pierre dufour

21. ikaretsaka ( 30/09/2010 22:21)

fijo:

io voalazan'i mirana sy soanja io ,no tena tsikaritro amin'ny mpino maro."mino ny tsy itany izy,nefa manda ny mibaribary.ary takon'ny finoany olona ka manadino,fa iraka fotsiny,ka mety ho diso"

io ilay hoe "ny finoana dia tsy ny fanaovana fahatany ny zavatra asaina hatao, fa ny fahalalana ny hanaovanao iny zavatra iny"
22. niryna ( 01/10/2010 04:28)

fijo:

nijery fandaharana momba ny fitsarana iray aho,dia ny aferan'io pretra io no sendra tao.ingahy io,dia pretra amina tanana kely eto frantsa,ary efa ho 30 taona mahery no naha pretra azy tao.
tany amin'ny taona 1977 tany,dia nisy ankizy ,nitory azy fa nanaovany toetra tsy vanona."tsy io no tena resako eto,fa efa maro ny dinika teto momba an'io"

rehefa nametraka fitoriana nefa ny ray amandrenin'io ankizy io(tany aminn'y zandary sy ny lehiben'ingahy dufour)dia samy nanakona ilay raharaha ireo,fa notsorina hoe olomanana ny maha izy azy io,ka ilay tanora no mandainga.(namonotena moa ny niafaran'ilay tovolahy io)
taty aoriana,nisy SDF,indray nitaraina,ka teo vao nisy zandary nihetsika,fa ilay lehibe arapinoana kosa,vao niha nampakatra grady azy.
saingy ilay zandary mba nanomboka nanao fanadihadiana,dia notsivalanann'y lehibeny,ka nangiana.

di anitranga ko any raharah ahafa,ary teo vao niova ny mpitsara mpanoa famotorana tao amin'ilay tanana,ka nanokatra ny famotorana ity pretra.

marihina fa isann'y olona niharann'y fametavetana tao koa ,ny pretra tanora iray,tso amin'ilay tanana ary isan'ireo mpitory.

ny tiako hiaviana,dia ity.

efa migadra izao io pretra io,nefa di ambola maro ny mponina tsy mino fa nahavita izany izy????ilay finoan ave no maha jamba sa inona?

nahoana ny lehibeany sy ny mpitandro ny filaminan a,nonihezaka nanafia ny zavatra nisy????sa amin'ny maha pretra azy fotsiny?????sa ny finoana ihany koa?????

raha ny hoe maha pretra azy,nisy pretra koa isan'ireo niharan'izany ary nanao vavolombelona,ka naninona io no tsy najaina teny,nefa samy pretra?????

ity finoana ity ve ,mahatakona ny atao rehetra???
hanky va re e,misaotra anao nitondra vaovao mikasika ny pretra indray ,hi,hi
23. hery ( 01/10/2010 10:43)
Ny olan'ny olona ao amin'ilay tanàna dia azo fehezina amin'ilay tsy fahafantarany fa ny toetra ratsin'ny pretra dia tsy manafoana ny fahasoavana sy ny finoana noraisin'ny olona avy aminy.

Sarotra be ho azy ireo mantsy ny hino hoe ny ankizy nataony batisa hatr'izay, ny mariazy rehetra nohamasininy hatramin'izay, sns ve ara-dalàna daholo.

Kanefa tsy miankina amin'ny tsy fahamendrehan'ny pretra ny fahasoavana raisiny.
24. Miharena ( 01/10/2010 12:43)
Hery:

Kanefa tsy miankina amin'ny tsy fahamendrehan'ny pretra ny fahasoavana raisiny.


Fa rehefa tratran'ny fandrika hitaratra ilay pretra ilay olona nomeny fahasoavana dia manjary maloto be mihitsy ny sainy ary hihataka izy noho ny toetran'ilay pretra. Ary tonga amin'ny fitodihana amin'ny mpitarika mahafa-po azy kokoa avy eo. Io moa no nahatonga fiangonana zandriny bedebe io.

Dia mba miaiky heloka toy ny nataon'ny kristiana mifoha amin'izao fotoana izao fa tsy mifanenjika lava.
25. fijo ( 05/10/2010 19:57)
amin'ny fomba ahoana moa,no hinoanareo fa ilaina ny fahadiovana,raha olona voretra no milaza izany aminareo???????

amin'ny fomba ahoana no hinoanareo fa iny no lalana tsara,nefa izy mivily ary ambadika ary?????
26. Miharena ( 06/10/2010 05:34)
Tsy voatery hadio Fijo ny olona hananatra anao hoe madiova ary tsy tokony hotsiriritinao ny toetran'ny olona mananatra satria raha sendra hitanao fa miongana izy dia hanary izay soa natorony anao koa ve ianao?
Toy ny olona milaza aminao hoe misasà, dia rehefa lasa io olona io mihosom-potaka dia hanaraka azy ve ianao?
Misy izao ohatra any ambanivolo be any ray aman-dreny nikarakara nanadio ny zanany sy nanatra foana, nefa rehefa nitombo taona ilay ray aman-dreny dia tsy nahava-tena intsony. Dia izay ve no hanarian'ny zanany ny fananaram-pahadiovana nataony?

Raha mbola lolohavinao an-tampon'ny lohanao ny mpananatra anao fa tsy ny anatra nomeny no tazoninao dia very eo ianao satria tsy hihevitra ny hihoatra azy mihitsy izany ianao.

Izay no nitenenan'i Jesosy hoe hanao asa lehibe noho IZY aza ireo Mpino aty aoriaNY.
27. fijo ( 06/10/2010 21:30)
hay ve????rah amisy milaza aminareo izany hoe aza mitady vola fa ratsy io,di ainy tokoa ianareo fa tsy hhitady,fa dia avela hoazy eo daholo ny harena???mety hilay le fiaraha monina raha izany ka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.335