Biogas

1. soanja ( 26/09/2010 21:38)
Mianatra momban'ny fanaovana Biogas avy amin'ny biby fiompy/ enerjia mora azo sy miodina ary maharitra ve ny mpianatra EPP na CEG any Madagasikara?
novalian'i soanja ny 03/04/2011 18:30
2. sipagasy ( 09/10/2010 17:09)
toa tsy mbola @ izany angamba akia ny fampianarana any amintsika annn, asa anefa moa e!
3. RAR.DAGO ( 29/10/2010 08:19)
Tsy mora azo izany ireny an! Andramo atao anie dia ho hitanao e!
4. soanja ( 13/11/2010 20:12)
RAR.DAGO:

Tsy mora azo izany ireny an! Andramo atao anie dia ho hitanao e!

Dia hisy ho sarotra lavitra nohon'ny fahazoana solika avy any ambanin'ny tany sy ny ranomasina ve? Sady eo ny halafosany moa ny ady ifamonoana amin'izany tsy hita pesipesenina.

Raha ny saribao sy ny kitay indray dia mandehana fotsiny mitsangatsngana manerana an'i Madagasikara fa ahita ianao fa mirehitra i Madagasikara. May ny tontolo. Miforitra ny natiora.

Oviana isika vao hahavita hamerina indray ny hamaitson'ny firenentsika? Nofy anie izany.

Na mora na tsy mora, izay azo ampianarina ny ankizy dia atoroy azy fa ny efa misy dia notsihifintsika sy nopotehantsika ary tsy namelantsika mba ho anjarany.
5. RAR.DAGO ( 14/11/2010 00:37)
soanja:

Mianatra momban'ny fanaovana Biogas avy amin'ny biby fiompy/ enerjia mora azo sy miodina ary maharitra ve ny mpianatra EPP na CEG any Madagasikara?

Ianao anie nanoratra an'io dia hoy aho hoe
RAR.DAGO:

Tsy mora azo izany ireny an! Andramo atao anie dia ho hitanao e!

Ny tiako ho lazaina hoe raha ankizy any @ EPP na CEG no ampanaovinao an'ireny dia tsy ho vitany mihitsy satria misy marimpana ilaina tazonina, misy paramètres be dia be ilaina fehezina tsara vao mety ireny.

soanja:

Raha ny saribao sy ny kitay indray dia mandehana fotsiny mitsangatsngana manerana an'i Madagasikara fa ahita ianao fa mirehitra i Madagasikara. May ny tontolo. Miforitra ny natiora.

Zavatra roa :
1. Raha toa ka fongarina faha-tany fotsiny ny ala dia mitovy hevitra tanteraka isika fa tsy mety izany.
2. Fa aza adino kosa fa ny hazo dia zava-maniry, izany hoy renouvelable. Ka raha misaina tsara dia azo atao izany no manao exploitation forestière ahazoana hazo anaovana fanaka sy charbon.
6. soanja ( 15/11/2010 15:34)

Hay izay vao azoko ilay hoe " tsy mora" ny tiako tenenina eo dia hoe tsy hoe mora azon'ny ankizy fa hoe mora azo sy mora ahodina na renewable.

Tsy diso mihitsy ny teninao fa azo atao izany tokoa ny kitay sy ny saribao saingy ny olana amin'ireo dia efa aman-jato taona isika nila kitay ary efa ela koa ny nanaovana saribao saingy dia ringitra ihany ny ala fa vitsy dia vitsy ireo mpanjifa azy ireo no mamboly hazo indray hanonerana ireo izay lany sy nojifaina teo. Firy amintsika aty an-tanandehibe mampiasa saribao tokoa moa no mandeha mamboly hazo sy manonitra izay nolaniana sy noripaina?

Natao karazana fialam-boly ny fambolen-kazo eo amin'ny fiainan'ny malagasy izay tena mpampiasa saribao fa raha natao hoe ventin'asa fanonerana dia mbla nofy izany.

Ny mampalahelo mantsy ry izy mianakavy dia ny mpanao saribao no mandoro ny ala maro any izao raha ny faritra mankany Ambohimahasoa iny satria tsy vitany intsony ilay maka permit am fanjakana satria asarotin'ny fanjakana ilay raharaha moa ry zareo tsy manaramaso ny asany fa dia vitainy amin'ny afo daholo ny ala dia iny amin'izay no lazaina fa may no iverenany sy ataony kitay amidy na ataony solon-tsaribao asisika amin'ny kely izay vitany.

Raha mihena ny filantsika ny saribao ao an-tanan-dehibe ao dia mihena ny doro ala amin'io faritra io fotsiny no resahiko.

Tsara ho fantatry ny ankizy na dia tsy mbola vitany amin'io fahaizany io aza fa misy fomba hafa azo handrahoana sakafo na hakana angovo. Efa betsaka amin'ny tantsaha any Asia no manao io fomba biogas ary ny ankizy any amin'ny EPP sy CEG indrindra no mitondra izany fampianarana izany any amin'ny ray aman-dreniny tantsaha. Raha vitan'ireo ve dia ho ambaka ny antsika?

Tsy misy zavatra mora sy tsotra izany fa rehefa ikirizana dia hay. Ny ankizy no hitako vahaolana indrindra amin'ny fanovana ny fomba fiainan'ny ao an-tranony na ny ao an-tananany. izy hilaza amin'ny ray aman-dreniny izay afaka atao ary ny ray aman-dreny no mitady ny fomba hianarana azy akaiky. Betsaka ny malagasy tsy mahalala an'io nefa azontsika atao tsara.

Ny fianarana dia mitoetra ao an-tsain'ny ankizy ary izay hainy dia ho tadidiny satria atoro azy ny mahamety azy. Manan-tsaina ny malagasy saingy mila tosika isika ahita ny mahiratra. traikefa efa misy no aseho azy fa tsy hanome azy valala an-danitra. Io no tokony handraisana azy ny fahitako azy.
7. RAR.DAGO ( 16/11/2010 05:52)
Fa sao dia ny fidiram-bolan'ireo mpanao saribao koa no mila heverin'e?

Izany iza no nampifamaly aho t@ olona tao@ conservation inernationale vao nanomboka nalaza t@ 2008 ny resaka bois de rose. Izay hoy ireo miantso antso fa tsy misy miheno na ny manam-pahefana na ny olona any an-toerana.
Dia hoy aho hoe ka ianareo tsinona efa ampolo taonany izao no milaza fa tokony harovana ny tontolo hiainana nefa ilay olona asainareo manao izany avelanareo maty noana, sady tsy raharahanareo alors bien fait pour votre gueule satria efa ela no nilaza ny olona hoe raha tsy azo alaina ny ala dia inona no hiainanay? Nefa tsy nasinareo sira mihitsy izany.
8. soanja ( 17/02/2011 03:49)

Mety tsy nanaraka akaiky kosa angamba ianao fa rehefa manao conservation dia misy projet integre foana matetika miaraka aminy ka. misy volets be dia be miara-miasa ao ary ny tanjona tsy maintsy misy sustainable alternative development foana ka.

Ny olana angamba dia tsy hita ao anatin'ny 5 na 10 taona ny fivoarana ara-tsaina sy ny fanabeazana nafafy fa mitaky eo amin'ny 20 taona eo satria izay vao lehibe ireo papozy nomena ilay fahaizana sy nizatra izay nampianarina azy.

Raha iny faritra Ranomafana Ifanadihana iny ohatra dia ahita ianao fa tsy tia manimba ala intsony ny olona satria fantany vokatsoa entin'ny fahatongavan'i Tourists eo an-toerana. Mila zavatra tsapain-tanana ny Malagasy ary rehefa ela dia hitany ny maha-zavadehibe zany ezaka ataony izany.
9. kitjo ( 22/03/2011 22:52)
Somary reraka ny masoko ts maharaka tsara ny resakareo

Fa ny anay ampiasaina ato aloha dia karazana biogaz na dia tsy manara-penitra be aza

Mpanao biriky no nalaina nanamboatra azy, misy specialiste mihitsy zareo, dia miampy ny vy plaque ametrahana vilany sy anaovana cheminee fts
Asa moa ato raha azo ametrahana sary jereko maraina dia apetrako raha mety

Taiim-bakona no tena ampiasanay fa ny fako rht ato an-trano azo dorana rht koa dia alefa ao daholo
Raha ambanivolo dia akofa na tain'omby no tena mateza

Taloha zahay mandany charbon 1 gony isan-kerinandro: 12000Ar fa izao taim-bakona iray gony lehibe 200Ar ampy anay 2andro, ts mampiasa chauffe-eau intsony satria misy rano mafana en permanence ambony fatan
Tsy mandoto vilany, ts mandoto tanAna
Nasiana carreau dia tsara endrika, na atao an-trano aza, tsy misy lavenona na 1sotro aza

Ny vidina biriky, ciment, tole no mason-karena kosa aloha satria nandany 150000Ar teo zahay nanao azy manontolo, mirary carreaux

10. soanja ( 23/03/2011 02:41)
kitjo:

Woawoo Kitjo! Tena amin'ilay ilainay mihitsy izany. Dia efa miomana izany fa hamangy anareo any amin'ny 2012 ny ankizinay.

Manoratra ihany aho rehefa akaiky ny fotoana. Aza manahy fa tsy asiantsika vozongo be taraina tsony. hihihi misaotra nizara.

NB mba andefaso sary aky za fa tonga dia asiako plan ny mety hanaparitahana azy. Aiza io aky ao Tana sa any aminareo ilay any atsimo? Raha raikitra handefa iraka any aho hijery akaiky ny fandehany. Alefaso any amin'ny contact website hope ny sary. bizz njiako.
11. RAR.DAGO ( 23/03/2011 05:21)
soanja:

Ny olana angamba dia tsy hita ao anatin'ny 5 na 10 taona ny fivoarana ara-tsaina sy ny fanabeazana nafafy fa mitaky eo amin'ny 20 taona eo satria izay vao lehibe ireo papozy nomena ilay fahaizana sy nizatra izay nampianarina azy.

Raha ianao izao no alako aminao zao ankehitriny izao ny fidirambolanao dia hoy aho hoe hafaka 5 na 10 taona eo ianao dia ahita ny vokatr'izany fanapahan-kevitra izany. Ataoko fa tsy hanaiky ianao.
Ny ala nangalanareo ny ainareo taloha tsy azo kitihina intsony fa asiana lodge @ million USD maniry etsy sy eroa, dia asaina manasa WC any ianareo mianakavy dia tokony ho faly satria manana asa sy fidiram-bola isambolana. Fanambakana no anaran'izany amiko sy amin'ireo olona rehetra asaina miaro ala.
Izao tsy miteny hoe tsy ilaina ny développement durable satria izaho izao dia anisan'ny tena mankatoa ny fitondratena ekolojika ary ampiariko amiko ilay izy (compostage, chauffe eau solaire, lampe économique, sns) fa ireo mpanao conservation eto amintsika mihitsy no tena fopla. Ny olona gejainy nefa izy mandeha 4x4 V8 sy manao projet de lodge no anto-piainany. Il faut arréter de se foutre de la gueule du monde
12. soanja ( 23/03/2011 22:21)

Tsy haiko izay efa traikefa niainanao momban'ny fiarovana ny zavaboary sy ny ala fa raha ny niainako dia sady tsy hoe tsy mamela ny olona handoro akory fa atoro azy ny fomba tsy handoroany ka hanimba ny rehetra. Fa afaka mandoro sy manao charbon izy raha manara-penitra.
Raha nanala ny olona tsy hanimba ny ala izahay taloha dia nampianarina azy ny fitadiavam-bola eo antoerana ka mahasolo tsara ilay fandripahana ala. Izy ireo aza nahatsapa fa hay misy fomba tsara azahoana vola kokoa fa tsy ny fanimbana lavareny. Fiompiana trondro sy tantely ary zaridaina mahavokatra no natao tamin'izany. Ankoatran'ny asa tanana isankarazany amidy eny amin'ny entree ny parka.

Saingy rehefa dinihina tokoa dia tsy manao ny asany ireo mpiaro ny zavaboary ao Madagasikara fa may ny hahazo vola amin'ny vola alefan'ny vazaha avy any mba hiarovana ny harena voajanahary. Tsy misy dikany aminy izay madinika eo, ireo tantsaha mahantra, fa asa io ka ataony ary ny karama sy ny per diem ary izay vola mety hangalariny eny antsefany no mahamahy azy. Izay no nakako fanapahan-kevitra fa handray an-tanana akaiky izay asa sahaniko aho fa tsy hanantena olona no hamita izany satria efa teo aho no niala ary tsy vaovao amiko ny toetsaina manodidina ny fiarovana ny ala.

Mazotoa e. Ataovy izay hitanao fa mety hanampiana an'i Mada.
13. RAR.DAGO ( 24/03/2011 21:01)
rar.pqc@gmail.com
Tsara raha miresaka mba ahafahana mampandroso ny ady hevitra
14. AndriambyII ( 29/03/2011 11:07)
Raha manao rechaud electrique ohatranay rehefa mandeha mission ? Tsy vahaolana ve izany ?
Energie eolienne tsotsotra no hanaovana ny alimentation , miaraka @ alternateur sy batterie , ary accumulateur de courant , izay tsy dia sarotra ny manao azy raha manana traikefa ! ( Ny ranon'ny batterie dia azo soloina ranom-boasary makirana izay manome courant continue à défaut d' acide sulfirique sy eau distillée ),na mirehitra iray volana aza ny fatana tsy misy fandaniana ala sy matiere mety hahodina ho zezika!
15. soanja ( 03/04/2011 18:30)

AndriambyII:

Dia manentana an'Ise zany hamboly voasarimakirana fa betsaka ny toerana tsy misy an'io.

Raha mbola mila batterie dia mbol sarotra foana. Vao haingana izao ny ToughStuff nametraka reak solaire tany ambainovohitra iray dia vetivety dia simba ilay izy. Raha misy mahalala izay tokony atao dia mba lazao eto fa mila fanampiana momban'ny fitsitsiana ny ala isika nefa tsy hamono ny olombelona mpampiasa azy matetika.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2863