vady vita soratra!

1. lunahdemada ( 21/09/2010 07:54)
aona kay ny hevitrareo am vady vita soratra? maty ny dadako 6 taona lasa izay! manan janaka hafa reny aminay izy ary mpandova ara dalana, mitaky io anjarany io iz ankehitriny ary tsy nanda izahay fa ny tena mampalahelo dia ts manana anjara hono ny mamako fa izay voasoratra ao anaty acte de notorité ihany!! dia ahoana izany le hoe vady legitime, nihary fotsiny zany? nanao ilay hoe kitay telo andalana zareo fa toa hoe raha misara belona vao manankery io! marna tokoa ve izany??? inona no fahefana azon io mamako io atao? dia ahoana ny fandehan ny fizarana? MISAOTRA AM VALINY
novalian'i bazylou ny 12/12/2010 19:07
2. hana ( 21/09/2010 09:56)
miarahaba sy mankahery anao anoloan'izao rehetra izao.
Marina daholo ny informations azonao.
1- ny fizaram-pananana fidian'ny mpivady eo am-pisoratana dia tsy manan-kery raha tsy @ fotoana tokana : raha sanatria misara-belona.
2- ny lalàna malagasy, dia tsy mandova ny vady. Raha manao didim-pananana validé ny maty, dia izay voasoratra ao ihany no manan-kery. Na sanatria aza olona tsy hitan'ny mason'iza n'iza mihitsy no omeny azy dia masi-mandidy @ fananany ny olona. Raha tsy nanao didim-pananana kosa izy, dia misy hiérarchie hoe : ny zanaka no mandova, raha tsy misy zanaka dia ny zafikely, raha tsy misy dia ny RAR, raha tsy misy dia ny iray tampo ets. Raha tsy misy daholo ireo tetiharana ireo, dia olona faha-8 vao ny vady.
Raha toa mandova ianareo zanaka, dia anjaranareo no mitsinjo ny mamanareo.
Raha tsy izany, dia ny manao raharaham-pihavanana @ ilay zanaka anelakelan-trano hany sisa vahaolana, raha manaiky izy.
Raha tapa-kevitra @ resaka tribonaly ianareo, dia tantara be satria mila porofoina hoe misy volan'ny mamanao koa nividianana ireo fananana ireo, ka noho izany manana anjara @ izany izy.
Raha sanatria moa tsy niasa ny mamanao fa nitantana izay niditra tao an-trano, dia sarotra be ho azy ny miady. Indrindra raha any Madagasikara no misy anareo
Mahereza dia mirary fiononana
3. lunahdemada ( 21/09/2010 11:26)
misaotra anao namaly! le hoe mandoVa fananam bady angamba tsy possibl satria fananany ve moa ho lovainy, fa ny zanaka zany ve aloha vao ny vady? DIA TSY MIS DIKANY ZANY NY SORATRA? dia raha hanao ny fizarana izahay dia ho aiza zany i mamanay? niala maina toy ny kitay? izahay hitsinjo azy satria reny nahitana masoandro izy, fa raha azoko tsara zany ny mpandova no masi mandindy am fananan drainy? ny reny zany tsis sira mits? OTRANY MAMPALAHELO IANY AN! misaotra tam fampiononana, saingy tsy hionona amzao kosa angamba,
4. ngaila ( 22/09/2010 14:05)
fa nahoana kosa aza ilay fanana no tsy nosoratana t@ izy mivady,fa raha dadanareo irery aloha dia ny zanaka no mandova avy hatrany raha efa ampy taona daholo.Fa raha nisy harena nisoratra t@izy mivady dia manana anjara koa ny vady ary azy sy ny zanany daholo aza ny fananana.
5. soanja ( 22/09/2010 16:37)

lunahdemada:

aona kay ny hevitrareo am vady vita soratra? maty ny dadako 6 taona lasa izay! manan janaka hafa reny aminay izy ary mpandova ara dalana, mitaky io anjarany io iz ankehitriny ary tsy nanda izahay fa ny tena mampalahelo dia ts manana anjara hono ny mamako fa izay voasoratra ao anaty acte de notorité ihany!! dia ahoana izany le hoe vady legitime, nihary fotsiny zany? nanao ilay hoe kitay telo andalana zareo fa toa hoe raha misara belona vao manankery io! marna tokoa ve izany??? inona no fahefana azon io mamako io atao? dia ahoana ny fandehan ny fizarana? MISAOTRA AM VALINY


Ny lalana manan-kery dia sarotra ny tsy hanaraka azy eny fa na dia hita fa tsy rariny aza. Izay no isany tokony hidiran'ny rehetra hanao politika mba hanova ny zavamisy tsy rariny eo amin'ny fiainana ary ny daholo be no miara vonona ny hanova izany. Misy lalana arahina vao mety ho tody amin'izany.

Ny vehivavy hatramin'izay dia notsinotsinoavina tokoa raha io resaka fanana io.

Ny hany fanafodiny hitako dia ianareo zanaky ny reninareo no manome izay mba anjarany- ilay reny- ho azy raha tsy mba nanome izany anjara-masoandro izany ny fiarahamonina na ny lalana. Tsy mbola tara izany fa raha manana lova ianareo dia omeo izy satria izy izany no tena hitanareo fa nisasatra niaraka tamin'ny dadanareo.

Ankoatr'izay dia ny miady ny hanova lalana ho an'ny afara na mampilaza sy manabe ny hafa ny momban'ny hoe Fanambadiana.
6. bazylou ( 12/12/2010 19:07)

ela be izany ady lazainao izany ry soanja a,

Tribonaly no haingana nefa dia hifandrirotra lova ve ianareo mpianakavy??

Tsy aleo tonga dia zaraina dia samy vita.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2821