Kristy izany no lohan'ny Fiangonana raha arak'io ry Mpanazava

1. ouioui ( 24/08/2010 12:50)
Mpanazava
Tsy Mpanazava no hanazava fa ny soratra masina no hanazava satria io no Eken'ny ankamaroan'ny rehetra eto hoe tenin'Andriamanitra. Ny Mampalahelo tokony hanapiana an'ireto namantsika ireto manko dia dikan'izy ireo io soratra masina io. Lazaina izao fa i Benoit 16 no filohan'ny Eglizy (Fiangonana) (Papa) nefa i Jesoa nampianatra amin'ilay vavaka nampianarin'ny Tompo fa "Any andanitra ny raintsika ". Raha antsoin'i papa hoe Ray i Yhaveh dia dadaben'ny Kato izany ilay any an-danitra. Hoy ny apostoly Paoly tany efesosy ao amin'ny baiboly katolika :"fa ny lahy no lohan'ny vavy, tahaka ny Kristy no lohan'ny Eglizy izay vatany sy manana azy ho Mpamonjy." (Efeziana 5:23). Mbola sandoka ihany ary i Papa eto satria tsy izy no lohan'ny Eglizy. Aza fitahina ny mpiangona.

novalian'i mpanazava ny 27/08/2010 05:01
2. hery ( 24/08/2010 13:02)
Ny katolika dia mahazo tsara ny dikan'io hoe i Kristy no Lohan'ny Fiangonana io. Ny Katolika koa dia mahalala tsara hoe iza ny Papa ary ahoana ny toeran'ny Papa eo amin'ny fiangonana.

Mety hoe ianareo no voafitaka fa ny mpiangona maharaka tsara ka :-)

Raha tsy maharaka ny mpiangona dia afaka miresaka tsara amin'ireo mpitondra fiangonana (mompera sns) na miresaka amin'izay afaka manazava izany.
3. ouioui ( 24/08/2010 13:12)

Dans l'usage français reconnu par les dictionnaires usuels, et quoiqu'il ne résume pas la totalité de l'usage francophone, le terme de pape employé sans plus de précision désigne l'évéque de Rome, chef de l'Église catholique romaine et chef temporel de l'État du Vatican, actuellement Benoît XVI


Kristy no lohan'ny Eglizy hoy ilay citation biblique nalefan'ni Mpanazava anefa dia ahoana izany toa mifanohitra be , mino aho fa faly foana rahery hampianatra hihihi
4. hery ( 24/08/2010 13:20)
Inona no mifanohitra? chef de l'Eglise catholique romaine et chef temporel de l'Etat du Vatican no hitako eo

Sa izaho indray no tsy mahay teny frantsay?
5. ouioui ( 24/08/2010 13:29)
Aza tezitra be moa e fifanakalonzan-kevitra ny eto e hihihi, tsisy nilaza fa tsy mahay teny frantsay teo, aza adino ny fifanakamlozan-kevitra efa vita

Ozy i hery Pierre no Pape voalohany , nefa i Pierre tsy lohan'ny Fiangonana izany fa Kristy
6. hery ( 24/08/2010 13:40)

Ozy i hery Pierre no Pape voalohany , nefa i Pierre tsy lohan'ny Fiangonana izany fa Kristy


Eny i Pierre no Pape voalohany. Eny i Pierre tsy lohan'ny Fiangonana fa i Kristy. Tsy niteny aho hoe i Pierre no Lohan'ny Fiangonana. Sa niteny an'izany aho?

7. ouioui ( 24/08/2010 13:43)
Ié tsisy fitenenana ka hihihih
8. mpanazava ( 25/08/2010 07:43)

Eny i Pierre no Pape voalohany

Ahoana no hanamarinareo io filazana io?
9. hery ( 25/08/2010 08:05)
mpanazava> Mazava ho azy fa ny teny hoe Pape dia teny vaovao taty aoriana. Ka miainga avy amin'ny famaritana ataon'ny Katolika hoe Pape an'izay Evekan'i Roma nifandimby.
10. ikaretsaka ( 25/08/2010 23:48)
nb: raha te hahalala bebe kokoa ilay nahatonga ny famaritana katolika ny hoe pape ianao kanefa tsy te handini-draha ela , dia io ny teny Grika fiantsoana ny "mompera" sy ny "eveka" :-)
notazonina ny teny hoe hoe eveka satria io no mahavantana, dia ny Pape notazonina ho fiantso ny evekan'i Roma.
Fa azonao atao koa ny miantso azy hoe 'evekan'i Roma raha tianao'
11. Mpanazava ( 26/08/2010 08:18)
Tsara aloha rahefa hekenareo fa i Kristy ny lohan'ny fiangonana (eglizy) fa tsy i Papa. Lazain'ika fa lohan'ny Mpiangona indray i Papa. F'angaha tsy mahavita azy i Jesosy no asiana papa. Raha mbola velona teo i Jesosy, nila an'i Papa ve isika, mba valio tsotra azafady? Fa inona moa ny Eglizy aminareo, ilay trano ve sa ilay fitambaran'olona miangona ao? Tena tsara fantatra ny marina momba ireo.
12. hery ( 26/08/2010 08:33)
Mpanazava> Tamin'i Kristy mbola teo no niteny izy hoe eo aminao no anorenako ny Fiangonana. Tsy mahavita azy ve izy no nahatonga azy niteny an'zany?

Raha mbola velonta teo i Jesoa, asa hoe inona no nataony. Mety tsy nisy Temoins de Jehovah :-)
13. ouioui ( 26/08/2010 11:17)
Mpanazava:

Fa inona moa ny Eglizy aminareo, ilay trano ve sa ilay fitambaran'olona miangona ao? Tena tsara fantatra ny marina momba ireo.

Valio aloha ny fanontaniana leisy rehery fa aza miolankolana a, aza afangaro ny lohahevitra , kristy lohan'ny fiangonana ny resaka aloha fa raha tsy TJ, manokafa lohahevitra vaovao fa mivaoana eee [IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Rires/mdr-mort-de-rire-284923.gif[/IMG]
14. mpanazava ( 27/08/2010 05:01)

Mpanazava> Tamin'i Kristy mbola teo no niteny izy hoe eo aminao no anorenako ny Fiangonana. Tsy mahavita azy ve izy no nahatonga azy niteny an'zany?

Raha mbola velonta teo i Jesoa, asa hoe inona no nataony. Mety tsy nisy Temoins de Jehovah


Talohan'i Jesosy Kristy no efa nisy ny Temoin de Jehovah. Tamin'i Andron'i Jesoa dia izy mihitsy no lazain'ny baiboly hoe "Valombelona mendripitokisana" Jésus est appelé « le témoin fidèle et véridique ». (Jean 18:37 ; Révélation 3:14.) , nous somme le dernier generation.
Fa valio ilay fanontaniana ry ika sy hery an!
Raha mbola velona teo i Jesosy, nila an'i Papa ve isika, mba valio tsotra azafady?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1178