : tsy te hofehezim-behivavy
etsetra etsetra
répondu par sylvaine le 26/10/2010 07:00
2. mirananirina ( 07/10/2010 13:02)
Hihihi..marina ny anao Lejoba,ny vehivavy te hitovy zo @ ny lehilahy,nefa ao ihany ilay hoe fanaka malemy.Betsaka mihitsy ny vehivavy tanora vao 14 ans dia efa deba be mihitsy.Nefa amiko aloha betsaka ihany ny zavatra vitan' ny lehilahy tsy vitanay vehivavy,tsy azo iadihan-kevitra io.(eo aminy resaka hery sy tanjaka io fa tsy ny fisainana).ohatra hoe polisy,miaramila,ny travaux mafy sns...betsaka hita hoe malemy ny vehivavy eo na dia mafy be mikotrana ohatra an'inona aza.
3. soanja ( 07/10/2010 13:14)

Lejoba:


mandefitra ets.



Nahoana izy no tokony handefitra? satria ny lehilahy inona? F'angaha tsy samy olona io?

Amiko matoa ny vehivavy hita amin'izao fotoana izao mitroatra dia satria nogejaina izy ireo hatramin'izay na ataoko hoe notakiana ny hangeja ny momba azy. Asa na tadidinareo fa ady mafy vao afaka nifidy ny vehivavy. Amin'izao aza mbola ady mafy ny fahafahan'ny vehivavy hanao mpitondra fiangoanana na pasitera. Atidoha samy manana io ary ny aina no fetra amiko.

Raha tsy te hanambady ny lehilahy olany izany! Safidy tsinona ny fanambadiana fa tsy ankitery mihitsy.

Ary tsy manahy koa ve raha ny Gay na lehilahy manambady lehilahy fantatra eran'io fa ny lesb tokony hiafina? Aoka re tompoko fa samy malalaka amin'izay mahaizy azy ny olona.

Ny toe-tsaina mitaky ny olombelona tsy hiseho amin'ny mahaizy azy mihitsy no mitondra herisetra. Efa fantatra hatramin'izay io raha ny fanabeazana no jerena.
4. vale ( 07/10/2010 14:35)
Miombon-kevitra tanteraka amin'i Soanja aho!!!
5. tiarah ( 08/10/2010 11:36)
Amiko , indraindray diso fandray ny vehivavy amin ilay hoe mitovy zo ny lehilahy sy ny vehivavy ka mitady haka ny toeran ny lehilahy tahaka ny hoe mandidy ao antokatrano, lohan ny fianakaviana, nefa raha ny tena marina tsy tokony hitoetra mihitsy izany fa miara mandidy sy miara manapaka .

Na izany aza nefa misy antony ihany matoa natao hoe LEHILAHY sy VEHIVAVY fa tsy lehilahy daholo na vehivavy daholo

Raha ao antokatrano sy ny fiaraha monina dia ny vehivavy no natao hanome aina ny tokatrano , hanambitamby , hitsinjo ny menaky ny aina fa eo amin ny sehatry ny asa tsy dia hitako loatra ny maharatsy ny hoe vitan ny lehilahy ve tsy ho vitan ny vehivavy ihany koa.
6. soanja ( 08/10/2010 13:48)

Lejoba:

tsy te hofehezim-behivavy


Io angamba ilay teny lakile eto. " FEHEZANA", amiko ny tokatrano tsy tokony hisy fiampifehezana na fangejana na famoretana na hafa maro manazava hoe ity no mpifehy , ity no fehezina. Ny tokatrano dia fitiavana. Manome fahafahana ny tsirairay hanolotra sy hifanome fahasambarana ny ao an-tokatrano sy amin'ny izay manodidina iainana. Ny tokatrano dia famirapiratana ary fitomboana, fandrombonana. Ny tokatrano dia tsy hisy geja satria izay iainana dia fantatra fa isan'ny fitiavana avokoa. Tsy hampijaly ny malalako aho ary izy tsy hampijaly ahy. Mahatoky azy aho ary izy hahatoky ahy. sns sns....
7. soanja ( 08/10/2010 13:54)

tiarah:

Raha ao antokatrano sy ny fiaraha monina dia ny vehivavy no natao hanome aina ny tokatrano , hanambitamby , hitsinjo ny menaky ny aina.


Raha tsy afaka hanome aina ny tokatrano ny lehilahy dia aoka izy tsy hanambady akory amiko. Raha tsy afaka ny hanambitamby sy hitsinjo ny menaky ny ainy ny lehilahy dia hoy aho hoe inona no hiterahana sy hanana tokatrano?

Eto dia ambany be ny antenaina amin'ny lehilahy ao an-tokatrano ary mampalahelo izany satria ny lehilahy dia tena mahavita sy manome faratapony an'ireo mihitsy. Rehefa tsy omen-danja ny lehilahy dia iny izy mitsipika tsy hita ary an an-kafa izy manorina izany lanja izany.

Tsy resaka fitovian-jo ny zavamisy fa ny fanaporetana ny hafa izay heverina fa tsy manan-danja. Eo ilay olana.
8. AndriambyII ( 09/10/2010 13:58)
Ahoana ny hevitrareo ny @ tokatrano-maso ? avy @ fiheveran' ny lehilahy sa ny vehivavy ny fototra niorenany ?
9. mirananirina ( 11/10/2010 08:52)
Amiko aloha ny tokatrano maso dia tsy misy olana raha toa ka samy tsy manambady ny 2 tonta.Betsaka ny olona no mandalo an'io vao mivady.Tsy misy hoe avy @ vhv na lhl fa matetika raha efa manana trano ny 1 dia ny 1 matetika matoritory any .....dia mitohy mitohy dia lasa mipetraka any @ farany.Tsy hitako izay anomezana tsiny azy ireo aloha.Saingy raha ela loatra matetika rava ihany ny farany.
10. euh ( 11/10/2010 12:27)
midika setrasetra angaha ny maha lesbos ? vaovao lehibe indray iny

Ny maha lesbo sy gay dia zavatra lalina tsy azon'olombelona tsaraina na ahintsy, afatsy ireo manaiky sy zatra voampempo angamba ka azo aorirana @ izay tian'ny fiarahamonina anaovana azy. Mety izay no tian'i Lejoba lazaina, manafina sy mandainga amin'ny mpiaramonina ny tena ao ampo. Mody manao hetero na tsy ao amin'izany aza ny fo sy ny vatana, tsy mahasahy maneho ny marina, ny kely toetra

manaraka Nahoana no tsy maintsy manafina ny fiarahana ny lesbos, hoe hatrany amin'ny lycée ? koa maninona anao raha mampiseho ny zavatra tiany ry zareo ? setrasetra ve izany ?

Ny hoe betsaka ny lehilahy tsy te hanambady satria ve sahy mijoro @ maha izy azy ny vehivavy ? asakasakareo lehilahy mbola te ho tompoina sy mihevitra azy tsy azo kianina.

Hafa ny taloha na mamolava na mamono vady ny lehilahy dia iaretana. Ankehitriny dia efa mivoatra ny lalana miaro ny zon'ny vehivavy sy ny ankizy, soa ihany, satria misy mbola mihevitra fa natao hanarambokony fotsiny ny vehivavy

resaka herisetra (délinquance juvénile) ankehitriny ataon'ny ankizy vavy tena mbola tanora tokoa, ary mahery setra tsisy misy indrafo toy ny ankizy lahy mihitsy izy ireo. Avy @ fahasarotampianana, fianakaviana mikorontana, ianjadian'ny fiangaran'ny vintana ohatra RAD tsy anasa, tsy voataizan'ny ray amandreny @ lalana tsara hatramin'ny fahakely sns...


Tsy midika fa tahak'izany daholo ny vehivavy rehetra na dia ireo aza no hitanao betsaka any amin'ny misy anareo any, miova quartier anie dia ho hitanao e

11. andrywui ( 11/10/2010 14:18)
zah alou tato efa nofantsihan'ny vehivavy anakiray zay e ! nahankiny tamin'ny rindrina mihitsy ah vao nolakoiny , io ambony io izy zao ! mafy be io an !
- fa . . . mora petsa !!! izay fotsiny no mahavoa azy
12. jiolah ( 13/10/2010 10:58)
malaza any Zimbabwe ny andian-tovovavy "manolana" ka mahasadaikatra ny mpitondra any an-toerana.Mitondra fitaovam-piadiana izy ireo ka manao an-tery izay lehilahy tratrany.Toa hoe ilay "ranon'aina"no tena katsahiny ampiasana amin'ny fanompoantsampy.
13. Lejoba ( 14/10/2010 11:26)

jiolah:

malaza any Zimbabwe ny andian-tovovavy "manolana" ka mahasadaikatra ny mpitondra any an-toerana.Mitondra fitaovam-piadiana izy ireo ka manao an-tery izay lehilahy tratrany.Toa hoe ilay "ranon'aina"no tena katsahiny ampiasana amin'ny fanompoantsampy.

kay le, izany ve tsy mpamosavy? sao rehefa vita ny nataony dia mahazo takaitra ilay bandy, ay ay ay
14. sylvaine ( 26/10/2010 07:00)

jiolah:

malaza any Zimbabwe ny andian-tovovavy "manolana" ka mahasadaikatra ny mpitondra any an-toerana.Mitondra fitaovam-piadiana izy ireo ka manao an-tery izay lehilahy tratrany.Toa hoe ilay "ranon'aina"no tena katsahiny ampiasana amin'ny fanompoantsampy.


aieee,grave dray iny marina,faly ery zao ze tratrany,matsiaro any francis turbo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1402