Misaotra ny Tompo aho! bevoka ihany enfin!

1. roxanaha ( 21/09/2010 09:02)
salama daholo!

Herintaona mahery zay, nanokatra forum za, tsy tadidiko tsony na tao @ rubrique "fahasalamana" na tato ihany hoe" vehivavy tsy mety bevoka"(pseudo roxanaha).
Ankehitriny bevoka soa amantsara aho, vao 3 semaines fa ny dokotera omaly niteny hoe @ écho manaraka dia efa heno ny fo keliny. Faly be tokoa ka dia zaraiko @nareo ny hafaliko.

Mirary soa
novalian'i herim ny 21/10/2010 12:25
2. hery ( 21/09/2010 09:05)
Arahabaina izany.

Izay ilay hoe aza kivikivy fa tsy maintsy ho tonga foana ny anjara e.

Dia mitandrema tena tsara, araho izay lazain'ny dokotera...
3. hana ( 21/09/2010 09:47)
Arahabaina izany Roxanaha!
Tena faly aho izaranao izao vaovao mahafinaritra izao satria koa aho mba anisan'ny nanoro hevitra sy nitondra am-bavaka anao t@ iny dinika iny. Tena tsapako mihitsy ny hafalianao satria izaho efa @-taona nitady zaza vao nahazo koa.
Mitandrema tena tsara fa harena be tsy hay vidiana ny zanaka. Raha mahatsiaro ho reradreraka aza misalasala maka aina, mitsotsotra.
Entintsika am-bavaka apetraka @ Tompo ny zavatra rehetra
Vitantsika io e! ;-)
4. maeva74 ( 21/09/2010 11:15)
Faly miarahaba an'i Roxannah izany izahay. Dia tongava soa ny zazakely
5. Lejoba ( 21/09/2010 13:52)
arahabaina fa nahafaty baolina !!!!!!
6. ombre66 ( 21/09/2010 16:05)
salut!
arabaina zany!za ko efa ela n te anana zaza de ef nanana za zao vavy kely faly be ko ah !
roxanaha:

salama daholo!

Herintaona mahery zay, nanokatra forum za, tsy tadidiko tsony na tao @ rubrique "fahasalamana" na tato ihany hoe" vehivavy tsy mety bevoka"(pseudo roxanaha).
Ankehitriny bevoka soa amantsara aho, vao 3 semaines fa ny dokotera omaly niteny hoe @ écho manaraka dia efa heno ny fo keliny. Faly be tokoa ka dia zaraiko @nareo ny hafaliko.

Mirary soa
7. roxanaha ( 21/09/2010 18:37)


Misaotra betsaka indrindra ô! Adino daholo ny fijaliana rehetra t@ traitement, ny ranomaso latsaka rehefa tonga ny red.

Misaotra manokana an'i Hana fa tsaroako mitsy ianao lay nanao témoignage t@ zany. misaotra nivavaka ho ahy!
8. ngaila ( 22/09/2010 14:00)
Arabaina zany dia tongava soa na rakalakely na boaikely
9. cyril ( 27/09/2010 17:04)
ngaila = 'lay adva-ko vao haingana

--mpetraha tsara ndry sao petsa vao malaky mipapapapa makatsy, makaroa otran'ny alika maty anabavy !!! zay fotsiny ......

tonga de mitady osekoro eran'ny tanana malaky eo ndry raha vao mbola manohy mitapitapy eo iany !... hon hon hon kobo be !!!

-- Ny nahafantarako azy ?? - ny ora hanoratandry no nahalalako azy fa indry le izy ! ... fa rehefa "mipoitra i ngaila de mipoitra koa ilay raikavavy" afaka segondra vitsivitsy !!-- zay foana, foana .... hin hin hin

sa hanao-boxe?
10. fahamarinana ( 30/09/2010 18:19)
Roxanaha : Faly mahare ny vaovaio , tongavasoa ny vahiny kely ! Tsaroako ihany koa iny dinika iny ! Mirary soa o ! :)
11. roxanaha ( 01/10/2010 19:08)

fahamarinana>>>tadidiko mihitsy ianao miditra matetika tao @ iny dinika iny! misaotra indrindra!
12. ni81 ( 02/10/2010 16:27)
Dia arahabaina izany ianao roxanaha a! Rehefa mahasoa tsy maintsy tonga aminao araka izay tadiavinao e!
13. roxanaha ( 03/10/2010 18:21)

Merci Ni81, ny malaise isakarazany ato manao zay ho afany fa tsy maninona, ça fait partie du bonheur
14. sipagasy ( 09/10/2010 16:56)
arahabaina izany akia ann, ary dia manaova mora rehefa ho avy ilay fotoana e!
15. herim ( 21/10/2010 12:25)
tna tsapako mints ny fahasambaranao! mahatsiaro anà t@ bevoka ko zany, arabaina e! tandremo ihany anefa ny émotion b lôtra sô d miakatra eo ny tension an, ts tsara oan'ny ol mitondra vohoka mantsy iny zavatra iray iny,
tsy d misy malaise lôtra? maztoa d mivavaha fôna an za ivavaka ho anao mba ho tonga soa aman-tsara eo am-pelatananao izy!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1937