Tena mandany fotoana ihany ilay miresaka amin'ny Temoins du Jehovah

1. hery ( 27/08/2010 14:21)
Ok, izaho dia mpandray TJ ao antrano rehefa mamangy ry zareo. Nahafinaritra aloha tamin'ny voalohany satria rehefa raisina tsara ry zareo dia miresaka be tokoa. Ny olana anefa dia raha vao miezaka ianao milaza ny hevitrao sy ny finoanao dia tsy tafiditra mihitsy. Kanefa ianao mihaino azy tsara. Taty aoriana moa dia tsy niverina intsony ry zalahy satria nilazako hoe "Raha mba avelanao mandeha any an-tranonao koa aho hitory dia miverena"

Dia teto amin'ny serasera indray no nahitako TJ.

Fa tena mbola mitovy. Mandany andro be ilay izy satria resaky ny moana sy marenina. Ny azy ihany no asesiny.

Koa nanapa-kevitra aho aloha ny tsy hamaly resaky ny TJ intsony. Raha toa ka fanontaniana fangatahana fanazavana momba ny finoana Katolika dia vonona hamaly foana aho. Fa raha efa manana ny hevitrao ianao dia efa mahay ianao izay ka tsy mila ampianarina intsony.

novalian'i Mpanazava ny 28/08/2010 06:35
2. ouioui ( 27/08/2010 14:42)
Te hanao taminy teo koa be taraina klé[IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Rires/00102.gif[/IMG]
Izay anie no lazaiko e , sao mbola mila vakansa fanampiny hoa ,lasa valin-teny TOKANA sisa ny an'lah

NY KATOLIKA DIA TSY NY BAIBOLY FOTSINY


hery:

Koa nanapa-kevitra aho aloha ny tsy hamaly resaky ny TJ intsony. Raha toa ka fanontaniana fangatahana fanazavana momba ny finoana Katolika dia vonona hamaly foana aho. Fa raha efa manana ny hevitrao ianao dia efa mahay ianao izay ka tsy mila ampianarina intsony.

Sarotra be kosa aloha fa lainga lainga e, soratra masina vs soratra masina , arguments vs arguments tsy tafavoaka rahery , fa izaho reviko foana ny mifandinika @ iza na iza satria izaho tsy borné à zavatra surtout ka tsy voazava tsara ny zavatra fa minomino foana
[IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Reflexion/U_THIN%7E1.GIF[/IMG]

Ento ihany ry Mpanazava sy ny namana samihafa fa mitohy foana isika @ serasera e, tsy hiandry izay maharary any [IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Rires/lol2.gif[/IMG]
3. mpanazava ( 27/08/2010 14:49)
Fanontaniana tokana no homeko ho an'i olona tsy an-kanavaka, vaniny tsotra no tadiavoko , eny na tsia. Tsy sarotra ilay izy. Raha mbola velona teo i Jesoa, nila an'i Papa ve isika?
4. hery ( 27/08/2010 14:50)
:-)

Tsy mitovy ilay niveau ra-ouioui a. Na hoe mitovy ny niveau fa tsy mitovy fotsiny ny taranja.

Tsy hifampitady amin'ny TJ mihitsy no nianarako teolojia 4 taona. Aleo ny Kristianina no ampiana.
5. mpanazava ( 27/08/2010 14:59)
Hoy i Hery

Raha toa ka fanontaniana fangatahana fanazavana momba ny finoana Katolika dia vonona hamaly foana aho.

Amin'ny finoana katolika ary, angatahana fanazavana amin'ny Kato, Raha mbola velona teo i Jesoa, nila an'i Papa ve isika?
6. ouioui ( 27/08/2010 15:00)
Hay ve rahery nanao teolojia e, 4taona fa angaha tsy 7ans ,tsara leisy cousin a, fa aza tezitra na misafoaka kosa aloha na izany e tsy handray na hamaly TJ e[IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Rires/c_laugh.gif[/IMG]
Azoko tsara kah io anie no efa lazaiko foana @ ika réponse à tout hoe tsy voatery ny hamaly bontana foana fa raha tsy hay dia aza miditra pataloha tery [IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Rires/mdr-mort-de-rire-284923.gif[/IMG]

hery:

Fa tena mbola mitovy. Mandany andro be ilay izy satria resaky ny moana sy marenina. Ny azy ihany no asesiny.

Non izany koasa aloha tsy marina e, niaraha nahita teo fa samy fanontaniana nifanakalo no nataonareo fa petsa rahery dia manao valin-teny hafahafa dia izaho no nialana bala [IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Rires/loool.gif[/IMG]

Mpanazava:

Raha mbola velona teo i Jesoa, nila an'i Papa ve isika?

Io kosa ve rahery de tsy voavailinao klé, misy resaka Pape izany ve tsy nianarana tany @ teolojia [IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Rires/mini-sourire-4829.gif[/IMG]

Tsiky dia ampy
7. mpanazava ( 27/08/2010 17:24)
Tena sarotra ilay fanontaniana le aza!
8. ikaretsaka ( 27/08/2010 17:53)

mpanazava:

Hoy i Hery

Raha toa ka fanontaniana fangatahana fanazavana momba ny finoana Katolika dia vonona hamaly foana aho.

Amin'ny finoana katolika ary, angatahana fanazavana amin'ny Kato, Raha mbola velona teo i Jesoa, nila an'i Papa ve isika?


Eny, fa mety hoe tsy papa no iantsoana azy @ izay fa anarana hafa, saingy mitovy ihany ny asany
Satria i Jesoa any Palestinina moa ny misy ny Malagasy mino azy any Madagasikara. dia mila manendry olona natokany izy hiandraikitra ny any madagasikara

dia extrapolena @ zay le izy hoe mbola velona i Jesoa fa any An-danitra Izy dia ny mino Azy eto an-tany! mila olona natokany izy hiandraikitra ny eto an-tany
9. ikaretsaka ( 27/08/2010 21:13)

Raha mbola velona teo i Jesoa, nila an'i Papa ve isika?

efa novaliako atsy io ka
10. Mpanazava ( 28/08/2010 06:35)
Raha mbola velona teo i Jesoa, nila an'i Papa ve isika?

Eny, fa mety hoe tsy papa no iantsoana azy @ izay fa anarana hafa, saingy mitovy ihany ny asany


Lazaina fa i Jesoa no namidra fahefana tamin'i Piera (izay mifanohitra amin'ny soratra masina), dia Piera no namindra izany fahefana izany tamin'i Eveka (Papa) nifandimby, ary tonga amin'ny androntsika izao. Lohan'ny eglizy i Jeso hoy ny baiboly, lasa i Petera no lohany rehefa lasa any an-danitra i Jesoa, rehefa tsy teo intsony i Petera dia ny Papa idray no lasa lohany nandimby azy (loha =Chef) . Raha mbola velona teo anefa i Jesoa dia misahana ny asany ankehitriny ihany ny Papa araka ny tenin'ika (Chef de l'Eglize); izany hoe samy lohan'ny Eglizy Katolika izy Roalahy. Lasa manana loha Roa (bi-chef) izany ny eglizy katolika, izany ve tsy Mapme!!


Eny, fa mety hoe tsy papa no iantsoana azy


Io valitenin'i Ikaretsaka io no tena marina, Merci 1000 fois, kay mbola misy katolika maranin-tsaina ihany any mahafantatra ny tokony ho izy.

Hoy ny soratra masina ao amin'ny baiboly Kato :" Fantatsika fa rehefa nitsangana tamin'ny maty izy [Kristy] dia tsy maty intsony" (Rom 6:9),
fantatrareo tsara io an-dininteny io, velona ary i Jesoa araka ny hira averimberintsika rehefa avy manao fanamasinana ny mofo sy divay ireny. Ary miara-monina amintsika koa, na aiza na aiza misy antsika. Ny Fanovana ny anaran'i Papa ho anarana hafa dia efa fiovana lehibe makao amin'ny fahamarinana sy ny tokony ho izy .
Fa inona no manakana ny Kato tsy hanao izany?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.159