TOMBAM-BIDY

1. ydifas ( 16/09/2010 05:40)
Faly miarahaba anareo amin'ny anaran'ny Tompo indray ny tenako

1 Petera 1/18 - 19 "fa fantatrareo fa tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy volamena, no nanavotana anareo tamin'ny fitondrantena adala, izay azonareo tamin'ny nentin-drazana, fa ny ra soan'i Kristy, toy ny ran'ny zanak'ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina"

Avy amin'ny inona ny fanavotana antsika?
Voalaza eto fa tsy avy amin'ny zavatra mety ho simba na lo ny fanavotana antsika:
ny volamena sy volafotsy dia sarobidy sy lafo vidy tokoa nefa mety ho simba ihany ireny. Izany hoe tsy maharitra mandrakizay.
Voalaza ihany koa fa ny ra soan'i Jesosy no namonjena sy nividianana antsika ho afaka amin'ny fahotana. Olom-boavidy isika ka ny ran'i Jesosy no nividianany antsika. IKorintiana 6/20 "Fa olom-boavidy hianareo; ka dia mankalazà an'Andriamanitra amin'ny tenanareo"

Ohatra: ny vola 5000 Ariary dia mahazo entana mitombam-bidy ( valeur - na ) 5000 ariary.
Noho izany, raha novidiana tamin'ny ran'i Jesosy isika: ny tombambiditsika izany dia ny rany. Sarobidy Aminy isika "Satria malala eo imasoko ianao, eny, be voninahitra ianao sady tiako..." Isaia 43/4
Izany hoe, ny "valeur"-ntsika dia ny ran'i Jesosy.

Ohatrinona amitsika ary ny tombam-bidin'ny ran'i Jesosy? Ometsika hatraiza ny valeur-n'i Jesosy eo amin'ny fiainantsika? Voavidy vola ve? Inona no havalitsika izany?
Samy miaiky angamba isika fa lehibe sy tsy takatry ny saina izany, tsy manampaharoa ary tsy manam-pahataperana izany ran'i Jesosy izany. Nataony ho an'ny rehetra izany satria samy efa nanota ny tsirairay: "Samy nania avokoa izy rehetra, Samy tsy mahasoa avokoa izy rehetra; Tsy misy izay manao ny tsara na dia iray akory aza" Romana 3/12 (Sal. 14. 1-3).

Ny an'i Jodasy dia vola no tambiny:"Ary ny anankiray tamin'ny roa ambin'ny folo lahy, atao hoe Jodasy Iskariota, dia nankao amin'ny lohan'ny mpisorona ka nanao hoe: Homenareo hoatrinona aho hanolorako Azy aminareo? Ary izy nandanja sekely volafotsy telo-polo homena azy." Matio 26/14

Ny anabavin'i Lazarosy ilay natsangan'i Jesosy: Ny an'i Marta dia ny fanajana sy fandraisam-bahiny, ny an'i Maria dia ny fanompoana an'i Jesosy:"Dia nanao fanasana ho an'i Jesosy tao izy; ary Marta no nanompo; fa Lazarosy no anankiray tamin'izay niara-nipetraka nihinana taminy. Ary Maria, rehefa naka menaka manitra nisy narda sady tsara no sarobidy, lanjan'iray livatra, dia nanosotra ny tongotr'i Jesosy sy namaoka ny tongony tamin'ny volondohany; ary feno ny hanitry ny menaka ny trano." Jaona 12/2 - 3

Ny an'i Zakaiosy dia fanonerana: "Fa Zakaiosy kosa nitsangana ka nanao tamin'ny Tompo hoe: Indro, Tompoko, ny antsasaky ny fananako omeko ho an'ny malahelo; ary raha misy zavatr'olona nalaiko tamin'ny fanambakana, dia honerako avy efatra heny izany." Lioka 19/8

Ny an'ilay mpanakarena tsy nety nivarotra ny fananany, alahelo no nasetriny:

Dia hoy Jesosy taminy: "Raha tia ho tanteraka hianao, mandehana, amidio ny fanananao, ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra hianao; ary avia hanaraka Ahy.

Fa nony nandre izany teny izany ilay zatovo, dia niala tamin'alahelo izy, satria nanana fananana be"
Matio 19/21 - 22

Ary ny antsika?

Hita soritra amin'ireo tantara ireo fa izay be dia be ao am-pon'ilay olona no tanterahiny sy anomezany lanja an'Andriamanitra. Izany no mamaritra ny andavan'androm-piainany. Toa izany koa isika, ny zavatra ataotsika isan'andro no anomezatsika lanja, anolorantsika "valeur" an'i Jesosy. Isaky ny misintona sy mamoaka rivotra isika dia manome sanda Azy.

Andao isika rey olona hanome lanja tsara an'Andriamanitra, ndao isika hanome sanda faratampony ho Azy, aoka ny fanomezam-boninahitra Azy no ho be dia be ao am-potsika. Aoka mba tsy hisy petimpetina ihany koa no ometsika an'Andriamanitra ( na amin'ny atao izany, na sainina, na tenenina,... izay atao rehetra mihitsy ). Satria sarobidy Aminy isika koa rariny raha ataotsika sarobidy mihoatra lavitra sy tsy takatry ny saina ny "valeur" atolotsika an'Andriamanitra. Nanolotra maimaipoana ny rany hamonjena antsika Izy, koa aoka atolotra Azy tsy misy tambiny koa ny amitsika manontolo fa izany no fanomezana Azy "valeur" ambony indrindra andrasany amitsika: "Koa amin'izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon'Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak'Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany." Romana 12:1

Izao no tokony ho eo am-bavatsika: Jesosy a! atolotro ny tenako ho Anao satria efa novonjenao aho tamin'ny nandatsahanao ny ranao. Avelako anjakanao ny amiko rehetra, ny momba ahy rehetra ary manomboka anio dia hotsarovako mandrakariva fa sarobidy ho ahy izany ranao izany ary tsy avelako hiraraka an-tany fotsiny. Koa ankehitriny, ataoko lohalaharana ny Aminao rehetra ary omeko lanja faratapony sy sanda tsy takatry ny saiko Ianao. Mifoha maraina mandra-pilentika ny masoandro aho dia hanome voninahitra Anao satria hoy Ianao: "fa izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra..." 1 Samoela 2/30 ary tsapako fa nanome voninahitra ahy Ianao tamin'ny nandrakofanao ny ranao ny olombelona rehetra. Misaotra Jesosy fa tena tia anay Ianao. Amen

Ny Voninahitra dia ho an'Andriamanitra irery ihany ary manonona ny fiadanan'i Kristy ho amitsika rehetra ny tenako.

NB: raha sitrakao dia zarao amin'ny havana, namana, mpiara-mivavaka, mpiara-miasa, ... sy amin'ny olona rehetra ity hafatra ity mba ho fampandrosoana ny fanjakan'Andriamanitra. Ity no teny filamatra: "Fa mpiara-miasa amin'Andriamanitra izahay; ary sahan'Andriamanitra sy trano arafitr'Andriamanitra hianareo." 1 Korintiana 3/9 . Koa mahereza fa momba anao ny Tompo
italic text
novalian'i ouioui ny 26/09/2010 02:19
2. andrywui ( 16/09/2010 09:21)
salut safidy !

fintimpintino ihany letsy am manaraka fa vizana be namaky azy hatram farany teo a! OK an ?
3. mirananirina ( 16/09/2010 10:37)
Misaotra @ toriteny
4. vony501 ( 16/09/2010 12:37)
Misaotra betsaka an'i Ydifas ;
Alefaso foana fa aza fintimpintinina izany kambony, ny hafatra sy toriteny dia ny fanahy masina no mampiteny, koa aza ferana izy
5. ouioui ( 16/09/2010 14:14)
Raha ilay "tiava ny namanaotahaka ny tenanao" fotsiny aza no nampiharina angamba d' efa tsisy lagera,lol [IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Respect/number-one-respect-953.gif[/IMG]
6. fafane ( 16/09/2010 14:15)
Marina ny an'i Safidy fa tsy voatakalo na inona ny famonjen'i Jesosy fa sarobidy noho ny zvtra rehetra, de raha mahatsapa an'zany isika de hoy ny teniny manao hoe: < ho anareo manao azy fa efa mijoro tsara, aoka izy hitandrina fandrao ho lavo >, fa maro ny fingana ataon'ny satana ho an'ny olona zay efa tena nanolotra ny tenany ho an'i Jesosy, ary mangataha odi-maso mahiratra ahalalanao izany fandrika izany( fijangajangana, fisotroana, fanaovana resaka tsy mitera-bokatsoa eo @ fanahintsika,fifosana,fanaratsiana,surtout eo @ fiarahana @ reo naman-dratsy ka raha tsy mitandrina isika de hanimba ny toem-panahintsika, hoy ny teniiny hoe < ny fikambanana @ ratsy manimba ny toem-panahy tsara, de manohana. Anao aho safidy a, tsy mora2 ny ezaka atao mba hanatratrarana ny lanitra fa miha-mafy hatrany arakaraky ny maha- antomotra azy, tsy misy tonga lafatra koa anefa fa miezaka mba ho @tsara mandrakkariva
7. andrywui ( 16/09/2010 14:41)
salut fafane ! ..lazain'i hery fa izaho andrywui ndray ange enao ry fafane atsy amin'ny momban'ny serasera atsy e !!navoakany tao daholo ny soldats -ko de tao koa io fafane io nao io !!nefa raha tsy diso aho de any M/car i fafane o? hon hon hon aza mba n....iany hoy ifiona zay ....
8. ouioui ( 16/09/2010 14:50)
Kay kléééééééééé, ny an-drahery alahelo ps anie é, lery raha tsy hanao vrakiny azy iny fa ny anelah no tsiriritiny de petsainy, zavatra samihafa de lasa mifangaro daholo sisa @ farany [IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Rires/00100.gif[/IMG]
9. andrywui ( 16/09/2010 14:54)
- Ary nakaia ary izy roalahy toa tsary miditra ??!!.. misy zavatra konokononiny ndray reny refa tsy mamaly elaela otran'io !! asa mety mamorona atsanga sy rezatra be any angamba de ho avy masiaka be eo fa jereo anie e hon hon hon
10. fafane ( 16/09/2010 15:48)
Hery a, hafa aho fa tsy andrywui zany , i andrywui inoako falelahy fa zaho vevavy, ka sasanangy samy hafa mitsy ka!
11. andrywui ( 16/09/2010 16:26)
- mikorotana ry fafane ny PC ndra_hery de lasa mideconnn a ! ... zay le hoe "ny mahay rano ihany no maty an-drano "...!

- Oe zah mahay informatique beeeeuu, zah zao e !... nefa zah no lazain-drahery fa i fafane??.... hon hon hon
12. ikaretsaka ( 21/09/2010 15:56)
"tsy ny ra no mahavonjy fa ny finoana"
13. ouioui ( 22/09/2010 23:03)
Fa ny finoana arahan'asa no tena izy , ary tsy asa ratsy koa bainn , be mantsy @ lisany mody mivavabavaka itony no tena fopla[IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Triste/deprime-triste-29423.gif[/IMG]
14. ikaretsaka ( 23/09/2010 23:13)
fa tsy fople fotsiny nohon'ny be menomenona nefa ny zavatra imenomenonany aza tsy hainy
15. ouioui ( 26/09/2010 02:19)
Elah indrindra io tsy mahay izay himenomenonan'elah io , nanao teolojia elah nefa elah ndray no be fanontaniana, nefa elah le tary vao miteniteny olona hoe misy mamatraka dinika hanadalana olona nefa efa mahalala ny valiny , ka raha nanao teolojia mametra fanontaniana ato @ resaka fivavahana elah bainn iza zany no be menomenona tsy mahay izay nianarany tany ???
sa fopla moa elah satrai ve tsy nahavita na nanondrana tany hoa any ??? cool leisy bainn a, tsy efa fantatr'elah anagaha fa bandy tsy mpino aho fa raha ny resak'elah tsy misy mitombina amiko , i mpanazava sy miharena , infiny ,ireo izao no tena hitako mahay mampita ny heviny tsara ny anelah misavorivory tsisy azo raisina , ohatra omby sy sarety ve leisy no mba arguments nentin'elah atsy bainn, ny an'i andrywyui miaraka @ citacition biblique mazava ny sasany koa hoatran'izay ihany , de rangitra be elah fa tsy mahay de pepona ny olona hoe mitsimpona e, nefa mifanaraka tsara @ contexte tsara ny zavatra lazain-dry zalahy [IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Messages/ZB_SOR%7E1.GIF[/IMG]
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8469