TSY MISY IMPUNITE?

1. Ruz9 ( 24/08/2010 14:48)
Tsy misy impunité, hoy ny hirahiran'ny FAT sy ny mpanohana azy, raha izany tokoa ampiharo e, ary aza ny raharaha 7 feb 2009 ihany no roritina, fa ao koa ny 26 janv sy ny hafa e.

Raha ny momba ny raharaha 7 feb 2009 aloha; tompon'andraikitra voalohany @ iny ny FAT, niniana natao sorona ireo olona marobe nentina teny mba hahazoana seza haingana.
Koa raha misy ny tokony henjehina ny amin'iny raharaha iny, dia ny olona naome baiko ny hanadehanana eny aloha, izany hoe ny filohan'ny FAT. An'ny CUA io hoy izy t@ izay; koa raha nalaina t@ fomba hafa, an-taratasy ohatra.
Hiasan'ny "praiministra" Monja Roindefo (notendreny tamin'izay) no antony nakana azy; eny tokoa anefa ve ny toeram-piasan'ny "praiministra"?
Ny fandorana sy fandrobana tranombarotra, fandorana sy fandrobana fananam-bahoka(RNM sy TVM) tamin'ny janoary 2009; iza no atidoha nikotrika sy nanakarama olona han,ao an'ireny fihetsika ireny; izay namoizana ain'olona maro koa? ataovy ny ampamoaka ary aoka hosaziana izy ireo.
Tsy avela hangina ny raharaha toy ireny, tsy maharikoriko ve ny mahita ny olona tompon'andraikitra tamin'izany miaina ankalalahana sy manohy mampahantra vahoaka hatramin'izao, sy mitonon-tena ho tompon'andraikitra ambony eto @ firenena? Olona sahy manao sorona ny mpiray tanindrazana aminy, tao koa moa ny mpanohana azy sasany; mba hahazoana toerana, manao sorona ny fiainam-bahoaka sy ny ho avin'ny Firenena hoa'ny tombontsoany manokana. Mendrika hitondra Firenena ve ireo olona ireo?
AMPIHARO TSY MISY HATAK'ANDRO ILAY HOE "TSY MISY IMPUNITE"
AOKA HOENJEHINA SY HOSAZINA AVY HATRANY IREO OLONA IREO, aza asiana fiandrasana fa eto eo anatrehan'ny fitsarana, tahaka ny nanenjehan'ny fitsarana italiana an'Atoa Silvio Berlusconi, filoham-pireneny. Raha haka tahaka ny any ivelany dia izany no fihetsika tokony halain-tahaka.
2. kidoropamba ( 25/08/2010 13:21)
Tokony misy fandohalihana kely eo anatrehan'ny AVI aloha ravalo vao afaka mangataka izany amnistia izany fa raha hiandry an'i Sadeky hanatody dia ho lany andro eto isika.

Ratsirahonana, zazah, haja resampa, any no hanaovana fifonana raha tsy sahy ny hanao izany amin'ny bandy kely fa raha tsy izany dia hisy raharinaivo fanindroany indray ato ho ato.

Ela tsy nanao politika ka mba niverina ihany raha raikitra ny fivoriana tao Ivato tao iny mba hirosoana amin'ny vaha-olana tsy misy sonagaly, sy tsy misy vozongo intsony ka malagasy samy malagasy no handamin-dresaka tao. Vita any ny sonia ka miandrahandra seza aloha amin'ity CST sy kaongresy atsangana ity.

Asa ahoana ny hafitsony fa any indray aloha no malaza amin'izao satrtia ny ao ankorondrano sy behoririka ao dia tena resa-poza satria vola nisy nagalatra no betsaka.

Tokony tonga saina amin'izay isika fa hatsahatra ny ady lahy politika fa nandresy ilay bandy kely e. Mazana ratsirahonana na inona no lazaina.

Miangavy an-dravalomanana hifona ao amin'ny Haja resampa ao mba ahamoramora ny raharaha.
3. rijadolly ( 26/08/2010 18:10)
Raha tsy diso aho ry Kidoropamba fa toa efa nifona tamin' vahoaka Malagasy mihitsy Ravalomanana fa ilay sezany mihitsy no tiana alaina? Dia izay fangalana ny sezany izay no nizorana tamin' "iny lalana iny" teo amin' ilay sapanana tsy maintsy safidianan' Firenena nolazain' Ravalomanana tamin' izay. Avy eo novakina fotsiny amin' izao fotoana izao ilay FANATENANA niriana sy ireo Ambom- po Pirenena any am- paosin' sasany, ary ny tena loza dia takomana amin' hery fa miodina tsara sy misy fiakarany ny harinkarenafaobe eto Mada.Nahoana no fitahina tamin' MOFO 200Ar ny mahantra? Nefa dia namidy ohatry ny omby alefa any amin' abattoir mba ahazoana seza izay tsy handry ny 2taona ahazoana azy ampamendrehana.Iza no miziriziry amin' heviny ka mahazo tombotsoa manokana amin' izao fahorian' Malagasy izao? Ravalomanana ve? Rajoelina? Ratsiraka ve? Zafy ve? sa ny Vahoaka Malagasy satria mandeha tsara izao fiainany izao?

LOZANAO MIFALY EO AMBONY FIJALIANY.
4. rabaradaka ( 06/09/2010 13:38)
Zao ry dadatoa a: an'i Ravalo sazy an-terivozona mandrapahafaty fa ny an'i dadafara kely (Andry TGV) kosa tonga dia au poteau. Tsarovy io fa zavatra hiseho tsy ho ela
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.325