Ahoana no hanampiana ny Hindoue ?

1. ndenn ( 09/08/2010 21:37)
Ireo hindoue tsy dia mankasitraka loatra ny fitsanganan' ny fanahy ho any amparadisa aorian' ny fahafatesan' ny nofo nitoerany ,fa hiverenany hivelomany @ olombelona na biby , na zavamanan' aina hafa ?
novalian'i xxxw ny 22/08/2010 06:05
2. soanja ( 09/08/2010 21:59)
Hanampiana ahoana re?
3. ikaretsaka ( 09/08/2010 22:41)
misy fanontaniana tiako hapetraka @ i Ndenn sy ny namana sasany
Inona no anton'ny hivavahanao?
-Tahotra ny afobe ve?
-Sa fitia te ho any am-paradisa?
4. hery ( 09/08/2010 23:13)
:-)

Ny Hindouisme dia tsy sekta. Malalaka tsara ny olona miditra ao. Tsy misy arakaraka raha mivoaka. Tsy misy fisakanana tsy hihaona amin'ny fianakaviana. Ny hindoue dia tsy miteny hoe izy irery no ho voavonjy... ny hindoue dia tsy mandrebireby mitety ny tranonao mieritreritra ny hamonjy ny fanahinao.

ka amiko dia tsy misy olana ry zareo hindou ka tsy mila fanampiana.
5. ikaretsaka ( 10/08/2010 00:16)
mitovy fijery @ Hery
6. Hinagasy ( 10/08/2010 10:20)
Fa hono'ho'aho ny kristianina moa ve tsy miteny hoe izy irery ihany no voavonjy? manontany aho satria tsy mahay an! hoe tsy maintsy amin'ny alalan'ny Jesoa Kristy ny famonjena???
7. hery ( 10/08/2010 10:27)
Ny hoe tsy maintsy amin'ny alalan'i Jesoa Kristy ny famonjena tsy midika velively hoe ny Kristianina ihany no ho voavonjy. Midika fotsiny hoe i Kristy no mamonjy ka mety misy kristianina tsy voavonjy ary misy tsy kristianina voavonjy.

Niteny koa izy rehefa nampitandrina ny mpianany tamin'ny tsy fahampian'ny finoany fa ny jentilisa sy ny mpivaro-tena no ho tonga alohanareo any an-danitra (raha tsy mitandrina sy tsy mino)

Izany hoe tsy ny mitondra anarana hoe Kristianina (na manao Tompoko Tompoko) no ho voavonjy fa izay manatanteraka ny sitrapon'ny Ray izay any an-danitra...
8. hery ( 10/08/2010 10:34)
Raha vao miteny ianao hoe ry anona (na izahay) ihany no ho voavonjy dia efa mametraka ny tenanao ho Andriamanitra sahady ianao izay.

Ny azo antoka fotsiny dia hoe izay mino no ho voavonjy
9. ikaretsaka ( 10/08/2010 12:24)

Hinagasy:

Fa hono'ho'aho ny kristianina moa ve tsy miteny hoe izy irery ihany no voavonjy? manontany aho satria tsy mahay an! hoe tsy maintsy amin'ny alalan'ny Jesoa Kristy ny famonjena???

mba afaka faritanao ve ny atao hoe "famonjena". araka ny fahitanao azy? (tsy le recitation be ana sekoly alahady a)

dia avy eo afaka tena tsorinao ve ny tena antony mahatonga anao hivavaka? fitia te ho any am-paradisa sa tahotra ny afobe? sa antony hafa mihitsy?
10. bor2lais ( 10/08/2010 12:32)
Hery > Miombon-kevitra aminao aho eto.

Miharena > ny anao indray moa dia "nous irons tous au paradis" (na mino na tsy mino) ô !
11. ikaretsaka ( 10/08/2010 13:29)
ny ahy rabord dia izaho ihany mantsy
Raha nohon'ny tahotra ny afobe no hivavahako, dia aleo aho ho any
raha nohon'ny fiandradrana paradisa no hivavahako, aza alefa any aho
fa raha nohon'ny fahatsapako ny fahasoavan'Atra sy ny famirapiratany ary ny indrafony, izay no ampy ahy!
12. xxxy ( 10/08/2010 17:18)

hery:

Raha vao miteny ianao hoe ry anona (na izahay) ihany no ho voavonjy dia efa mametraka ny tenanao ho Andriamanitra sahady ianao izay.

Ny azo antoka fotsiny dia hoe izay mino no ho voavonjy

Mila hamafisinao kely io hoe izay mino an !Atra no voavonjy sao ny sasany mino zavatra hafa.
13. ndenn ( 10/08/2010 18:18)
Hoy i Ika ==>" Inona no anton'ny hivavahanao?
-Tahotra ny afobe ve?
-Sa fitia te ho any am-paradisa?

Hoy aho aminao hoe , ny vavako dia vavako irery ,ary tsy misy hahalàla izany afatsy ny Avo sy ny ao anatiko ! Raha ny @ fahatahorana ny helo , dia tsy manana tahotra na dia kely aza aho raha izay no ho anjarako rehefa tonga ny fotoana ,satria nahoana hoy i Ika ? Tsy misy angamba n' iza n'iza olona teto sy mbola eto antany @ izao fotoana izao nahavita naminany ny làlan' ny lahatry ny natiora efa tsy misy tomika ( Marina tanteraka ) ka nitompo teny fa nahalàla ny fizotry ny fiainana any ankoatra , hatr@ niandohan' ny tantaran' olombelona , na dia ny olomasina indrindra aza.
Ny @ hoe fitiavana te ho any amparadisa ,dia mbola mitovy @ foto-kevitro eo ambony ihany no hamaliako an' i Ika : tsy nisy , tsy misy hatr@ izao ny afaka manambara fa any no fiadanana napetraky ny lanitra ,ary tsy manana finiavana ny handeha hiadana any amparadisa aloha @ izao fotoana izao, fa mbola eto ambany masoandro toa ny olona mpandalo rehetra mamita ny anjara lahatro.

Raha lazaiko i Ika hoe misy toerana hafa maro ankoatry ny helo sy ny paradisa azo hivantanan' ny fanahy @ ireo olona hafa finoana tsy Xana , hino izany ianareo ?
14. Hinagasy ( 11/08/2010 06:23)
Ika> ilay famonjena resahiko ery aloha eto dia ilay famonjena ny fanahy . Voalazan'i Hery ao anatin'ny tenininy hoe "Ny hindoue dia tsy miteny hoe izy irery no ho voavonjy", dia io no noraisiko.

Fa raha izaho no hanontanianao hoe inona no tena atao hoe famonjena? dia mety ho hafa ny valim-panontaniako. Tsy tena voafaritro mazava koa hoe inona no tena ataoko hoe famonjena? fiadanan-tsaina sy fo? filaminantsaina sy fo? manakaikikaiky an'izay! Ny fahafantarako fa manao ny tokony ataoko aho, ka tsy misy nenina sy tahotra ao amiko?? famonjena angamba amiko dia ny fahafahana amin'ny zavatra maningotra rehetra mety mahazo, ny adin-tsaina, ny fitiavan-tena, etc...izany hoe miatomboka eto amin'izao tontolo izao fa tsy amin'ny andro farany. Voavonjy aho rehefa manakaiky ny fananako fo madio.

Dia mbola io fitadiavana fahasambaran-tsaina sy fo madio io no mahatonga ahy hivavaka, mba hahatonga ahy ho olona tsara ho an'ny tontolo manodidina ahy, hahatonga ahy hanakaiky ilay modely noraisiko (Kristy), ny hampiezaka ahy tsy hanafitohina olona, hizara sy hanampy olona, ny hampiezaka ahy hijery ny lafiny tsara rehetra amin'ny fiainana, sy ny mba hahazoako fiadanantsaina.
Tsy matahotra afobe aho, tsy mino ny afobe ny tena marina! fa ny azoko antoka dia eto amin'ity fiainana ity no hanombohana ilay helo na ny paradisa.
Dia hoe mivavaka amin'iza aho? mivavaka amin'Andriamanitra aho, amin'ny Kristy koa, miezaka ny maka azy ho modely kanefa io famonjena ho an'ny kristianina irery io no tena tsy ekeko, na ny hoe ny fivavahana amin'Andriamanitra irery ihany no hahazoana famonjena araky ny lazain'i XXY, ary be dia be ny kristianina miventy io famonjena irery ho an'ny kristianina io!.

Amiko na silamo, na Hindoue, na mpanompo sampy tsy mampiasa ny fivavahany haningorana ny fiadanan'olona hafa, dia samy mety voavonjy. Fa izaho tenako no tsy ho voavonjy raha lasa silamo, na Hindoue na manompo sampy satria tsy mino ilay finoana aho, dia lasa manana nenina hoe tsy mety ny ataoko! kanefa manaja tanteraka ny finoan'olona rehetra!
Fantatro fa be dia be ny antoko sy andininy ao amin'ny baiboly mety mandiso ny zavatra eritreretiko fa amiko ny base ny rehetra dia "Andriamanitra dia fitiavana!" dia izay!!!!

mitovy amin'ny hiran'i Bessa:

Ny Andriamanitra inoako, Andriamanitra fitiavana
Tsy Andriamanitra masiaka mpanasazy
Tsy Andriamanitr'antoko, tsy mpanavaka foko
Tsy mpijery harena na fiaviam-pirenena,
Fa ny Andriamanitra inoako hantra sady honena
Ka ny olona rehetra mahazo azy
Tsy mpizara alahelo, tsy mamorona helo
Fa Izy no fitiavana

Ny Andriamanitra inoako tompon'ny fahendrena
Te hanova izay ratsy ho tsara
Tsy mba faly manjera na revolisionera
Fa manarina hatrany ireo maditra eto an-tany
Ny Andriamanitra inoako Andriamanitra fitiavana
Tsy mba mila takalo fa mizara
Ny mandray izay omeny no hany fandreseny
Fa Izy no fitiavana
15. ikaretsaka ( 11/08/2010 14:39)

Amiko na silamo, na Hindoue, na mpanompo sampy tsy mampiasa ny fivavahany haningorana ny fiadanan'olona hafa, dia samy mety voavonjy

izai indrindra mantsy
16. soanja ( 11/08/2010 16:48)

ndenn:

Ireo hindoue tsy dia mankasitraka loatra ny fitsanganan' ny fanahy ho any amparadisa aorian' ny fahafatesan' ny nofo nitoerany ,fa hiverenany hivelomany @ olombelona na biby , na zavamanan' aina hafa ?

Tsy fanirian'ny Hindoue ny hiverina ety an-tany indray rehefa maty izy saingy raha mbola tsy nahavita adidy izy dia hiverina ihany.

Misy toerana toabolan-tany hafa aleha ho an'ireo fanahy isan-karazany ary ireo dia toeran'Andriamanitra avokoa saingy misy kilasiny miankina amin'ny adidy miandry. Tsy ny tany irery no eo amin'ny universe fa maro ka dia mahereza mandalina izay mbola tsy hay.

Ny faniriana faratampony dia ny tsy hisian'ny inona n'inona intsony rehefa lasa ianao fa vita ny momba anao , tsy hanana adidy itsony ary ho tony izany momba anao izany.
17. ndenn ( 11/08/2010 18:53)

soanja:

Mety ho izany ! Ny fanontaniako mantsy dia mikasika ny famonjena ny fanahin' ny vohary ! Ny hindoue dia fiafaran' ny fisian 'ny fanahy tanteraka no andrandraina , izay ve ilay famonjena , famonoana ny fanahin' ny olona efa lasa mba hanomezana anjara ny velona sasany ? ny @ xana dia ilay fiainana mandrakizay hoy ny hafa !
18. ouioui ( 18/08/2010 22:31)
Ny hindou ny azy réincarnation , ianao dia efa nisy foana tany ho any fa mifindra toerana na biby na olona ny fanahinao
Mihabetsaka koa ry zareo izao fa fomaba hafa kely ny azy no recrutement hataony ,
Samy mitady kil daholo ny fiangonana e, ary ny ao dia tazomina mafy ery sao mivadi-pinoana hono dia any @ izany afobe izany indray e hihiihi
19. marcus11 ( 19/08/2010 10:13)
ooh ! Cool ;)[IMG]http://s07.flagcounter.com/count/DymW/bg=ffffff/txt=ffffff/border=ffffff/columns=1/maxflags=1/viewers=3/labels=0/[/IMG]
20. ouioui ( 21/08/2010 20:32)
ndenn
Mety ho izany ! Ny fanontaniako mantsy dia mikasika ny famonjena ny fanahin' ny vohary ! Ny hindoue dia fiafaran' ny fisian 'ny fanahy tanteraka no andrandraina , izay ve ilay famonjena , famonoana ny fanahin' ny olona efa lasa mba hanomezana anjara ny velona sasany ? ny @ xana dia ilay fiainana mandrakizay hoy ny hafa !

Aiza ialahy ry karetska a, ialahy mahay ny zavatra rehetra valio ary ny fanontanian'olona e, toa hialan'ialahy sa hodiana fanina rehefa tsy metimety @nareo hihihi
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0586