tsy mety makeo am pôt ndray lay zaza

1. arialy ( 07/09/2010 07:37)
very hevitra aho ry reto fa efa 3herinandro izao , lasa mitomany ilay zanako refa atao eo am pôt , tsy haiko ny antony, na tany am vacances aza moa tsy nety izy, sa ilay fiovana fonenana tam vakansy no nahatonga izany?
novalian'i RAR.DAGO ny 29/10/2010 07:23
2. hery ( 07/09/2010 07:44)
Ahh, hay koa arialy tratran'izany? Izahay koa kivy mihitsy indraindray fa miovaova be mihitsy ny boaikely. Misy zavatra efa fanaony tsara sy tsy mampaninona azy izao dia manjary tsy ataony sy mampitomany azy indray. Angamba normal ihany. Eo amin'ilay fotoanan'ny fanaovana caprices isan-karazany izy angamba. Misy mantsy du jour au lendemain izao mihitsy ny fiovana.

asa izay experience-n'ny hafa.
3. titisoleil ( 07/09/2010 14:33)
manaoana,saika amaly ilay mombany fiovany zaza tsy mety manao @ po,aza forcena fotsiny izy fa mety t@ ilay fiovana mihintsy no nahatongan izany,azavao azy tsara fotsiny fa efa aty antrano fa tsy manao vacance intsony,raha tena tsy mety dia miverena @ couche,nefa azavao azy fa tsy isanan andro an,ny tsara dia manao @ po ianao,dia andrasana eo izy mirasure azy @ izay.
4. titisoleil ( 07/09/2010 14:35)
manaoana,saika amaly ilay mombany fiovany zaza tsy mety manao @ po,aza forcena fotsiny izy fa mety t@ ilay fiovana mihintsy no nahatongan izany,azavao azy tsara fotsiny fa efa aty antrano fa tsy manao vacance intsony,raha tena tsy mety dia miverena @ couche,nefa azavao azy fa tsy isanan andro an,ny tsara dia manao @ po ianao,dia andrasana eo izy mirasure azy @ izay.
5. soanja ( 07/09/2010 20:56)

titisoleil:

raha tena tsy mety dia miverena @ couche


Raha ny fahitako azy indray dia tsy dia tsara ny fiverenana amin'ny couche raha efa nilaozany iny. Ny amin'ny fampianarana arahiko moa dia fady izany. hihihi Izay nahalala kilaoty dia aoka hikilaoty foana amin'izay. Fandalovana ny couche.

Amin'ny taona misy ny zaza mianatra mipipy sy mikaka amin'ny po na firingy dia isany koa ny toetra ananany antsoina hoe " terrible twos" io dia fanehoan'ilay zaza fa mitaky fahaleovan-tena izy na dia mbola tsy mahay miteny aza izy. Miseho amin'io taona io- eo amin'ny roa taona na aloha kely io- ny tsy fanekena izay aroso aminy ary miady mafy izy hifikitra amin'ny heviny, izay matetika tsy fantatra sy tsy fantam-piaviana ny antony. Amin'io taona io ilay mitomany mitsipatsipaka amin'ny tany ka mandaka izay rehetra manodidina satria tezitra loatra- Tantrum. Ao koa ireo izay tampoka eo lasa manaikitra ny namany na mikapoka na hampiseho herisetra tampoka. Rehefa mandalo izany ny zanakao dia aza manahy fa mandalo io fotoana io fa tsy mijanona akory raha vao miakatra ny 3 taona na latsaka aza dia miala ilay toetra ary lasa tia miana-javatra vaovao indray izy ary mavitrika tokoa.

Ny tsara ananan'ny ray aman-dreny amin'io fotoana fitomanizana isaky ny mihetsika io sy ny ady lava izay aroso dia ny FAHARETANA. Tenenina moramora izy hoe horaisiko ianao dia apetrako eto amin'ny malaladalaka eto fa sao maratra fa ianao mantsy tezitra, ka rehefa afaka izany dia miresaka isika. Afindra amin'ny toerana malalaka izy ary tsy miresaka aminy intsony. Rehefa vita iny tomany lava iny dia lazaina amin'izay izy hoe - avia miresaka amiko na omeko ba na hafa sns sns... ndao isika hanamboatra sakafo iray miaraka ohatra. Omena raharaha izy miara manao zavatra aminao fa tiany be izany.

Raha mitomany izy ho eo amin'ny tavy dia lazaina tsotra izy fa ho lena ary "rehefa lena dia ianao izany no manolo ny kilaotinao satria ianao tsy vonona hamonjy po. Fetafeta be anie ny lena amin'ny kilaoty e. Za aloha tsy mahasolo fa anjaranao izany satria safidinao, fa raha tsy izay dia avia ampian'ny neny mipetraka eo amin'ny po. Vetivety fotsiny anie afaka manisa isika na mihira na mamaky boky." Ny fahazarany indray hanaiky hipetraka eo no tanjonao amin'izay fa izy mety tsy hamokatra aloha. Averina zarina ny raharaha. Raha tsy mety izy dia tsy manahy raha lena. Raha lena izy dia asaivo izy no manala ny patalohany sns sns.... manampy ianao fa izy no tena manao ny raharaha satria amin'izay fantany fa izay no fomban'olombelona. Izay manao zavatra ka tsy mety dia izy no mizaka ny vokany satria izay ilay safidy. Ny zaza roa taona miakatra dia tena misaina mihitsy ary afaka manao zavatra tsy eritreretin'ny maro vitany. Resaka sy fitiavana no tena be dia be hampidirana amin'izany.
6. arialy ( 10/09/2010 06:45)
misaotra anareo mamaly fa ho ezahina jerena daolo ndray , mahagaga mihitsy alo ilay fiovana tampoka é
7. arialy ( 10/09/2010 07:01)
adinoko ny niteny fa nandramako amzay ilay lunette kely atao eo ambony wc, iny no nekeny ndray, nividianana tabouret kely koa moa de atao ambany tongony refa eo ambony toilettes izy, mety efa fitiavana ny hitovy am olondehibe angamba sa ilay mipetraka am pot tsy confortable, tsy haiko, fa nyu fiovana tampoka aloha misy foana é.
misaotra ny fizarana trai-kefa sy ny torohevitra ééé
8. carson ( 10/09/2010 14:32)
Daroy fotsiny hoy i Kally izay :D
9. sipagasy ( 12/09/2010 17:26)
hihih andray kosa ry carson!!!!
10. blou ( 21/09/2010 06:57)
Slt nareo, nena ko zay zao ny olan ny zanako, ts met mankeo am pô fa d mitomany foana, vaky ny saiko satri efa mianatra zao d lasa any ampenarana ko no mipipi kilaoty.
O andramana dray alo ny anolo Pô sy ny evitrareo eo ambony , d misaotra idd am fanampiana sy ny evitra afa e.
11. RAR.DAGO ( 29/10/2010 07:23)
ary raha hafatotra aminy ilay pôt angaha tsy mety?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9369