Tononkiran'i Solomona

21. Miharena ( 01/10/2010 12:35)

Izaho anie tsy manome andrika ratsy ilay EROS e. Ny tiako lazaina fotsiny hoe fitiavana ivelany be mihitsy ilay ambara ao izany hoe izay tazan'i solomona ety ivelany rehetra ihany no tena ambarany amin'ny tononkalo sy metaphore sns.


Arak'io resakao hoe métaphore io no azo handraisana ny tononkiran'i Solomona, ary tsy dia zavatra marivo (ivelany araka ny fihevitrao) izy io fa lalina be mihitsy, satria mitory fitiavana lalina eo amin'ny fitsenana ny malala.
Ilay resaka ataon'i Vonynive no manakaiky ny marina ary rehefa manao resaka fakamparam-bady ao amin'ny Baiboly dia resaka fiafaran'ny tantara izay: Toy ny hoe fakamparambadin'ny zanak'ondry sy ny nasaina. Mbola hevi-dalina mipololotra avy ao anatintsika tsirairay io resaka fampakaram-bady io fa mbola mety handalina kokoa ny amin'izany isika raha tian'i Infiny.


22. niryna ( 07/10/2010 05:03)

ouioui:

Tenin'Antra leissy fa tsisy hoe arakaraka izany sa tsy ny fanontaniana indray no valiana fa te hitantara hoe zah nanao teolojia fa tsy nahatody [IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Rires/00100.gif[/IMG]
oadray kosa izany ouioui ,niaraka nianatra taminy angaha hianao ka tsy nahatody ? voatoraky ny voadabia eto aho. Hoy foana aho ,rehefa tsy manana zavatra tsara lazaina dia aleo mihaino sy mamaky ny forum fotsiny toy izay miteniteny foana -sa mivazivazy oui ?
avereno aty amiko ny teniko raha tsy marina izany
23. niryna ( 07/10/2010 05:37)

infiny:

niryna:

ilay fanontanianao miteny hoe tena anisan'ny boky nosoratana tao anatin'ny baiboly ve io dia toa hafahafa satria hianao ihany no miteny hoe nitady sorata Atra tao hianao ,sa tany anatin'ny boky hafa no nahitanao an'io?
mino aho fa tao anatin'ilay baiboly noho izany dia voasoratra ao anatin'ny baiboly izany io ok
mazava ve?

Raha efa namaky baiboly katolika ianao dia tokony nahatsikaritra fa misy boky ao anatiny tsy ao amin'ny baiboly karazany hafa (ohatra Baruch, tena tsy tadidiko ny dikany amin'ny teny malagasy fa miangavy izay mahay mba hilaza). Ny tsy mazava amiKO aloha dia hoe noesorina tao ve ireny rehefa nanonta baiboly vaovao fa nampidirina tao dia avy eo neosorina.

Azonao angamba hoe fa maninona io boky nosoratan'i solomona io no tsy mazava amiko.
dia tsy aiko indray aloha izay

niryna:

araka ny fahalalako azy sy ny henoko koa aloha dia tsy mahita teny hoe Jehovah ao isika toy izany koa ny an'i Esther .Ireo roa ireo tsy misy resaka Jehovah .

Misaotra indrindra fa izao koa aho vao nahalala ny momba an'i Esther io. Handinika kely io koa za rehefa manam-potoana :).

niryna:

eny anisany iray koa izay,resaka fitiavana,fifanajan'ny mpivady fa tsy io irery ihany kosa aloha fa anisany io

Tsy haiko hoe anisany akory aza ve ny fifanajan'ny mpivady. Ny fahafantarako azy aza i Solomona no nanambady betsaka indrindra tamin'ireo mpanjaka mainka moa fa izy indray no mbola nanoratra boky tahaka io :).
[/quote]eny e,fohy ilay boky kanefa mifono zavatra lalina,ny resaka hoe ho avy ny mpampankatra sy ny ampakarina( the Bride and the bridegroom)
1- ny ampakarina sy ny mpampakatra
ny fanontaniana ataon'ilay tiaviny
ny torohevitry ny namany

2- Ireo mpifankatia nifankahitra ihany
3- ny fanomanana ny fanambadiana
4- ny tahotr'ilay mpampiakatra sao ho lasa ilay ampakarina
5- ny hatsaran'ilay ampakarina
6-ny hatsaran'ny fitiavana

ireo rehetra ireo dia afaka ho tohizana amin'ny TV ny fihavian'ilay kristy izay hiandrasan'ny fiangonana
Ny fanambadiana dia misy hasiny ary (Heb 13:4) ,manaja ny fanambadiana ny kristiana ary manome hajany sy hasin'izany ihany koa
Maro koa anefa ny mpanoratra izay mampitahy io tononkira io amin'Atra sy ny Israely .
Kristy izay maharitra sy manana faharetana amin'ny olona (toy ny mpampiakatra sy ny ampakarina) ,ilay efa nolazain'ny namana eo ambony - Ny fitiavan'i kristy ny fiangonana ( 2 Kor 11:2)-(Efe 5:22-33)
Io boky io dia vakian'iny Jiosy isan-taona rehefa mankalaza ny passover izy na ny tantara izay nandringanan'Atra ireo izay tsy Jiosy( ilay nasiana ra ny varavarana ka nandika ny varavarana misy ra ny anjely )

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1393