ny fisoratam panambadiana!!

1. lunahdemada ( 21/09/2010 08:03)
aiza ho aiza ny tena heriny fa toa tsy mba hasian ny sasany dikany akory izany!!! toa hoe tsy mahazo anjara amzay fanana niarahan izy mivady nihary akory hono fa dia ny mpandova no manjaka indrindra moa fa ireo hafa reny ka natsangana!! toa manao tsinotsinona ny herim pon izy ireo fa faly hamantam bonona fotsiny!! dia inona izany no dikan ilay fisoratana raha iala maina ramatoa? azo atao ve ny fizaram pananana raha mbola eo izy! tsy mis anjara ho azy izany?
2. Lejoba ( 21/09/2010 13:51)
tsy ahazoana anjara lova ny fisoratam-panambadiana. Izay no mahatonga ny olona betsaka rehefa mihary dia atao @ anaran-dramatoa na ny ankizy ny fananana azo : fiara, trano ets.
Misy mpandova tena gaigy mihitsy indraindray satria maty toy io ny rainy na ny reniny, zarain-dry zareo ny fananana dia asainy mandeha ilay nahitany masoandro sisa velona eo.
Miankina @ fahendren'ny ankizy ny momba an'ilay vady fa dia betsaka koa ny fianakaviana malagasy no miady lova, miafara any @ fitsarana
3. ssendra ( 21/09/2010 17:44)
TSY Mahagaga aloha raha miseho any madà izany rehetra izany, tany otran'ny tsy misy lalàna rehetra ihany any, ka zày mahatondratondraka vola ho an'ny avocat ihany no mandresy e!
raha aty ivelany dia misy lalàna tsy azo angalarana mihintsy na ny ariary aza...
Raha ny tokony ho izy dia ny vady niaraka niary taminy no mandova, nisy cas vao haingana hitako mantsy , ity tranga iray ity dia efa antomotra ny fisarahana izy mivady no tratran'ny accident lay rangahy dia maty, na dia efa samy niaraka tam olona aza lay rangahy dia tsy nahazo n'inon'inona tam anjara lova , fa ilay ramatoa tompombady no nandova ny rehetra, eny na ny vola tahiry tany am banque aza....
4. mirananirina ( 24/09/2010 09:55)
Na vita soratra aradalana aza izy mivady,ka tsy nosoratany tamin'ilay vady ny fananana na @ izy 2...dia very maina daholo izany ka ny ankizy no mandova ny fananana,raha ohatra ka mbola tsy ampy taona moa ny ankizy dia raisin'i ramatoa ny harena mandrapaha ampy taona ny ankizy.
Raha ohatra indray ka mividy trano ry zareo ohatra ka misoratra @ izy 2(mivady izany)dia raha maty ilay 1 dia an'ilay 1 ny trano..mazava hoazy moa fa raha misy zaza any ivelany trano misoratra ara-dalana dia mahazo ny anjarany koa izy ireo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3095