hoan'ilay akamasoa

1. fijo ( 21/09/2010 18:27)
Tsy omena vola, tapahina ny fiaraha-miasa sy ny fifandraisana ara-toekarena. Amin’izao fotoana izao dia misy ny fivoriam-ben’ny firenena mikambana handraisan’ny filoha mpitondra fanjakana maneran-tany miisa ho 150, fa isika tsy mba tonga any fa voafefy eto, bedesin-dava eto…kanefa dia dinika mahakasika ny fahantrana no atao any. Dia io isika fa hamerina indray ny fitsinjaram-pahefana napetraky ny mpanjana-tany. Nasehontsika fa ny fizaram-paritry ny faritany enina no mety amintsika. F’angaha nisy fandrosoana indray tamin’ny tarazo napetraky ny vahiny? Tsy hitomany intsony ny taniko fa higogogogo tsy ho laitra hampanginina, tsy handohalika intsony fa efa voahitsaka hatrany an-tampon’ny lohany. Hampiainina mandritra ilay repoblika vaovao indray ny lalampanorenana sady tsy Gasy no tsy vazaha. Isika dia ho fanandramana izay zavatra tsy misy vidiny rehetra io. «Mixte», hono, io lalampanorenana ho laniana amin’ny fitsapan-kevibahoaka io. Sady tsy lahy io izany no tsy vavy, tsy tokam-bolo fa metisy? Dia hino ve isika fa hilamina amin’izany filoham-pirenena sy ny antenimieram-pirenena hifandriro-pahefana izany? Filoha voafidy mazava sy Ben’ny tanàna nivonon-ko tompony aza tsy hitantsika ny famahana azy mandrak’ity ny anio. Verivery foana ny tolon’ireo tsy nanaiky ny fahefam-bazaha sy ny teti-dratsiny teto. Fa velona indray izao ny zaza navelan’ny vahiny mpankato sy mpanao «oui, oui». Tsy fankahalana vahiny tsy akory no maha-Gasy ny Gasy, fa ny hambony mahatsiaro ho tompon’ny taniny sy ny hevitra tiany hitondràna ny taniny. Raha mbola mangatak’atiny hatrany io Gasy io dia mbola hitomany mafy hatrany ny taniko. Handohalika hatrany ny mponina ao aminy. Aza misy anie izany e! Ony RAMBELO
novalian'i ngaila ny 23/09/2010 11:05
2. fijo ( 21/09/2010 18:27)
" Fa velona indray izao ny zaza navelan’ny vahiny mpankato sy mpanao «oui, oui».
hay elahy efa malaza mivoaka gazety mihitsy an.milay ka
3. andrywui ( 21/09/2010 18:56)
salut fijo !...

aiza ndray izy zany zokibe a??... tsy misy hino an'io hoe nosoratan'i ony rambelo io texte io razokibe a! ny antony dia izao : i Ony rambelo ary efa niala tsy mpanao gazety tsony fa nanokatra restaurant eo maibahoaka Ivato kou iza ndray ity Ony Rambelo nalefan'i zokibe ty ??? hon hon hon mitady hivaro-jandry an ??...
4. rijadolly ( 21/09/2010 19:00)
29 March

Mbola maizina ny tany, nangidy aza raha ambara
Niaina anaty fijaliana ny mponina eto Gasikara.
Niforitra tsy sahy nitraka ny vahoaka anaty sento,
Nanampatra ny habibiany 'reo mpanjanan-tany teto,
Nanitsakitsaka ny zo naha olona ny olona
Nanosihosy lozan-tany ny fiavotana sy tolona.
Nogadraina ireo mpitarika, notifirina ny sasany,
Novonoina koa ny hafa, nofatorana ny asany.

Nisy anefa sahy nijoro, najininikany ny rany.
Nolevoniny ny tenany fantany ny hiafarany
Fantany izay ho tohiny any ambadika any ho any,
Fantany izay ho vokany, fa ny ra mamonto tany
Dia ho zezika hanafaka ny tanindrazana mijaly
Ka ho hery izay nanavotra ny fiforetana omaly
Sy ho aina izay hamelona ny efa resy mitambolona
Ary hanala koa ny zioga mianjady amin'ny olona.

Fa tsy very maina izany, misy akony sy hasina
Misy lanjany tokoa ny tanindrazana fa masina
Tsy navelan'ny tontolo mba hijanona amin'izao
Tsy neken'ny rehetra ny hijalijaly tao ...
Ary ireny ankehitriny no mibitsika ao am-po
Sy manaitra indray ny saina hatsiahy ny taloha,
Ka hiondrika amin-kaja 'reo rehetra Maritiora
'Zay namoy ny aina aza, satria izany anie tsy mora

Ro Andriamaneva

28 Marsa 1973
5. rijadolly ( 21/09/2010 19:10)
http://haisoratra.blogspot.com/2009/03/boboka-aho-ry-tanindrazako.html
6. hery ( 21/09/2010 21:37)
Ny zavatra soratany jerena ra andrywui fa tsy ny mpanoratra a.

Tsy hino ahoana?

- Tsy mivory any amin'ny ONU ny gasy satria mbola tsy tafiditra ao... kanefa resaka momba ny fahantrana sy ny fitadiavana vahaolana no atao any. => Tsy hino? Iza ny gasy voaasa any?

- Vokatry ny conférence nationale natao teny Ivato dia hapetraka indray hono ny fitsinjaram-pahefana (mitovy t@ andron-dRatsiraka sy ny andron'ny vazaha izany) => Tsy hino? Nareo ihany no nivory tao

- Mixte hono ny constitution hoy ihany ny conférence nationale. Regime semi-presidentiel sy semi-parlementaire. Aiza koa no hisy an'izany? Te hifidy ny lohany nefa matahotra ny masony. Te hiala amin'ny régime presidentiel satria manohitra ny nataon-dRavalo kanefa matahotra ny régime parlémentaire satria sao dia empeché tahaka an'i Zafy.

- Ny resaka "oui oui" moa dia efa hita eto amin'ny serasera.

Koa inona no olana amin'i Ony Rambelo amin'izany? Na nanangana hotely izy na nanangana vary mitsangana?
7. Miharena ( 22/09/2010 06:02)
Voalaza tamin'ny vaovao fa voaasa ny Gasy ary hanendry solontena fa ny filoha niantefan'ny fanasana dia tsy afaka.
8. hery ( 22/09/2010 07:11)
Fay an'ilay tamin'ny herintaona... nasaina nefa tsy navela hiteny
9. cyril ( 22/09/2010 08:56)
ka i Ony Rambelo anie hoa ra-hery efa tsy mpanao gazety tsony efa ela fa nanao restaurant be izy amizao ka source taiza ndray aza no nahitan'i zokibe fijo an'io?? hon hon hon ...

--- hery a ! ..===) tena nofatsihan'i mirana ah rangah ty omaly a...hin hin hin tena fay mihitsy ah omaly zay kleee!! naankiny tamin'ny rindrina ah alou vao nodonafany avy ao aoriana amizay le.... baraka zany , baraka zany !!!!!
10. ngaila ( 22/09/2010 13:45)
Fa iza ilay akamasoa
11. fijo ( 22/09/2010 19:01)
aza mino fa mamakia fotsiny fa ef amalaza be ra wiwi an.
12. ndotofetsy ( 22/09/2010 21:18)
mande be zao ny varotra ilay zavatra hon hon hon

maka tanavany de fananambe fa ra wiwi very
13. ngaila ( 23/09/2010 11:05)
hon hon hon ndotofetsy kou eh
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1182