Lasa mpitsabo malaza ny Kalanoro.

1. soanja ( 09/08/2010 19:49)
Mahavariana sy mahaliana tokoa. Fanahy sa olona izy ireo? Tsy tena mazava amiko tsara ilay fandehany. 52 be izao no miasa araka ny tatitra an-gazety.

http://www.taratramada.com/spip.php?article2680
novalian'i harena2 ny 01/09/2011 12:32
2. Miharena ( 10/08/2010 12:25)
Rehefa fantatra fa fanahy avokoa na isika olombelona aza dia mora ny fahafantarana ny Kalanoro sy ny Tromba.

Ilay hoe maromaro indray miasa ao amin'ny olona iray dia noho io olona io manaiky ny hiasany ao satria fanahy te-hiasa ireo Kalanoro sy Tromba ireo.

Raha mamaky boky momba ny fiasan'ireo isika dia misy vavolombelona nipetrahan'ireo fanahy ireo izay mitantara fa tsy tompon'ny tenany intsony izy ireo ary mahatsiaro mijaly amin'ny fitsipika apetraky ny Tromba aminy. Matetika moa dia manambara ny fomba nahafahany tamin'izany Tromba izany ny olona mijoro vavolombelona.
3. soanja ( 10/08/2010 16:24)

Miharena:

Mba diniho tsara anie ilay voalazan'i gazety fa toa mifanohitra ihany. Milaza mantsy izy fa fanahy ny kalanoro ery amboalohany antsoina rehefa hampiasa azy, nefa koa ety amin'ny farany dia manazava izy fa misitrika izy ireo ny andro mazava ary ny alina no mivoaka. Olona fohy sns ary indrindra misakafo.

Mahafantatra momban'ny tromba aho ary ireo dia fanahy efa dilatra ny vatany, zany hoe ny fanahin'ireo efa maty. Ity resaka kalanoro ity kosa dia raha fazahoako ny fanazavana dia mbola manana aina tsara ireo ary velona toa antsika olombelona ihany. Izay moa no fanazavana nataon'ilay lehilahy iray manana kalanoro tao 67 ha 25 taona lasa zay. Mila anaterana tantely hono izy ireo ary tena mihinan-kanina toy ny olombelona mihitsy. Mahita ny toerana misy ny volamena sns koa ka raha angatahina dia mitondra ireo harena ireo ho an'ilay manompo azy. Iny faritra Mahajanga iny no tena misy azy ireo hono sy ny any ambanivohitra Nosy Varika. Asa anefa fa honohono no fantatro.

Tany Vohemar koa anefa dia nilaza mihitsy ilay olona fa hoe haniraka kalanoro haka ny copiany any ambanivolo lavitra be tanana tsy vitan'ny fiara sy ny dian-tongotra andro 2 na telo. Dia naniraka hono izy ny alin'io dia ny maraina nateriny teny amin'ny birao ny kopiany fa azony teo ny eo hono nony nirahina ilay kalanoro. Zany an! Mahavarina tokoa izany hoy aho nanatrika teo.
4. xxxy ( 10/08/2010 16:59)
fa sao dia adinonareo aza ny fombandrazana fitsaboana taloha alohan ny nisian ny hopitaly sy ny siansa sy ny dokotera?????
5. Miharena ( 11/08/2010 06:09)
Somary mifangaro kely tokoa ny firesahana ireo zavatra roa Tromba sy Kalanoro ireo saingy misy azo hampifangaroina azy kely ihany anefa dia ny herin'ny fanahin'izy ireo.

Ny Kalanoro dia misy fa tsy honohono loatra ary tsy hoe Mahajanga ihany no misy azy fa eran'i Madagasikara. Ny ao Mantasoa ohatra dia misy izy ary ireo dia olona voatototry ny rano tampoka ka lasa Kalanoro. Velona izy ary ny fanahiny no tena mahery tsy azo ampitahaina amin'ny olona tsotra. Mitovitovy amin'ny resaka lolo vokatra ihany koa izy ireo. Raha jerena dia immortelle ry zareo ao amin'ny vatany ara-nofo. Ka na dia efa miraraka aza ny nofo dia mbola ao hatrany ny fanahiny.

Io ilay herin'ny fanahy eo am-pahafatesana izay mifikitra mafy dia mafy tamin'ny nofo ka mitohy mivelona hatrany anaty nofo. Ny an'ny Hindouiste sy ny Boudhiste dia réincarnation no misy fa ny lolo vokatra sy ny Kalanoro kosa dia réincorporation.

Eo amin'ny resaka fitsaboana indray dia miankina amin'ny finoana no mahasitrana raha talohan'ny nisian'ny dokotera teto Madagasikara. Matoky ny Ombiasa sy ny Mpanandro ny olona ary manaiky fa ry zareo no mpanelanelana amin-Janahary dia izay no ahazoany fahasitranana sy fitahiana.

Eo amin'ny Fifohazana dia io herin'ny finoana io izay efa nentin-drazana teto Madagasikara no nahafahany nitsapa tsara ny herin'Andriamanitra sy Jesosy ka nanjary lasa mpanompo mahatoky tokoa izy noho izany.

Maro ireo olona voatsabo tsy mila fanafody na dia homamiadana aza no manjo ny olona manatona ireny Toby Masina ireny.
6. diamondra27 ( 11/08/2010 07:50)
efa hitanareo ve ilay film hoe: kalanoro , film gasy?
nisy mpivady zany de nitsangatsangana nanao piknik ry zareo niaraka tam zanany, dia tampoka teo tsy hitany ny zanany vavy kely, lasan-drano ilay izy. Hay nalain'ny kalanoro. Dia niseho t@ ilay rangahy ny kalanoro ary nanao pacte fa hoe: raha manasoa sy manasitrana ny mponina ao @ilay tanànana 1 izy dia averiny ny zanany vavy. Dia lasa mpanasitrana izy, ny herin'ilay kalanoro no manasitrana ny olona. Tonga ny olona milahatra marobe , dia mandray izay bassine misy rano izay izy , misafo io rano io izy dia apetrany @ olona marary dia sitrana ny marary .
rehefa ela ny ela dia NANGATAKA izy MBA HAHITA NY ZANANY , dia nomen'ilay kalanoro azy ny zanany vavy, velona soa aman-tsara. vita ny film.
Lavabe fa zay ny resumé, misy ifandraisany @ lohateny, dia hoy aho hoe: raha ity voalazan'ny gazety taratra ty zany no ampitahaiko @ le film dia tena mitovy mihintsy ny voalazany.
ANY ANATY lava-bato any ry zareo no mipetraka dia toerana misy rano, lavavolo be sady fohy kely.
7. Rabaradaka ( 11/08/2010 10:05)
Efa nanatrika fiantsoana tromba sy kalanoro aho ary nahita tokoa na tany amin'ny faritra avaratra (Ambanja, Ambilobe) na tany atsinanana (Fénérive-Est, Sainte-Marie) na teto Iarivo (Ambohidratrimo, Manjakandriana). Nanatrika aho satria nasaina fa tsy hoe nitsabo tena akory. Fanahy no antsoina ary tsy hino ianao hoe misy olona tsy nianatra ary tsy mahay teny vazaha nefa rehefa tonga aminy ilay fanahin'ilay vazaha (Rodrigues no anarany) dia tena miboredika miteny vazaha ilay olona. Ny antony ilana ny troba na kalanoro dia izao : izy ireo no manelanelana ny olombelona amin'i Zanahary ary irahina izy ireo manome torohevitra ny amin'ny fanafody hitsaboana olona iray marary. Antsoy aho raha liana amin'io ianao
8. arialy ( 14/08/2010 13:34)
mahavariana ahy inty resaka ity satria aho mahalala olona any dago, mpivavaka be, tsy haiko ny anaran'ny fivavahany ao antananarivo fa ry zareo tsy miantso oe Andriamanitra sy jesosy fa oe "yoshua", io ramatoa fantako io miresaka foana ny momba ny kalanoro sy petit gris (tsy haiko na iray iany ireo). fa dia tena ohatry ny mampitaha ny fiainany amin'ny ireo ry zareo ao amlay communauté, tsy ny asa tsara vitany no lazainy fa ny ratsy anefa, ary lazainy fa devoly velona ireo izay mi amadouer ny olombelona hino sy hanaraka azy, ry zareo ao amlay communauté moa tena be obligations be toy ny tsy maitsy miakanjo lava be ny vehivavy, tsy mahazo maneho vatana, tsy maitsy mizipo be ny vhv ary mi short lava ny lhl na hilomano aza, mivoana kely aho tamin'iny.
fa ilay ramatoa tena mahavariana refa miresaka fa momba ny petit gris sy kalanoro fona, ary milaza koa fa velona ireo ary karazana extra terrestre.
Rabaradaka < ianao gamba mpitsabo olona koa matoa voasa amzany é
9. marcus11 ( 17/08/2010 08:32)
yes..[IMG]http://s07.flagcounter.com/count/DymW/bg=ffffff/txt=ffffff/border=ffffff/columns=1/maxflags=1/viewers=3/labels=0/[/IMG]
10. soanja ( 18/08/2010 02:36)

Rabaradaka:

Efa nanatrika fiantsoana tromba sy kalanoro aho ary nahita tokoa na tany amin'ny faritra avaratra (Ambanja, Ambilobe) na tany atsinanana (Fénérive-Est, Sainte-Marie) na teto Iarivo (Ambohidratrimo, Manjakandriana). Nanatrika aho satria nasaina fa tsy hoe nitsabo tena akory. Fanahy no antsoina ary tsy hino ianao hoe misy olona tsy nianatra ary tsy mahay teny vazaha nefa rehefa tonga aminy ilay fanahin'ilay vazaha (Rodrigues no anarany) dia tena miboredika miteny vazaha ilay olona. Ny antony ilana ny troba na kalanoro dia izao : izy ireo no manelanelana ny olombelona amin'i Zanahary ary irahina izy ireo manome torohevitra ny amin'ny fanafody hitsaboana olona iray marary. Antsoy aho raha liana amin'io ianao

Misaotra an'i Rabaradaka nanome fanazavana. Tsy afaka hiantso an'Ise kosa aho aloha fa mbazarao eto avao izay mba fantatra any.

Raha resaka tromba indray dia arako tsara. Lehibe tao anaty fomba fanompoana tromba aho ary mahavariana tokoa ny zavamisy iainan'ny olona manana tromba. Ny tromba nisy tamin'ireo olona fantatro moa dia RAVOAY ka dia tena manao fihetsiky ny voay tokoa izay tongavany. Hilaza hoe devoly sa tsia dia tsy hanana izany valiny izany aho satria sady hitako lavitra koa ny hasoan'ny fiainana Xtianina izay niainako tamin'ny fotoana nahalalako ny fisian'ny tromba ary ny fanompoana isan-karazany atao amin'izany.

Isan'ny alalana ny olona misy tromba dia tsy mihinana akoho na atody akoho izy ireo ary tena fadin-drazana amalona, kisoa ary voanjobory. Tsy azo ambolena tongolay ny manodidina ny tranony na ny toerana iainany ary tsy afaka miditra fiangonana koa izy ireo.

koa noho izany dia aoka samy hahalala hoe mety aminao ve ilay fanompoana sa tsia?

Ny hany tena tiako tsindriana kosa dia hitako koa ny niafaran'ireo olona nanompo tromba maro izay niara-niaina tamiko. Isan'izany dia ny fahafetasan'ireo zanaky ny mpanompo tromba sy ny fahantrana ara-panahy sy ara-batana mianjady amin'ireo izay niaina izany ka te hanova filamatra indray. Tandremo tokoa hoy aho ny zava-tsy mahazatra.

Isaorako anefa Andriamanitra nanoro ahy hoe inona avy ny zavamisy eto an-tanyn dia inona no safidy tsara arahina. Mazotoa daholo.
11. rakotondrabe ( 05/12/2010 09:28)
Ireo resaka hitako etsy ambony ireo (tromba, kalanoro, sns ...) dia sarotra ho an'ny olona tsotra (profane) ny tena mahazo ny resaka.

Za ko aza gaga satria na ireo mpitsabo sasany aza tsy mahavita manavaka ny atao hoe : tromba sy zanahary mitoetra amin'ny olona iray.

Ny fady (akoho, kisoa ...) anie dia arakarak'ilay zanahary mitoetra aminao fa tsy voatery hitovy daholo ny fady ho an'ny olona misy zanahary mitoetra rehetra.

Raha mandinika science occulte isika dia afaka manambara fa ny olona iray dia manana mpiaro n'aiza n'aiza misy azy. misy fanahy na zanahary mitoetra avokoa ny olona rehetra.

fa eo ilay hoe ny an'ny sasany mila avoka, na hatao fomba ilay zanahary amin'izay tsy manimba fiainan'ilay olona.

Mbola antsoina hoe tromba izy raha mbola tsy voadio tsara, izany hoe, mbola mitambatra mitoetra ao amin'ilay olona na fanahy ratsy na tsara. Io zany tonga dia fantatra avy hatrany rehefa mampidina zanahary na fanahy ilay olona amin'ny fihetsiny sns.

Ny zanahary nefa misy sokajiny koa, ny farany ambony mo izany dia Andriamanitra miaraka amin'ny fanahy masina.

fa raha jerevana ny misy eto antany dia ireo kalanoro, zazavavin-drano ireo no tena efa sokajy ambony, ireo nefa tsy fanahy fa zavaboharin'Andriamanitra ihany, fa nomeny hery manokana, ary manana ny fomba fiainana ihany koa izy ireo izay tsy mitovy amin'ny olona tsotra (monde parallèle), matoa ianao zany mahita kalanoro sy afaka mitsabo dia efa lasa alavitra ianao zay.

matoa ianao ipetrahana kalanoro dia efa iray ao anatin'ny olona arivo ianao izay ka tokony mitandrina tsara satria otrany mitondra sambo iray ianao mitondra azy, ka raha misy zavatra tsy mety dia miafara amin'ny fandehanany sy fahafatesanao aza.

Raha tsy vonona zany dia aleo mihintsy tsy miditra lalina, fa aleo aty amin'ny sokajy zanahary ihany.

Maro ny resaka ary maro koa ny tsy azo tantaraina satria vitsy ny olona mahazo resaka

++

12. Miharena ( 05/12/2010 11:18)
Rakotondrabe:

Maro ny resaka ary maro koa ny tsy azo tantaraina satria vitsy ny olona mahazo resaka

Misaotra anao amin'ny fanamarihina nefa eo amin'ilay hoe tsy azo tantaraina no mba tiako asiana tsindrim-peo hoe amin'izao fotoana mazava izao dia tokony ho efa mahazo resaka daholo ny rehetra. Ka tsy mampaninona mihitsy ny mampahalala ny zava-drehetra. Ny mifampizara dia ilaina ahafahana manampy ny hafa izay hita mijaly amin'ny resaka Tromba sy Kalanoro.
13. rakotondrabe ( 05/12/2010 18:39)
Misy maha marina ny voalazanao, fa misy kosa resaka izay tsy ambara olo tsotra, misy koa ny tsy ambara telo sy tsy ambara vady aza ...

Ny azoko lazaina fotsiny dia misy ireo zavaboary ireo. Ary tsy mora ny fitondrahan-tena miaraka amin'izy ireo. Voafidy ao anatin'ny maro ny olona hipetrarany, satria olona matotra tanteraka, mijoro ho raiamandreny, mahavita ny asa, tsy kamokamo, tsy tia fosafosa, tsy tia be resaka sns ... matotra hoy aho tsy amin'ny fijery ety ivelany fotisny an, fa mila fo madio sy fanahy tsotra no tsara. Izay anie no maha sarotra azy é, tsy kilalao mihintsy io

Sarotra nefa ny mino nefa tsy mahita, nefa sambatra ihany koa ny mino nefa tsy mahita ...

Miharena:

Rakotondrabe:

Maro ny resaka ary maro koa ny tsy azo tantaraina satria vitsy ny olona mahazo resaka

Misaotra anao amin'ny fanamarihina nefa eo amin'ilay hoe tsy azo tantaraina no mba tiako asiana tsindrim-peo hoe amin'izao fotoana mazava izao dia tokony ho efa mahazo resaka daholo ny rehetra. Ka tsy mampaninona mihitsy ny mampahalala ny zava-drehetra. Ny mifampizara dia ilaina ahafahana manampy ny hafa izay hita mijaly amin'ny resaka Tromba sy Kalanoro.
14. Miharena ( 06/12/2010 07:08)
Marina tokoa ny filazanao Rakotondrabe ny amin'ny fahamatorana sy fahadiovam-po. Ny zava-mitranga matetika anefa dia tsy afaka manampy loatra ny olona ny tsy fampahalalàna azy ny zavatra hitranga raha toa ka tsy manaiky intsony ny hipetrahan'ny tromba ny olona iray. Io ilay fanadiovana ny tranon'ny tena. Satria raha Kalanoro sy Tromba no resahana ka ireo no manjaka be loatra ao anatin"ny tenan'ilay olona fa tsy mahavita ny asa aman-draharahany intsony ilay olona dia izany no atao hoe possession, izay tsy tokony hitranga loatra. Ny eo amin'ny resaka firesahana ara-dalàna indray amin'ireo fanahy amin'ny endriny mazava (canalisation) dia tsy hita izay maharatsy azy, raha tsy hoe angaha ka miteniteny foana ilay antsoina hiresaka.

Fampianarana no tokony hitranga avy amin'ny tromba sy Kalanoro fa raha toa ka resaka kivalavala dia tsy misy fandrosoana ho an'ny olona mila hevitra aminizy ireny.

Ho an'i Kristy dia ny mampandroso izay olona mihaino ny FEONY no ataony, ary IZY aza dia azo lazaina fa mahafantatra tsara ny fisian'ny firesahana amin''ny fanahy ka milaza hoe: izahao toetra ny fanahy na avy amin'Andriamanitra na tsia. Misy avy amin'Andriamanitra izany na dia fanahy tromba na Kalanoro antsoina aza raha toa ka tena AVY AMINY NO NIANDOHANY. Rehefa TSY avy AMINY dia io no fikirin'ny ataontsika hoe fanahy ratsy tiany hivelomana ka izay tafatoetra ao dia lasa lolo vokatra ohatra, na voary iray izay hihodinkodina fotsiny fa tsy hisy fivoarany hiverina an-doharano nipoirana dia ny MAZAVA MPAMORONA izany.

Mampiverina any amin'ny fandinihina lalina ity resaka mbola nofohazinao ity Rakotondrabe, ka asa na mahalaza ny zavatra resahana ny voambarako na tsia.
15. Summer ( 19/12/2010 18:02)
Miarhaba an'i Mr Rakotondrabe.tena mi interresse be na ity resaka kalanoro ity.Betaka ny zavatra efa nandalovako ka ianao itako mahalala zavatra betsaka mety hahavaly ny fanontaniako ka sao dia afaka omenao adiresy e mail aho rah tsy mampaninona anao moa izany ahafahako mifandray aminao.Dia misaotra mialoha
rakotondrabe:

Ireo resaka hitako etsy ambony ireo (tromba, kalanoro, sns ...) dia sarotra ho an'ny olona tsotra (profane) ny tena mahazo ny resaka.

Za ko aza gaga satria na ireo mpitsabo sasany aza tsy mahavita manavaka ny atao hoe : tromba sy zanahary mitoetra amin'ny olona iray.

Ny fady (akoho, kisoa ...) anie dia arakarak'ilay zanahary mitoetra aminao fa tsy voatery hitovy daholo ny fady ho an'ny olona misy zanahary mitoetra rehetra.

Raha mandinika science occulte isika dia afaka manambara fa ny olona iray dia manana mpiaro n'aiza n'aiza misy azy. misy fanahy na zanahary mitoetra avokoa ny olona rehetra.

fa eo ilay hoe ny an'ny sasany mila avoka, na hatao fomba ilay zanahary amin'izay tsy manimba fiainan'ilay olona.

Mbola antsoina hoe tromba izy raha mbola tsy voadio tsara, izany hoe, mbola mitambatra mitoetra ao amin'ilay olona na fanahy ratsy na tsara. Io zany tonga dia fantatra avy hatrany rehefa mampidina zanahary na fanahy ilay olona amin'ny fihetsiny sns.

Ny zanahary nefa misy sokajiny koa, ny farany ambony mo izany dia Andriamanitra miaraka amin'ny fanahy masina.

fa raha jerevana ny misy eto antany dia ireo kalanoro, zazavavin-drano ireo no tena efa sokajy ambony, ireo nefa tsy fanahy fa zavaboharin'Andriamanitra ihany, fa nomeny hery manokana, ary manana ny fomba fiainana ihany koa izy ireo izay tsy mitovy amin'ny olona tsotra (monde parallèle), matoa ianao zany mahita kalanoro sy afaka mitsabo dia efa lasa alavitra ianao zay.

matoa ianao ipetrahana kalanoro dia efa iray ao anatin'ny olona arivo ianao izay ka tokony mitandrina tsara satria otrany mitondra sambo iray ianao mitondra azy, ka raha misy zavatra tsy mety dia miafara amin'ny fandehanany sy fahafatesanao aza.

Raha tsy vonona zany dia aleo mihintsy tsy miditra lalina, fa aleo aty amin'ny sokajy zanahary ihany.

Maro ny resaka ary maro koa ny tsy azo tantaraina satria vitsy ny olona mahazo resaka

++

16. rakotondrabe ( 21/12/2010 18:49)
Salama daholo,

ito ary ny adressy email ko : rakotondrabe@hotmail.co.uk

misaotra betsaka,

Summer:

17. Summer ( 28/12/2010 17:56)
salama tompoko sady tratr ny fety
efa nanoratra t@ le adresy za fa tsy haiko na tsy mande na ahoana, sao misy adresy hafa azafady? sa io an?
merci

18. harena2 ( 01/09/2011 12:28)
salut, izaho manoratra zany dia milaza fa tena misy izany tromba sy kalanoro izany, fa fahagagana tokoa kalanoro mbola velona no mpitaiza ahy ary , fa tena marina fa mila atao fomba izy ireny fa manimba fiaina'ilay olona, ny kalanoro indray dia mipetraka anaty lavabato maizina dia maizina ary kely dia kely lalana hidirana ao anatiny lavabato misy azy ohatra fotsiny eny Carion dia misy lavabato kalanoro mbola velona, aminay manko fiantsoana kalanoro dia hoe Dadibe eny Ambohimanga koa misy lavabato kalanoro ary Mahazo fantako tsara momba ireo ary mistery hafa mihitsy, ary lavabato kalanoro dia miakatra toerana tedrombohitra feno vato2
19. harena2 ( 01/09/2011 12:29)

20. harena2 ( 01/09/2011 12:30)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3319