Malagasy en ôtage (Niger) t@ 15/09/10

1. Tanjaka ( 16/09/2010 14:17)
Mba manan-kevitra ny hanavotana azy ve ny mpitondra eto Dago amin'izao ? Sa mety hiteny hoe "izy no te-handeha any !!" Inona no mety ho paikany na drafitra hapetrany ? Ary ianao ? Tokony hanao hetsika ve ny governemanta na ny governemasaka amin'izao ? Misaotra anao.
novalian'i Tanjaka ny 21/09/2010 19:06
2. vvgasy ( 16/09/2010 17:23)
Tohina tokou ny fo naheno an'ilay vaovao, inona re takalony mba tadiavin'ireo mpanao otage @ gasy e?
Efa mba nandray andraikitra ve governemanta gasy?
3. AndriambyII ( 16/09/2010 17:53)
Sarotra ny fandidiana ,satria ny ambassadeur Malagasy akaikikaiky ilay toerana dia a 2000km et qlque ( senegal) Misy ihany anefa ny legionnaire malagasy ao @ tafika frantsay , mety handray andraikitra ry zareo.
4. Tanjaka ( 16/09/2010 18:59)
Dia afaka hanao inona tokoa moa ny any Dakar ; Na ny eto Dago ? Fitaovana ? Maivana !! Tetik'ady na petrakevitra ? Maivana !! Ny Fat ve ? Tsy hihinan'ny fatiny any !! Miandrandra ny fandraisan'anjaran'i Frantsa, araka ny hevitro... Na dia noho ireo légionnaire gasy fotsiny ihany aza (façade en méme temps) !!

Manohina tokoa sady mampalahelo ihany koa. tsy misalasala ny mandatsa-drà ireo ! Zary monnaie de change hatramin'ny rahoviana ? Miara-miandry ny tohiny isika.
5. diloo ( 20/09/2010 22:36)

Tanjaka:

Dia afaka hanao inona tokoa moa ny any Dakar ; Na ny eto Dago ? Fitaovana ? Maivana !! Tetik'ady na petrakevitra ? Maivana !! Ny Fat ve ? Tsy hihinan'ny fatiny any !! Miandrandra ny fandraisan'anjaran'i Frantsa, araka ny hevitro... Na dia noho ireo légionnaire gasy fotsiny ihany aza (façade en méme temps) !!

Manohina tokoa sady mampalahelo ihany koa. tsy misalasala ny mandatsa-drà ireo ! Zary monnaie de change hatramin'ny rahoviana ? Miara-miandry ny tohiny isika.

Alefaso any i Ra8 zandary expert bomba sy ny FIS e. Eo amin'izay no ahitana azy ireo raha tena miaramila marina na tsia: Mora ny mitifitra vahoaka tsisy basy.
6. belakely ( 21/09/2010 12:33)

marina mihitsy izany e! alefaso hanafaka an'le malagasy any ireo mpitam-basy be dia be mpamoritra vahoaka ireo raha tena mafy be!
7. Tanjaka ( 21/09/2010 16:24)
[/quote]
Alefaso any i Ra8 zandary expert bomba sy ny FIS e. Eo amin'izay no ahitana azy ireo raha tena miaramila marina na tsia: Mora ny mitifitra vahoaka tsisy basy.
[/quote]

Edrey ! Fa alahelon'inona no anarahana an-dRa8 amin'izany ? ? Tamin'ny androny anie, raha tsy diso ny fitadidiko, toa tsy nisy an'izao é !! Atreho ny zava-misy : septembre 2010 izao ; vaovao ankehitriny io fa tsy tamin'ny androny intsony é ! Ny teo an-tànany anie no norobaina é !

Ny Talohany : ny DGID (malaza ho mpitsikilo), mety hahery izy satria tout terrain any @ Sahel ! Nosy kely toa i Dago no ireharehany fa mampahery azy, alefaso any aloha mba hahitana ny fiadiny satria mbola be no tafaverina sy miasa @ izao ! Ny ankehitriny indray, ireo tanora sy vaovao fiasa : fitsikilovana ara-elektronika : dia ny fianakavian'ny mpanoratra no analana vonkina !!! Zany ve dia mba tiako !! Tsy hakanosana ve izany ?

Sssssh !! Manaiky tia miaritra ny fitondrana misy amin'izao isika malagasy (aloha) dia aoka "hino fotsiny ihany !" satria io indray izao no eo. Tia fihavanana "loatra" isika malagasy sady "tia miaritra ny mafy". Indray andro any mbola hoavy : Ho matotra isika. Tsiahiviko fa "tsy lany olo-manga i Madagasikara, fa mahantra olo-marina"

Tsy izany akory no hifamaliana eto fa samy mitady izay hahatsara ny fari-piainany tsirairay indray "aloha" ! Ny fitiavan-tanindrazana... ...

Efa niroso la France hanavotra ireo takalon'aina. Zavatra iray tsara izay fa dia miandry ny tohiny koa isika. Dia minoa fotsiny ihany koa satria "zara aza aloha" misy mitolo-tena efa misedra ny any.

8. belakely ( 21/09/2010 18:35)
ra8 zandary; ilay kolonela re izany ry Tanjaka o!
Ny anarana moa tanim-boanjo ka dia mba nitovy ilay izy e!, ilay milaza hoe milamina ny eto an-tanana kanjo ao anatin'ny 1 alina misy fanafihana 4 nananihany andry zareo!
Izy koa ilay nanenjika olona teny an-tanimbary tamin'ilay teny Tsimbazaza ireny e! ngah hadinon'ise sa tsa fantatra mahintsiny.
hi! hi!
9. Tanjaka ( 21/09/2010 19:06)
Ampiana ilay rangahy tonga dia lasa jeneraly iny ...(ilay nandrava barrage tamin'ny andron-dRavalomanana tany Diego) !!
Atao famenon'ny tantara teny Iavoloha ny teo Tsimbazaza. Mbola hoavy ny hamoahana ny boky mirakitra izany. Tsy misy azo hadinoina ny rehetra nisy ary tsy azo hodian-tsy fantatra. Izany no tantaram-pirenena ary mbola hifampizarana eto ihany; na ny famenony na ny tohiny. Misaotra belakely à !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1783