vhv malagasy any inde

1. happyfriend ( 10/08/2010 13:39)
asa na misy olona monina any Inde any maharitra - na efa nandalo tany - mitsidika ity dinika ity. mety hifindra monina any afaka volana maro2 vitsy2 ny tena d mba te haheno aminareo efa mahita hoe manao ahoana ny any. indrindra raha misy manambady teratany indiana dia vao maika hahaliana ny tantaranareo. manao ahoana ny fizarana ny kolotsaina tena hafa, ny fifandraisana amin'ny fianakaviana, sns
dinika malalaka fa ny fifampizarana vaovao no tena ilaina. tsy voatery hoe vhv koa no mamaly fa any mino aho fa betsaka olona manao stage na nahazo bourse mipetraka d ny fiainana amin''ny ankapobeny no mahaliana

mirary soa
novalian'i soanja ny 24/08/2010 13:41
2. happyfriend ( 11/08/2010 13:57)
oooooooooooh tsy misy angamba zany ny dikany zao fahanginana lalina izao??? ooooooh
3. Lejoba ( 11/08/2010 15:34)
Vehivavy manambady indiana ve ianao? efa nihaona t@ rafozam-bavy? Mitovy finoana @ vadinao sa kristiana? Mianara teny indiana, fa sarotsarotra ny fifandraisana raha tsy izany.
Masiaka toy ny vehivavy karana any @ tanàna ihany koa ny any. Mitovitovy fihetsika @ reny gasy manam-binanto hafa firenena.
Ny bandy indiana mila tandremana fa tsy misalasala mihitsy mikôty vadin'olona, fa aza tratran'ny vadinao mitsikitsiky @ aloha fa mahamay! Raha tsara ny fifandraisanareo mivady izao, dia mahazo manantena ianao. Raha henjankenjana ileiry dia miomàna ny saina fa mahery an-tanàna ry lerony.
Raha mipetraka sy lehibe tao Tanà ianao, dia mety ho azonao ny fisainan-dry zareo, saingy ianao indray no "hafa" @ izay
4. soanja ( 24/08/2010 13:31)

Miarahaba anao izany nahazo tokatrano. Tsy mbola nipetraka tan Inde aho fa mpankany ihany. Ny azoko atolotra dia miankina lalandava amin'ilay vadinao ny zava-drehetra. Miankina koa amin'ny faritra izay hisy anareo. Ny vehivavy dia tena mbola kilasiana ho fanaka tokoa amin'ny fisainan-dry zareo amin'ny ankapobeny ary tsy dia to teny loatra. Araka ny voalazan'i lejoba dia manjaka matetika ao anaty tokatrano ny fidiran'ny rafozam-bavy amin'ny fandaminana ny fiainan-janany sy ny anareo. Na izany aza anefa dia misy ny efa mba nahita mahiratra dia manome fahafahana ihany ny zanany sy ny fiainany.

Any dia mbola manjaka ny kilasim-piainana ka tena misy tokoa ny kilasy antsoina hoe "the untouchables" ka mino aho fa tsy tafiditra ao anatin'io ny kilasy misy anareo satria raha tsy izay dia tena mijaly tokoa fa ailikiliky ny fiarahamonina tokoa. Raha tsia anefa dia mila miezaka tsara koa mahazo ny fomba fivavahana - finoana sns amin'ny fianakavianareo.

Tandremo tsara koa anefa fa mbola be dia be ny mivarotra vehivavy any ary mody alainy vady ianao nefa hamidiny any amin'ny " red-light district" izay ao Mumbai (Bombay) ka ny mpihavy n tena lasibatra amin'izany. Ny tena andevoziny ao dia ry zareo vehivavy tsara tarehy avy any Nepal ka isika Malagasy mitovitovy amin'ireo ihany. Koa tandremo tsara tsy handehanheda loatra na manaiky hanaraka olona na toroin'olona business tsy fantatra.

Tohizako
5. soanja ( 24/08/2010 13:41)
Tia firaisan-kina be tokoa ry zareo Indianina ary mifanampy hatrany amin'ny asa atao ara-pianakaviana. Tsy tena mbola nahalala olona nanambady olona avy amin'ny firenena hafa aho nanambady karana any Inde fa maro kosa ny tokatrano mifangaro hitako ety ivelany toy ny any Grande Bretagne sy New York ary Montreal. Matetika dia somary sahirankirana ihany am-boalohany amin'ny fahafantarana ny olona tsiraray ao anaty fianakaviana sy ny fomba fandraisana aminy saingy rehefa miresaka lalandava ain'ny vadinao ianao ka mangataka ny fanampiany mba izy no mampifandray anao amin'ny hafa dia toa milamina ihany. Miankina lalandava amin'ny kolotsaina ao anaty fianakaviana mantsy izany na dia eo aza ny toe-tsaina iraisana.

Antenaiko fa mpanakarena ny vadinao na efa manana asa mitombina tsara ianareo va hody any ianareo satria sarotra ny ahita asa any raha vehivavy hafa firenena ianao.

Izay indray ary. Mazotoa hatrany. Nisy Gasy fantatro tany fa izy tsy mihevitra azy ho gasy intsony noho izany dia mety tsy afaka ampitaha ny kolontsainantsika aminao. Saingy tsara fanahy be izy ka afaka manome anao hevitra ihany. Efa tsy any izy ireo anefa na dia niaina elabe tany ary Amerikanina ny vadny fa tsy Karana. Afaka ampifandraisiko ianareo raha tianao izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9345