TSOTRA NY VALINY

1. niryna ( 14/08/2010 21:02)
Maro ireo resaka tiantsika anampiana ny finoan'ny rehetra,samy milaza izay mahasoa ny azy sy mahasoa ny fiangonany avy ka rehefa tsy manaraka ny fiangonantsika ilay olona dia hoe manohitra izany. na hoe tsy krisitiana

Inona tokoa moa no antsoina hoe kristiana?
Teny avy amin'ny hoe kristy ...ireo rehetra izay mino ,manaraka ny teny izay nampitondrainy ary manaiky Azy ho Atra.

Mino fa zanak'Atra koa Izy ary tonga tety an-tany. hamonjy antsika rehetra hiala amin'ny fahotana
MIno fa nitsangana tamin'ny maty izy ary mbola hiverina indray,mino azy fa avy ao aminy no nisian'ny fahazavana rehetra,izao rehetra izao tsy misy ary tsy nisy raha tsy nisy izy.

Tsotra ny valiny: ahoana no anampiana ny OLONA REHETRA ?
Ny finoana an'i kristy ho MPANJAKAN'NY MPANJAKA (believe that He is the KING OF king)
Ny fahafantarantsika fa maty noho ny fahotantsika izy*(he died on the cross for our sins)
Tsy ny fiangonana no mahavonjy antsika ary tsy ny fombafomban'olombelona no tadiaviNy fa ny fifandraisantsika amiNy(our relationship with HIM)
Tomponao sy Mpanjakanao IZY manomboka anio(YOUR LORD AND YOUR SAVIOR)
Samy hafa ny fiangonana satria maro koa ny olona no nomeny hery ho tonga zanak'Atra ary manamparitaka ny vaovao mahafaly ho antsika .Tsy ny fisian'ny fiangonana maro anefa no olana fa ny fanaovana tsinontsinona ny an'ny hafa ka raha tsy mitovy ny antsika dia hoe tsy izy izay.

MBOLA TSY NANDRAY AN'I KRISTY TAO AMPONAO VE HIANAO?
Tonga ary ny fotoana anaovanao izany,mangataha ny fanahy masina mba hirotsaka sy ampianatra anao ny fahamarinana fa izay rehetra MINO AZY NO HO VONJENY ARY HANANA FIAINANA MANDRAKIZAY

-MIBEBAHA,MIFONAHA AMINY AMIN'NY FAHOTANA REHETRA IZAY NATAONAO( REPENT AND CONFESS YOUR SIN)
MANEKE FA OLO-MELOKA HIANAO (ADMIT THA YOU ARE SINNER) ARY MILA VONJY HIALA AMIN'IZANY FAHOTANA IZANY.
IZY IRERY IHANY NO AFAKA ANAFAKA ANTSIKA AMIN'IZANY ARY NY RANY NO NANADIOVANY ANTSIKA(TSY MISY NA IRAY AZA MARINA ETO NOHO IZANY TSY MISY OLONA NA IRAY AZA AFAKA ANAFAKA ANTSIKA AMIN'NY FAHOTANA FA IZY DIA IZY IRERY IHANY)
MINO FA ANY AMINY IRERY NO MISY NY FIAINANA,NY LALANA ARY NY FAHAMARINANA IZAY AHAFAHANTSIKA MANKANY AMIN'NY RAY ...HOY IZY MANTSY I AM THE WAY,THE LIFE AND THE TRUTH.....

Mahereza daholo ary ,tsy mora ny manaraka Azy kanefa raha mino hianao fa manomboka izao dia Izy irery no asianao hitantana ny fiainana,tsy misy mpanelanelana,tsy misy fadifady,tsy misy hoe izay tiako ato anatin'ity baiboly ity ihany no lazaiko,tsy misy eny tsy misy fa NY FINOANA AZY SY NY FANOMEZANAO NY FIAINANAO OMENAO HO TANTANANY DIA AHAVALY IREO FANONTANIIANA MISAFOTOFOTO TSY METY TAPITRA IREO.
ALELOIA,DERAINA MANDRAKIZAY ANIE NY ANARANY AMENA


TSY MISY ARY TSY HISY OLONA AHAVONJY NY FANAHINTSIKA NA IRAY AZA RAHA TSY IZY IRERY IHANY.

-MANEKE ARY FA MPANOTA ISIKA ARY TSY MENDRIKA HIANTSO NY ANARANY AKORY KANEFA DIA MISAORA AZY NAMONJY ANTSIKA.OMEO TANTANANY NY FIAINANAO MANOMBOKA ANIO ARY AZA MIVERINDALANA INTSONY
novalian'i xxxw ny 22/08/2010 05:52
2. rijadolly ( 15/08/2010 07:03)
Kitsipona haviatrany:

JAONA 8 : 36 Koa raha ny Zanaka ny hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa hianareo.
3. marcus11 ( 17/08/2010 08:34)
maybe,....[IMG]http://s07.flagcounter.com/count/DymW/bg=ffffff/txt=ffffff/border=ffffff/columns=1/maxflags=1/viewers=3/labels=0/[/IMG]
4. andrywui ( 17/08/2010 10:15)
tonga aty le marcus drapeau ! ssssh feno anlety aminio saina kely io ny forum klee...
5. Miharena ( 17/08/2010 11:15)
Aleo marcus mba hanaraka fa tsy maninona izany e! Ary izy koa aza anie ka mba manome hevitra ihany koa mety azo raisina e!
6. pikatti ( 17/08/2010 15:09)
niryna:

TSY MISY ARY TSY HISY OLONA AHAVONJY NY FANAHINTSIKA NA IRAY AZA RAHA TSY IZY IRERY IHANY.

Ho an'ny mpino azy izany

niryna:

Mino fa zanak'Atra koa Izy ary tonga tety an-tany. hamonjy antsika rehetra hiala amin'ny fahotana
MIno fa nitsangana tamin'ny maty izy ary mbola hiverina indray,mino azy fa avy ao aminy no nisian'ny fahazavana rehetra,izao rehetra izao tsy misy ary tsy nisy raha tsy nisy izy.

Marina tokoa ho an'ny Kristiana, izany ! Eo foana anie ny olana e, samy mody tsy milaza fa hoe ny anay no marina e sns fa raha tena dinihina ny resaka eto sy ny zava-misy dia toa izay daholo ihany anefa ny ao am-po,

Amiko na dia notezaina t@ izany resaka finoana sy fivavahana io aza aho t@ mbola kely( ny Mamako kato, ny Dadako Protestanta, efa nisy olana io t@ mariazin-dry zareo ozy, ny Dadabeko sy ny Dadatoako tsisy mino an'izany Andriamanitra izany...) dia manana ny fomba fijeriko manoka aho ary tsy manevateva ny finoan'ny sasany, tiako fotsiny ny hananan'ny tsirairay saina mivelatra kokoa ary vonona ny hiresaka fa tsy sady tsy mihaino no mbola ndomboloha be fahatany , tsy mahay manohana ny zavatra hinoany akory fa manaraka ambokony fotsiny, nefa hoe nanolontena (izay ilay hoe nanolontena na natolotena mbola kely angamba)
Fa ry Darwin sy ny akamany ary ny finoana hafa samy manana ny fomba fijeriny ,
7. ikaretsaka ( 17/08/2010 15:17)

Eo foana anie ny olana e, samy mody tsy milaza fa hoe ny anay no marina e sns fa raha tena dinihina ny resaka eto sy ny zava-misy dia toa izay daholo ihany anefa ny ao am-po,



izay mihitsy
8. ouioui ( 18/08/2010 21:57)

Fa ry Darwin sy ny akamany ary ny finoana hafa samy manana ny fomba fijeriny ,

Raha mino ny Andriamanitra dia , manaiky ny FAMORONANA (création), raha ny théorie Darwin indray dia ny FIVOARANA(évolution)
Tsy misy fanerena izany fa samy mampitombina fa nahoana no izaho no manohana ny atsy ka mandà ny aroa
Ary na samy eo anivon'ireo foto-kevitra roa lehibe ireo aza dia mbola misy fizarazarana be dia be

Marina izany rapika na eo anivon'ny fianakaviana aza misy samihafa daholo ny fomba fijeriny fiainana daholo izany
9. ikaretsaka ( 18/08/2010 22:20)
fa izao no aza adino hoe tsy maintsy nisy ny zavatra niforona vao nisy ny zavatra nivoatra a.. ohatran'ny ordi ohatra
tsy maintsy niainga t@ zavatra noforonina io.. vao nivoatra tsikelikely

ammiko dia hoe nisy ny creation .. dia avy eo ni evoluer isika
10. ouioui ( 18/08/2010 22:37)
ssssssssss, vakio ny bokin-dry zalahy fa ialahy izany mitady ho borné koa , ny mpino ihany no manama raisonnement hoatran'izany fa ny andry zalahy dia bing bang daholo izao rehetraretra izao
11. ikaretsaka ( 19/08/2010 01:05)
Dia ny tsy mety mazava @ io bingy bongy ange de hoe
- inona no tao ambadik'ilay izy e
-dia naninona no hoe t@ io fotoana io le izy no niseho..fa tsy omaly na androany na rahampitso na t@ herinandro?
12. xxwx ( 19/08/2010 12:44)
Aleo mba hiditra fa forum eto e, kaizao mba manitikitika ahy fotsiny
OUIOUI a, misy bing bang tokoa ve é??
IKA a , avereno hanontaniana koa ary naninona no noforonina taloha isika na taty aorian-driana kokoa fa mety hafa kely ve ny fipetrany? mety tsy ho voafitaka ve Adama?
13. ouioui ( 20/08/2010 22:32)
Izaho aloha tsy mino an'io hoe hasard daholo izany e, tsy kisendrasendra daholo kosa ny fihodin'izao tontolo izao
Fa ilay minomino koa aloha tsy vohako e, aleoko mikarokaroka
14. ikaretsaka ( 22/08/2010 03:57)

xxwx:


IKA a , avereno hanontaniana koa ary naninona no noforonina taloha isika na taty aorian-driana kokoa fa mety hafa kely ve ny fipetrany? mety tsy ho voafitaka ve Adama?

efa nanontaniako dia tsotra ny valiny..

1)satria isika tsy par hasard fa nanaraka plan an'ilay nanao antsika hoe t@ izao no ary
fa tsy hoe saturee t@ zao fotsinyny atome 1 dia ni explode de zay..

2)naninona no t@ izany? satria t@ izany no no saturen'ilay "nanapa-kevitra =nahary hoy ny mpino" le izy! afaka nataony ho omaly io na izao na rahampitso raha izay no tiany... fa t@ 5 miliara taona tany aloha tany no nitiavany azy!
15. xxxw ( 22/08/2010 05:52)
Saturé loatra ny lohanao izany ka mety hipoaka eo koa farany
Kotabain'olana dia lasa tokoa ny adala
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0515