GREVY PORT TOAMASINA: HIHAMAFY RAHA TSY VOAVAHA HAINGANA

1. moustaraf ( 25/09/2010 08:21)
Olana efa tena ela ity mandrehitra afo ao amin'ny Port Toamasina izao. hatramin'ny fotoana nametrahan'ny mpitondra teo aloha ny Orinasa vahiny MICTSL ao @ seranana.
Raha tsorina io dia toy izao:
talohan'ny 2004 dia fizana 2 ihany no nisy tao @ Port: ZONE 1: PORT SEPT, ZONE 2: Chambre de commerce Magasin sous douane.
ZONE 1 PORT: Exploitation du Port (CAPITAINERIE) resaka sambo , sy Manutation (débarquement sy embarquement),
ZONE 2: Chambre de commerce: Fametrahana ireo entana rehetra tonga ka tsy alain'ny tompony mihoatra ny 15 andro
nozaraina 2 ny PORT SEPT: SPAT (autorité potuaire misolotena ny fanjakana sy ny Capitainerie)
ary SMMC (Manutention amin'ireo entana rehetra antsoina hoe CONVENTIONNELLE na tsy anaty Conteneur)
Nomena ilay orinasa vahiny SMMC ary ny (débarquement sy embarquement n'ireo ENtana rehetra anaty conteneur)
Fitrangan'ny Olana:
1/Tsy ampy iveloman'ny SMMC( ex SEPT) akory ireo ASA sisa navela hoa azy (conventionnelle),
SMMC anefa dia mamelona DOCKER 1.260 sy mpiasa raikitra 600/
SMMC dia mahavita tsara ireo asa nomena ny orinasa vahiny
Betsaka ireo asa tokony ho an'ny SMMC no mbola tavela any @ SPAT sy sahanin'ny MICTSL
fehiny: raha io no mitohy dia vita hatreo io orinasampanjakana iray io.
Ny convention ao anatin'ny PORT dia milaza fa raha misy fandraisana ho mpiasa raikitra dia tokony avy amin'ireo docker ireo, Tsy misy anefa izany fa olona hafa mihitsy no alaina.
Ireo mpiasa mba voaray ao dia anaovana rahamatahora isan'andro vaky, ary izay sahy miteny dia licenciement avy hatrany!
Tsy zakan'ny mpiasa ny fanevatevana Gasy ,indrindraindrindra fa ny nanitsahan'ny mpitondra ao ny SAINAMPIRENENA MALAGASY teo imason'ny mpiasa.
2/
Ny Chambre de commerce indray kosa dia INSTITUTION ECONOMIQUE izay voafaritry ny lalàna ny asa ataony sy ny vola izay raisiny!
efa voalaza tetsy ambony fa anjarany ny misahana ireo entana rehetra tonga ao amin'ny seranana mihoatra ny 15 andro.
Fitrangan'ny olana:
Tazomin'ity MICTSL ity tsy hivoaka ny entana na dia efa mihoatra ny 15, ohatra : mbola misy ao aminy ny entana tonga t@ taona 2008 / 200 / 2010, izay andraisany vola "frais de magasinage" avy amin'ny tompon'entana, izay Volam panjakana tokony ho anjaran'ny Chambre de commerce. Raha totaliana dia mahatratra any @ 300 milliards d'Ar io vola nangalarina mivantana io hatramin'ny taona 2004 nahatongavany teto M/car.
Efa nisy ny fanelanelanana maro nataon'ny mpitondra ankehitriny, efa resy izy io teo@ tribonaly, maro ireo instructions sy recommandation nataon'ny mpitondra (PM, Ministra,...) izay nohosihoseny sy ataony tsy misy dikany akory.
Inona ary ny mety ho vahaolana? IZA no afaka manapaka ny Contrat de mise en concession 'io ? SAMIA MAMALY
novalian'i RAR.DAGO ny 29/10/2010 08:49
2. RAR.DAGO ( 29/10/2010 08:49)

Ny convention ao anatin'ny PORT dia milaza fa raha misy fandraisana ho mpiasa raikitra dia tokony avy amin'ireo docker ireo, Tsy misy anefa izany fa olona hafa mihitsy no alaina.
Ireo mpiasa mba voaray ao dia anaovana rahamatahora isan'andro vaky, ary izay sahy miteny dia licenciement avy hatrany!

Sarotra kokoa noho izany ilay resaka fa aza tsotsorina be fotsiny e! Raha mpiasa tsy manao ny asany ohatra ve dia tokony hotazonina foana?
Mba efa nanandrana nampiasa olona maro ve ianao (>100)? Raha vao tsy entitra ny baiko sy ny fitondrana dia eo ianao no raisina indrindra moa fa raha asa mafy toy ny asan'ny doker. Ny olona tsinona mora mivadika @ tenininy dia manendrikendrika ny hafa rehefa tsy metimety ny fiainany.


Tsy zakan'ny mpiasa ny fanevatevana Gasy ,indrindraindrindra fa ny nanitsahan'ny mpitondra ao ny SAINAMPIRENENA MALAGASY teo imason'ny mpiasa.

Habobo ro a io !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5843