section Fimpima France
1. tahtah
(
20/09/2010 15:52)
hoan'izay liana mba te hianatra kabary nefa mipetraka aty ampita (région parisienne), misy section Fimpima France ve azafady ? Misaotra an-tsika
2. fimpimafr
(
16/10/2011 08:17)
Miarahaba tompoko. Miala tsiny indrindra raha izao vao mamaly fa tsy nijery serasera elaela izay. Misy tokoa ny FI.MPI.MA. Sampana Frantsa izay mampianatra kabary sy fombam-pitenenana malagasy .
Ny fampianarana dia atao ao amin'ny Foyer Universitaire Malagache 1, avenue Léon Eyrolles 94 230 Cachan ny talata hariva amin'ny 7 ora sy sasany ka hatramin'ny 9 ora. Tsy mbola tara akory ho an'izay mazoto hianatra.
Raha misy maromaro koa no tsy afaka raha tsy asabotsy kanefa mazoto hianatra ny asabotsy tolak-andro, dia azo jerena izay fomba hanatanterahana azy.
Aza misalasala miantso ny Filohan'ny FI.MPI.MA. Sampana Frantsa Ramandraivonona Dera 06 09 04 40 67 na ny Filoha mpanampy Rakotomavo Tafika 06 72 01 84 10 na manoratra amin'ny FI.MPI.MA. Sampana Frantsa fimpima_frantsa@gmail.com
Mirary soa
Ramandraivonona Dera
Filohan'ny FI.MPI.MA. Sampana Frantsa
©
Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 -
2024 - page load 0.2597