Mahagaga

1. rebeccaF ( 21/09/2010 13:32)
Miarahaba ny rehetra!

Zava-misy nahavarina ahy ireto mba holazaiko anareo ireto.

nanao vakansy tany Madagascar aho tamin'ny volana jolay sy aogostra teo, ary nandalo tany Espagne nialohany niverenako aty amin'ny tany misy ahy.
Tany Madagascar dia nitaraina tamiko ilay cousine-ko iray izay satria efa ho 4 taona izao dia mbola tsy nahavita memoire ihany izy, nefa tokony ho vita tao anatin'ny telo taona izany farafaharatsiny. Be moa ny antony tsy nahavitany azy... Te hanampy azy aho nefa tsy hitako izay natao. Tamin'izay fotoana izay no nisy olona nanoro hevitra azy, hiresaka amin'i... satria io olona io dia afaka mamita soa aman-tsara an'io memoire-ny io. Omena 2million fotsiny hoe dia milamina ny resaka. Izy no manao ny asa rehetra, ary vitany amin'ny fotoana ilaina azy... Fomba fitadiavam-bola hafa kely indray zany wa!... tena gaga aho...

Tonga tany Espagne aho dia notantaraiko tamin'ny namako tany ilay izy. Tsy tokony hahagaga anao izany hoy izy, fa avia jereo ity "site" ity (nisy site izay nasehony ahy)... Teo dia tena vao maika aho gaga satria azo atao tsara ny maka (na mividy) doctorat amin'ny université américaine (ze tiana), ary miaraka amin'ny mention izay tiana koa. Ao anatin'ny iray volona raha ela indrindra io, hoy izy, dia efa voarainao ny taratasy rehetra. De nivanaka fotsiny aho...
novalian'i soanja ny 22/09/2010 10:36
2. soanja ( 22/09/2010 10:36)
Inona moa no tsy azo vidiana amin'izao fotoana fa saingy tandremo fa betsaka ny sandoka. Tsy mbola naheno aloha aho hoe izay doctorat tianao dia azonao vidiana aty. Raha izay angamba dia samy nahazo avy ny maro tanora rehetra.
Ny zava-dehibe dia ilay zavatra mivaingana antsoina hoe fahaizana mijanona ao anaty atidohantsika satria no tena entina miasa manantanteraka ny atao, fa ny ankoatr'izay dia azoko lazaina fa izay manahirana dia hisy hanolotra anao raha manambola ianao. Tandremo anefa voafitaka.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0784