Tsy rava ny didy folo
1. ydifas
(
04/10/2010 07:03)
Miarahaba antsika amin'ny Anaran'Ilay Avo indrindra ny tenako
Tamin'ny andron'i Mosesy (Môizy) dia nanome lalàna Andriamanitra dia ny didy folo izany. Eksodosy 20. Satria hitan'Andriamanitra ny faharatsian'ny olombelona ka izany no nahatonga Azy hametraka ny azo atao sy ny tsy azo atao.
Tsy nahatanteraka ny didy anefa ny olona koa noho izany no nandefasany ny Zanany Lahitokana hamonjy ny olombelona sy hamerina ny fihavanany amin'ny olombelona. Jaona 3/16: "Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay."
Raha nitory teny i Kristy indray andro dia hoy Izy: "Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka" Matio 5/17 (raha mitovy ny baibolintsika dia vakio ny lohateny fa toritenin'i Jesosy io).
Rava ny lalàna = tsy misy lalàna intsony. Mba saino kely anie hoe tany tsy misy lalàna e! samy hanao izay saim-pantany ny rehetra: afaka mamono olona, afaka mijangajanga, afaka mangalatra... Dia mino ve isika hoe hilamina izany tany izany? Tsia ny valiny, tsy azo sainina akory aza izany ary tsy "possible". Isika olombelona aza mahalala mametraka lalàna mifehy ny fiainantsika koa mainka fa Andriamanitra Tompon'ny fahamasinana?
Manambara avy hatrany i Jesosy eto fa mbola mitoetra ny didy folo ary ny andraikiny dia ny hanatanteraka ilay Fitiavan'Andriamanitra ny olombelona (Jaona 3/16).
Manaraka izay, Andriamanitra dia Fitiavana: "Ary isika efa mahalala sy mino ny fitiavan'Andriamanitra antsika, Andriamanitra dia fitiavana; ary izay mitoetra amin'ny fitiavana no mitoetra ao amin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy" 1Jaona 4/16 ary hoy koa Izy: "Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa" Jaona 13/34.
Tsy midika mihitsy izany hoe rava ny didy folo. Ho fanampin'ny didy folo dia ny fifankatiavana. Izany hoe, didy faha iraikambinifolo (11ème) ny fifankatiavana. Amin'ny teny frantsay izy mazava tsara: "Je vous donne un commandement nouveau: Aimez-vous les uns les autres; comme je vous ai aimés, vous aussi, aimez-vous les uns les autres."
Izany hoe didy fanampiny ilay izy. Noho izany, tsy rava ny lalàna.
Diniho kely ity: Moa ve hahavita ratsy ireo olona tiantsika isika? Hamono azy? Hangalatra ao an-tranony?... Mino aho fa tsy hahavita izany isika raha tena tiantsika marina ilay olona.
"Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara; fa ny fitiavana manarona fahotana maro" 1Petera 4/8 ; Ohabolana 10/12
Raha manana fitiavana izany isika dia tsy hahatanteraka ny faharatsiana sy ny fahotàna na oviana na oviana. Noho izany, voatandrina ho azy ny didy folo.
Tsy vitan'ny fiezahantsika anefa izany fa mila fanoloran-tena goavana avy amintsika ho an'Andriamanitra. Efa nambarantsika tetsy ambony fa Andriamanitra dia FITIAVANA (1Jaona 4/16). Mazava ho azy izany fa raha mandray Azy isika dia mitoetra ao anatitsika Izy: azo ambara fa manana Azy isika ary manam-pitiavana. Tanteraka ao amin'i Jesosy ny Fitiavan'Andriamanitra antsika olombelona. Koa ndeha re, raha azo atao sy raha mbola faniriantsika ny hanana izany fiainana mandrakizay izany, hanavao ny fanoloran-tenantsika ho Azy mba ahafahany manjaka ao anatitsika sy eo amin'ny fiainantsika. Tiany hiaina amin'ny fahamasinana isika satria Masina Izy. Maharikoriko Azy ny fahotàna ary tokony ho toa izany koa isika rehefa manana Azy.
Fehiny: Tsy vitantsika amin'ny fitandremantsika ny tsy handika ny didy folo. Noho izany, nalefan'Andriamanitra ny Zanany Lahitokana, dia Jesosy Kristy, ho fampihavanany indray Aminy sy amin'ny olombelona. Tanteraka ao amin'i Jesosy Ilay FITIAVANA tsy manam-pahataperana mba ahafahantsika mahatanteraka ireo didy ireo. Ilay Fitiavana mitarika antsika haharesy ny faharatsiana izay tsy sitrany. Raiso Jesosy Fitiavana ary aoka isika hifankatia, hoy Izy, mba tsy hahatonga antsika hanao ratsy ny namantsika sy ny havantsika ary ny olona rehetra. Voatandrina ho azy amin'izay ny didy folo.
Fampieritreretana: Mino ve isika fa tsy handalo ady amin'ny faharatsiana? Izay jeren'ny masotsika sy renesin'ny sofintsika dia fandikana ny didy folo: fijangajangana, vono olona, halatra sy vaky trano... Tsy misy intsony ve izany ireo didy ireo? Nanambara mazava tsara ve Andriamanitra amin'izany fahafoanan'ny didy izany? Tsy manandr-tena ve isika raha manambara fa foana ny didy? satria manao ny tenatsika ho masina isika ka tsy mila ny didy folo intsony?
Anjarantsika ny misafidy na handà na hanaiky fa mbola mitoetra manan-kery ireo didy folo ireo na tsia. Andriamanitra irery no mahalala ary ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amen

novalian'i diniho ny 06/04/2013 15:03
2. vonynive
(
04/10/2010 09:03)
ydifas:

miombon-kevitra amianao aho,
fa tiako hotsindriana le oe "hanatanteraka", i jesosy no manatanteraka ny lalàna ato anatintsika.
4. nyhaingo
(
05/10/2010 12:01)
mirananirina a tsy mamaky tsara ianao fa misy zava-dalina tena mahaliana tokoa io dinika io
5. fijo
(
05/10/2010 19:58)
tsy mila io didy io akory,dia azo vinaniana,fa ratsy izao ary tsara izao
6. cyril
(
05/10/2010 20:48)
Didy folo lkleaza misy tena mivika mhitsy anie ato zany e, didy folo @ ahoana ary e, efa be dia be ny tsy mahalala an'izany nefa miaina tsara nama a hon hon hon
7. Miharena
(
06/10/2010 05:40)
Fijo:
tsy mila io didy io akory,dia azo vinaniana,fa ratsy izao ary tsara izao
Marina ny an'i Fijo fa ny tsy fantany fotsiny dia satria ny ray aman-dreniny sy ny olona rehetra teo alohany dia nampihatra io didy folo io ka efa lalanam-piaraha-monina ilay izy ary tonga tao anatin-draFijo sy ra-Ciryl ho azy. Satria ny fiarahamonina tsy an-kanavaka (na mpivavaka na tsia) no mampianatra antsika taranaka sy manome lova ho antsika fa tsy inona akory.
8. vonynive
(
06/10/2010 08:26)
angamba misy antony manokana i ydifas matoa nametraka io lohahevitra io ka
asa misy "mivoy ve any fa rava ny didy folo ?"

9. Miharena
(
06/10/2010 10:36)
Misy mivoy tokoa hoe rava ny didy folo. Fa ny hevitra entina manazava azy no tsy maharesy lahatra loatra.
11. nyhaingo
(
06/10/2010 16:20)
angamba misy antony manokana i ydifas matoa nametraka io lohahevitra io ka
asa misy "mivoy ve any fa rava ny didy folo ?"
izay hevitra nalefany kosa valiana fa aza atao angamba angambaina i ydifas e sa aoana "safidy"
12. fijo
(
06/10/2010 21:26)
ekeko tokoa,fa notaizan atao ny tena,ka tsy mila ampahatsiahivina akory dia hiainana ilay izy.fa aza hadino koa,fa mily olona tsy kristianian miaina izany ,nefa tsy nahalala izany akory.
13. Miharena
(
07/10/2010 05:05)
Fijo:
fa aza hadino koa,fa misy olona tsy kristianian miaina izany ,nefa tsy nahalala izany akory
Ka izay indrindra no antom-pisian'ny Mpamorona satria Izy no efa nametraka ny lalànaNY sy fitsipiNY tao am-pon'ny olona hatramin'ny fahagolan-tany.
Isika dia tokony hiaiky hatrany fa hatramin'ny niforonan'ny Univers dia efa nisy programa. Misy ireo planina efa ôtômatika napetraka tao amin'ny olombelona efa an-tapitrisany taona maro (efa anaty ADN daholo izany).
Matoa nivoaka tamin'ny taona arivo vitsivitsy taty aoriana ny soratra Didy Folo dia manao rappel à l'ordre ny Mpamorona.
14. vonynive
(
08/10/2010 09:29)
fijo:
tsy mila io didy io akory,dia azo vinaniana,fa ratsy izao ary tsara izao
de efa tanteraka t@ alalan'i kristy Jeso ange izy zao .
Ka izay indrindra ange no mahatonga an le oe "... fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka.
MATIO 5 17 - 17" de efa tanteraka t@ alalan'i kristy Jeso izy zao .
15. AndriambyII
(
09/10/2010 14:01)
Asa aloha ,fa amiko ny didy dia natao ho hihoharana eo @ fiainana , ahoana hoy ny hafa ??
16. niryna
(
10/10/2010 01:34)
Iza no nilaza fa rava ny didy folo aloha e,tsy azoko ilay izy
Araka ny fahalalako azy aloha dia tsy tonga handrava ny didy i kristy fa hanamafy
Nanome didy vaovao izy dia ny mba hifankatiavantsika rehetra(tafiditra amin'izany ny samy kristiana,ny tsy mpino mba ahafantaran'izao tontolo izao isika fa mpianany,ny tsy mitovy finoana amintsika,tsy ny antsika foana akory no tokony ho matisana fa mizara no anjarantsika.
Ny didy folo dia folo ihany fa tsy nisy niteny hoe lasa 11 indray ilay izy fa aoka kosa aloha hazava fa tsy azontsika atao ny mamorona zavatra tsy voalaza.Tsy nisy niteny ao anatin'ny baiboly hoe lasa 11 indray ilay 10 sa misy manana baiboly hafa noho ny an'ny kristiana milaza izany?
misaotra ny mpizara e

17. isambo
(
24/10/2010 06:43)
Ie tsy rava tokoa ny didy folo fa efa namany noravana ihany satria efa be no mandika azy io.Misy iray amin'ireo Didy ireo mantsy dia toa metimety amin'ny fiaraha-monina ihany ny mandika azy io na dia tsy mitandrina azy dia azo lazaina fa olo-marina ihany fa ny fandikana ireo sivy hafa dia tonga dia hita taratra @ fiaraha-monina fa tsy mendrika ilay olona ohatra mamono olona ohatra kanefa ny Didy faha efatra dia tsy mampaninona ny olona ny mandika azy . Tsy mety anefa izany araka ny voalaza ao @ Jakoba .2:10
18. diniho
(
06/04/2013 15:03)
Faly miarahaba ny rehetra!tsara tokoa ny mahita fa resaka baiboly,izany ,hoe momba ny FIAINANA MANDRAKIZAY no resahintsika eto.Ny tenin'Andriamanitra moa dia nilaza hoe"Katsaho aloha ny fanjakan'Andriamanitra sy ny fahamarinany.Raha hiresaka momba ny tenin'Andriamanitra anefa isika dia tsy mety raha ny tora-po na eritreritsika no avoaka fa tsy maintsy miainga avy ao anaty Baiboly izany.Raha ny eto Madagasikara sy eto ambonin'ny tany dia saika mpitandrina didy folo sy lalàn'i Mosesy avokoa.Voalaza ao @ 2Jaona1:9 fa izay rehetra mitarika nefa tsy mandeha araka ny fampianaran'i Kristy dia tsisy Andriamanitra.
Manasa antsika rehetra mba hihaino ny radio HFF FM97.2 izay mampianatra momba ny fahaqravan'ny didy folo.Ampoianarina ao fa natazo ho an'Israel ihany ny didy folo sy ny lalaànèi Mosesy fa tsy natao ho an'ny hafa firenena ary ao Israel ihany zany no azo tandremana(Deotoronomia4:1,12:1,30:11-12...).Azavaina ao koa fa i Kristy dia nandrava ny fanekena taloha(didy folo sy ny lalàn'i Mosesy) ary nitondra fanekena vaovao(Hebreo7,Galatiana3-4,Efzsiana2:14-16,Asan'ny apostoly15,...);.Ampianarina ao koazfa tokana ary tsy azo ovaina ny anaarana mitondra famonjena(Asa4:12).Ary ny fampianarana maro izay mitondra anao ho amin'ny famonjena.Marihina fa tsy hahita io fampianarana io ianao raha tysy amin'io onjam-peo 97.2Mhz ioizay ampoianarin'ny fiangonana YFV(Yahoshuah Fanekena Vaovao).Izany fampianarana izany dia mandeha isaky ny @9ora maraina,12h30 atoandro,3ora tolakandro,7h30hariva,...,5ora maraina.
Aza variana amin'ny eto an-tany izay tsy haharitra fa ataovy izay hahatonga ano ho any