hotely tsara sy mahafinaritra ny manodidina

1. soanja ( 20/09/2010 09:44)
Saika mba hanontany azafady izay mba hotely na toerana fandraisam-bahiny tsara sy milamina ny manodidina ao Antsiranana sy Nosy Be ary Sambava. Toerana manana wifi na afaka manao internet aho na tsy lavitra azy. Tiako raha tsy lavitra ny toerana fisakafoana isan-karazany vita dia tongotra. Ny ao Nosy Be indray dia manamorina ny ranomasina avy hatrany tsy voatery hisy internet. Toeram-pisakafoana koa raha misy mahalala. Sakafo malagasy tsotra na sakafo karana.
Misaotra indrindra mialoha.
répondu par soanja le 13/11/2010 19:30
2. sylvain ( 20/09/2010 19:04)
ity misy reportage hitako zay mampahafantatra any lé hotel la note bleue, tsara sy mahafinaritra raha ny fahitako azy, za aloha mbola tsy tany fa d mbola ho any ihany jereo hatr@ farany ny reportage,
http://www.travelistic.com/video/show/12045/Hotel-La-Note-Bleue,-Diego-Suarez,-Madagascar
3. soanja ( 21/09/2010 13:59)

sylvain:

ity misy reportage hitako zay mampahafantatra any lé hotel la note bleue, tsara sy mahafinaritra raha ny fahitako azy, za aloha mbola tsy tany fa d mbola ho any ihany jereo hatr@ farany ny reportage,
http://www.travelistic.com/video/show/12045/Hotel-La-Note-Bleue,-Diego-Suarez,-Madagascar



Misaotra indrindra Sylvain fa saingy raha ny fandinihako an'io toerana io dia any amin'ny lalana mankany Ramena na eo amin'ny faritra Nosy Lonjo ka io dia somary mivoaka ny tanana. Ny toerana tiako dia tsy dia mila zavatra betsaka resaka vacances sy recreation satria hiasa no aleha saingy tiako raha madio sy mangingina ary somary manome " cozy feeling" azafady tsy haiko ny mandika an'io amin'ny teny gasy asa ve hoe " mitondra hafanana"?

Fa dia mahafinaritra ilay doc sady tena namelombelona indray ny fahafahako miaina an'ilay tanana nahabe.

Mankalaza tompoko!
4. ngaila ( 22/09/2010 13:57)
hande anao vacances zany soanja
5. soanja ( 22/09/2010 16:40)

ngaila:

hande anao vacances zany soanja


Hiasa aho fa tsy vacances ka. Any Nosy Be vao mba vacances kely 2 andro.

Ary tsy naheno ny any SAVA mihitsy aho an. Tsy misy namana avy any Sambava ary ve eto. :(
6. sipagasy ( 10/10/2010 17:15)
efa lasa angaha i Soanja izay e?
7. soanja ( 13/11/2010 19:30)
sipagasy:

efa lasa angaha i Soanja izay e?


Manao akory Sipagasy o.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0925