ANTSO MAIKA HO AN' NY MPIRAY TANINDRAZANA

1. Ruz9 ( 08/09/2010 13:59)
Ao anatin'ny krizy lalina izao ny firenena, manao amboletra hanao izay hitsin'ny lohany ny FAT @ firosoany @ izany "fihaonambem-pirenena" izany ; hitady vahaolana ivoahana @ krizy hono.

Mbola odian-tsy hita ihany ve fa ry zareo no nametraka olana teto, vokatr'io amboletrany io ihany; dia mbola izy ihany no mikolokolo azy io haharitra ela eto.

Aoka tsy hatoritory intsony; efa be izay resaka fanarian-dia tetsy sy teroa izay
Tsotra ny tanjona tiana hokendrena @ ireny, maharitra ny dinika = maharitra ny krizy = maharitra ny FAT.

Fehiny : raha mbola mijoro eto ny FAT, sy ny filohany, dia tsy hivaha izao olana izao na 10 taona aza.

Ny seza sy ny tombontsoa no mahamaika ny FAT sy ny mpanohana azy (ny ESCOPOL, sy ny namany,)
Mpamadika tanindrazana no azo iantsoana an'ireo olona ireo fa tsy mpikaro-bahaolana velively.

Izay ny @ io lazaina hoe dinika sy fihaonambem-pirenena io.

Inona @ asan'ny FAT no mampiseho fitiavan-tanindrazana sy milaza fa miasa hoa an'ny tombontsoam-bahoaka sy ny tombontsoam-pirenena izy? tsy misy fa raha resaka fotsiny aloha dia tena matavy tokoa, ny tena zava-misy dia izao

Vitan'ny FAT ny mandefa zandrary 600 lahy hanafika zandary am-polony tsy mankatoa ny fitondrany anjakan'ny tsolotra sy tsy misy mangarahara; etsy andanin'izany miaina sy miasa ankalalahana tsy misy mpanakantsakana ny dahalo @ faritra maro.

Andrasana zandary amina fiara maromaro ny mpanohitra izay maneho hevitra am-pilaminana

Aiza kosa ireo tompon'antoka ta @ fandrobana sy fandorana ny TVM sy ny RNM ary ireo tranombarotra maro ta@ ireny 2009 ireny? Fihoaram-pefy ve hihoatra an'ireny? tsy misy arakaraka akory nefa izany, nahoana? raha ireo mpanohitra @ izao fotoana izao no tompon'antoka t@ ireny dia nihzakazahana arak'izay tratra ny fitsarana ary mailaka ny EMMO REG nisambotra azy.
Izany hoe tsy misy lanjany @ NY FAT sy ny mpomba azy izay fiainam-bahoaka. Rehefa maharitra ela eo izy , manao izay saim-patany sy izay danin'ny kibony dia izay no zava-dehibe; mbola porofo manamarina izany ny fahamaroan' ny very asa hatr@ 2009, izay vokatry ny nataon'ny FAT ihany, tsy misy fepetra raisina akory hitsinjovana an'ireny olona ireny sy ny ankohonany, fa dinika hampaharetana ny krizy no laharam-pahamehana.

Eto am-pamaranana dia tiako ny miantso ny tsirairay HANDRAY ANDRAIKITRA @ FANDRODANANA an'ity FAT ity, izay fototra nahitana sy mpikolokolo an'izao krizy lavareny izao.

HO AN' NY MPANAO POLITIKA REHETRA IZAY TSY MIARAKA @ IZAO FITONDRANA IZAO AOKA HIRAY HINA HANAMBATRA NY HERY @ SAMY MPANOHITRA; FA TSY HILASALASALA INTSONY NA HIOLONOLONA SAMIRERY "Ny firaisankina no hery" ho an'ireo maika @ fifidianana moa fa maika hahazo seza dia hoy aho hoe miandrasa fifidianana tsy hisy eo eo.

HO ANTSIKA VAHOAKA KOSA ANTSO NO ATAOKO MBA HO AVY HANATEVIN-DAHARANA NY MPANOHITRA HITAKIANA NY FIALAN' NY FAT SY NY FILOHANY, AOKA HIFANENTANA. (raha tiana ny hivahan'izao krizy izao)

TSAROVY : Ny vahoaka rehetra izay miisa 20 tapitrisa no samy miaritra ny mafy ao anatin'izao olana iainan'ny firenena izao. Aza mijery loko politika na tsangan'olona fa meteza hanavotra ny firenena
- METEZA HIRAY HINA HO AN'IREO OLONA ANA HETSINY VERY ASA
- HIRAY HINA SY HIADY HO AN' IREO VOAFONJA NOHO NY FITAKIANA NY FAHAMARINANA
- HO AN' IREO VOAFONJA SY ENJEHINA NOHO NY FANOHINTOHINANA NY FAT @ fametrahana sy fanamafisana ny krizy.
- NDEHA HIRAY HINA HO FIAROVANA NY HOAVINTSIKA SY NY HOAVIN'NY FIRENENA


MAIKA NY FANAVOTAM-PIRENENA


HO AN' NY FAT sy ny filohany "aoka izay ny amboletra, efa tsy nahavaha olana ianareo KA MIALA, TSY MAHOMBY INTSONY IZAO NY FANDOTOANA SY FAMOTEHANA MIALOHA IREO HEVERINA HO MPIFANANDRINA POLITIKA @ TENA.

Tsy hametra-piala ianareo? efa fanaonareo mantsy io manao amboletra io; dia hoy aho hoe
"Mandehana araka izay hitsin'ny fonao sy izay saim-pantatrao ry FAT sy mpiray tsikombakomba aminy,ary ny herim-pamoretany, NEFA TSAROVY FA HOTSARAINA IANAO @ IZANY"

KOA ENTANINA NY REHETRA HO AVY HIARAKA @ MPANOHITRA REHETRA HANAMBATRA NY HERY HANONGANANA AN'ITY FITONDRANA TSY MAHOMBY ITY. MIFANENTANA MBA HAHAFAHANA MANDROSO HAINGANA.

MASINA NY TANINDRAZANA
"TSY ADIDIKO IZAHO IRERY , FA ADIDIKO ?IZAHO SY IANAREO"
novalian'i rpetit ny 17/09/2010 09:28
2. piozila ( 08/09/2010 15:34)
MARINA IZANY KANEFA DINIHO NY HO TOHINY MBA TSY HANAO TOA ANDRADOMELINA
3. andrywui ( 09/09/2010 09:06)
Soavaly maty zany resak'elah zany ee! soavaly be lohalika paty efa mivoaka olitra tsy misy tia anzany tsony beuuuurrrkk ozy le akamako zay !!...
4. mirananirina ( 11/09/2010 10:48)
Marina ny anao eh!
5. milamm ( 13/09/2010 14:22)
dikanteny voalazany tompon-kevitra de tsotra
- Mitaky ny firaisan-kinampirenena izay iantsorohany tsirairay andraikitra ny Firenena androdanana ny jadona sy tsy rariny ary ny vono olona talohany niakarany lavanify saribakolimbazaha sy ny akamany
" Izay mitambatra vato ,izay misaraka fasika "
6. rpetit ( 17/09/2010 09:28)
MAIKA NY FANAVOTAM-PIRENENA FA MIALA IANAO RA TGV A C
TSY NY ETO MADA IHANY NO TS TIA ANAO SY TSY MAHALALA NY LAINGANAO
LANINAO AM TSIS DIKANY NY VOLAMBAHOAKA-
FAMAIZANA ZAO VALALA TONGA ZAO
VONOY NY FOZA
ANDAO HIARA DIA
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.1122