Passport biometrika

1. nani ( 17/09/2010 20:58)
Manahoana daholo !!!!!

Saika mba hanontany kely , ho an izay mahalala anie azafady hoe mety hafiriana ny vita ny passport biometrika ao Paris. Marihako fa ho an zanako ilay izy , zaho efa manana tamin zahay tany mada .Sa ve mbola afaka atao ao anaty passsport ko ilay zaza ! Mba ampio re fa handeha hi -Voyage .
M;isaotra mialoha .
répondu par rafahafahana le 13/10/2010 12:52
2. Ralay ( 19/09/2010 06:50)

Manahoana daholo !!!!!

Saika mba hanontany kely , ho an izay mahalala anie azafady hoe mety hafiriana ny vita ny passport biometrika ao Paris. Marihako fa ho an zanako ilay izy , zaho efa manana tamin zahay tany mada .Sa ve mbola afaka atao ao anaty passsport ko ilay zaza ! Mba ampio re fa handeha hi -Voyage .
M;isaotra mialoha .


Tsy mety intsony raha efa paseport biometrika ny anananao fa tsy maintsy manamboatra manokana ho an'ny zanakao ianao. Passeport iray isan'olona na zazakely aza.
3. Lejoba ( 20/09/2010 15:16)
t@ herintaona aloha, Miantso maka rendez-vous, mety ho afaka 1 na 2 volana ny rendez-vous manaraka satria toa ny hariva ihany no manao dossier passeport ry zareo, avy eo dia 1 volana vao vita satria mbola alefany any Madagasikara hono, isaky ny zoma no misy valise mandeha, dia afaka 3 semaines eo miverina avy any, avy eo izy miantso.

Tena lany fotoana be mihitsy t@ izany nefa nandoa 70€, asa raha nisy fihatsarana.
4. ngaila ( 22/09/2010 13:59)
fa passeport vaza sa passeport gasy
5. rafahafahana ( 13/10/2010 12:52)
4 à 5 semaines vao vita ny pasport biometrika.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3931