mamela ny helokay...
21. niryna
(
01/10/2010 04:09)
Hinagasy:alelouia ,izay indrindra mantsy
Angaha moa ny ataon'ny mpitondra ilay fivavahana no maha ratsy na tsia ilay fivavahana! tsy ireny tsinona ilay hivavahana, mpitarika fotsiny ary olombelona tahaka ny rehetra ihany izy ary mety diso.
Fa ny ahy fotsiny rehefa ratsy dia ratsy e!!! marina hoe tsy ny lafiny itsy ihany no jerena na itsy fa tokony ny maha olona tanteraka azy, kanefa amiko izany ohatra ny toa hanarotsaromana ilay ratsy ataon'ilay olona fotsiny.
Dia ho an'ireo mitsaratsara ny olona (ny kristiana lava ireo ) olo-marina tokoa mantsy nareo an,tsy misy kilema sa ny an'ny olona no itanareo fa ny anareo afenina tsy ho fantatry ny olona?
Atra anefa mahalala .ooops
Izay foana no ilazako an'i fijo ,marary mafy izy raha misy olona ka manao ny tsy mety dia maimbo avokoa ny kristiana rehetra.Mba jereo sy tanisao indray ireny samaritana tsara fanahy ireny ry fijo havako o
22. niryna
(
01/10/2010 04:13)
Miharena:miombokevitra koa aho ary marary mihitsy ry zalahy rehefa misy pasy na mompre na olon'Atra nanao ny tsy mety a .
Ny tena izy dia ny fijerin'ny olona mitsara olon-kafa no mety tsy mahitsy ao anatiny ao satria mihevitra izy fa tokony ho izao sy izao no ataon-dRanona nefa toa lasa izatsy no nataony, fa tsy hitany ny hoe inona no antony nanaovany izany? Izay ilay hoe jerena tsara ny fotony tsy hanendrikendrehana (indrindra moa ity atao safo bemantsina ity hoe rehefa izao no ataon'ny mpitarika dia izany daholo izany ny sain'ny tarihina!).
Avereno foana hoy aho ny fanontaniana ,mitondra ahy ho aiza ny fitanisako ny fahotana nataon'ny olona? manondro fanondro olona iray hianao fa ny ratsan-tananao telo manondro anao ny tenenao ary ny iray miandrandra ny lanitra ooops
24. cyril
(
05/10/2010 20:53)
Raha izao resak'i nyrina izao marina aloha dia minoa fotsiny dia aza misy miteniteny ny hafa aza ary , izany ve tsy fanapena-maso fotsiny izao hon hon hon
25. Miharena
(
06/10/2010 05:11)
Fijo:
minoa fotsiny ihany izany de vita
Ny finoana dia tsy hita maso nefa ahafahana manova firindran-javatra iray. Ny mpino dia manana tanjona handeha anaty fahazavana satria io fahazavana io no iasany. Ny antony anaovany izany dia satria ireo tsy firindrana rehetra eo amin'ny fomba fiainana dia mila fanadiovana. Natao ota ny olona ahafahany mahalala fa tsy tsara izany ka tokony hiasa izy hanadio azy izy tsirairay avy. Ny fahitana ny tsy firindrana no ahafahana mametraka firindrana.
Ka raha miteny ianao hoe minoa fotsiny ihany dia marina izany. Matoa tsy miteny ny olona iray eo anatrehan'ny zava-tsy mety iray dia hafa izay ny fomba hitany hanovana izany.
Io resak'i Niryna tsy tokony hanondro olona io no tokony ho raisin'ny olona tsirairay satria matoa misy tsy milamina ny manodidina dia isika aloha no mila mahatsiaro tena hoe ny fomba fijerintsika ve no mivilana mikasika toetran'olona iray sa ahoana?
Mitovy amin'ny dokotera ny tsirairay raha ny tokony ho izy. Tsy milaza amin'ny marary izy hoe nahoana ianao no nanao izatsy dia voan'io aretina io fa miteny fotsiny hoe izao no anton'ny aretinao dia ity ny fanafody.
Fehiny: Ny mpanasitrana marina dia tsy manome tsiny
26. fijo
(
06/10/2010 21:44)
dia ampiaro ary le finoan afotsiny ,fa avelao izahay hieritreritra aloha .
