Tokony hivavaka amin'i Marie Virijiny ve isika?
1. mpanazava
(
06/08/2010 03:52)
Anisan'ny fantatrin'ny olona maro i Marie, eny na dia ireo tsy Kristianina aza. Ny soratra masina nilaza fa nanome fahasoavana azy ny Andriamanitra mahery indrindra rehefa nifidy azy ho renin'ny Jesosy izay virijiny izy tamin'izany fotoana izany. Rehefa nandeha ny fotoana dia betsaka ny fiangonana nametraka azy amin'ny toerana manokana. Tamin'ny 431 amin'ny taonantsika izao dia neken'ny Concile d'Ephèse ny hiantsoana azy ho "Renin'Andriamanitra", ary mandrak'Ankehitriny dia ampianarina hoe mety ny mampiasa azy rehefa mivavaka satria afaka manalalana antsika amin'Andriamanitra izy.

Tokony hivavaka amin'i Maria ve ny Kristianina? I MARIE ve no olona tsara afaka mitondra ny vavakantsika amin'Andriamanitra? Inona no lazain'ny baiboly?

novalian'i mpisotrtoaka ny 08/04/2015 15:31
2. Miharena
(
06/08/2010 06:04)
Ny Baiboly sy ny Coran dia miresaka ny tantaran'i Maria sy Zakaria ary Elisabeta.
Misy tokoa ny mamefy be fahatany ny fomba fivavahana amin'Andriamanitra ary tsy miraharaha ireo izay efa nolazaina fa nodimandry nefa mbola mitohy manome hafatra fibebahana ho an'ny olombelona.
Raha ny hafatra rehetra izay notononin'i Maria izay mba hitako dia manome toro-lalana amin'ny fitodihana amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny Kristy sy mizara fitiavana izy.
Mba mijery internet ihany moa Mpanazava fa tsara raha mijery ny évangile de Marie ohatra na ny hafatra omeny rehetra hatramin'izao.
Ny tena hitako aloha dia mifandray tsara ny hevitr''Andriamanitra sy Maria sy Jesosy ary izay rehetra, na anjely na Apostoly izay mitohy manome hafatra mandrak'androany.
Ny zavatra tsy azo lavina fotsiny dia tsy miteny mihitsy izy ireo hoe izaho hivavahana fa miteny izy hoe zanak'Andriamanitra ianareo izay hitenenana ary tiaNY.

3. soanja
(
06/08/2010 15:03)
mpanazava:
Anisan'ny fantatrin'ny olona maro i Marie, eny na dia ireo tsy Kristianina aza. Ny soratra masina nilaza fa nanome fahasoavana azy ny Andriamanitra mahery indrindra rehefa nifidy azy ho renin'ny Jesosy izay virijiny izy tamin'izany fotoana izany. Rehefa nandeha ny fotoana dia betsaka ny fiangonana nametraka azy amin'ny toerana manokana. Tamin'ny 431 amin'ny taonantsika izao dia neken'ny Concile d'Ephèse ny hiantsoana azy ho "Renin'Andriamanitra", ary mandrak'Ankehitriny dia ampianarina hoe mety ny mampiasa azy rehefa mivavaka satria afaka manalalana antsika amin'Andriamanitra izy.
Tokony hivavaka amin'i Maria ve ny Kristianina? I MARIE ve no olona tsara afaka mitondra ny vavakantsika amin'Andriamanitra? Inona no lazain'ny baiboly?
Ny tenako izao dia hitsangana ho vavolombelona momba ny hakantony sy ny fahasoavana nomen'i Maria renin'i Jesoa ahy.
Mbola vao tsy nahatsiaro tena aho tamin'ny mahazaza ahy tamin'izany dia tadidiko fa miresaka mangina tamin'ilay Virjiny satria tazoko ao anaty nofy izy. Isaky ny mahita ny sariny aho dia mahatsiaro fitoniana sy hafaliana tsy haiko hazavaina nony nahatsiaro saina fa i Maria renin'i Jesoa io miresaka mangina amiko io. Tsy miteny akory izy fa izaho no mahatsapa ny tiany lazaina. Ny sary vongana izay tsy lavitra ny sekoly nianarako dia isan'ny toerana iray nandaniako ny andron'ny fahazazako. Vatrako ny mandrehitra labozia izay misy eo ary mandio ny manodidina ilay toerana. Rehefa mivavaka aho dia tsy amin'ilay sary fa ilay fitakiana avy any anatiko manome ahy fifandraisana izay manodidina ahy, isan'izany ilay sary vongana. Raha nilalao ody ny olona manodidina ahy dia izy no miandry izany ratsy izany tsy handaitra amiko.
Tsapako fa izay faniriako rehetra hatramin'izay dia tanteraka avokoa ary sesilany ny fanehoana hitako milaza fa Reny mpitantana sy mpiandry ahy izy. Madio eo anatrehako ary mamirapiratra ao amin'ny fanahiko.
Hinoako anefa fa tsy votery ho izay daholo no tsapan'ny hafa momba azy. Satria raha nandalo ny toerana nisy ny fanatitra omena azy ho fisaorana izahay sy ilay namako indray mandeha dia hoy izy tamiko hoe tsy hitako ny atao eto. Tsy misy zavatra tsapany. Izaho anefa tamin'izay dia efa nangovitry ny fahatsapana isan-karazany.
Mandraka androany dia mitsiky amiko matetika eo anatrehiko ilay Reny Malala rehefa mitodika ka mila mafy ny fisiany aho. Izy no nitantana ary izy no handray ahy rehefa tonga ilay fotoana indray andro any. Inoako izany ary hotantaraiko amin'ny hafa izay vonona hametraka izany fahatokisana izany.
Isaorako Andriamanitra nifidy azy ho renin'Andriamanitra! Sambatra aho manana azy.
4. fijo
(
06/08/2010 19:35)
inona aloha no atao hoe "mivavaka"satria ianao ihany no milaza fa hafaka "manelanelana"anareo mpino sy andriamanitrareo izy.ka raha hanelanelana moa ,inona no olanareo???
5. hery
(
07/08/2010 05:57)
Mpanazava:
Tokony hivavaka amin'i Maria ve ny Kristianina? I MARIE ve no olona tsara afaka mitondra ny vavakantsika amin'Andriamanitra? Inona no lazain'ny baiboly?
Raha vao tsy mitovy hoy aho ny domaine dia sarotra be ny mifampidipiditra resaka tahaka itony.
Mazava ho azy, raha olona tsy mino an'i Jesoa ho Andriamanitra, dia tsy afaka akory ny hiresaka an'i Maria amin'ny maha renin'Andriamanitra azy.
Inona izany no tanjon'i Mpanazava? Inona no dikan'ilay fanontaniana? Satria amin'i Mpanazava dia efa fantatra hoe Tsy tokony hivavaka amin'i Jesoa akory satria tsy Andriamanitra izy?
Eritrereto hoe i Fijo izay tsy mino no manontany hoe "Tokony hivavaka ve isika"? Dia fanontaniana diso fipetraka ilay izy satria fantatra avy hatrany ny ho valiny. Ary ny fitondran' fijo fanazavana na valiny avy eo dia hitondra fanafitohinana fotsiny ho an'izay mpino fa tsy hitondra fanampiana eo amin'ny finoany mihitsy... ka loza ho an'izay hiavian'ny fanafintohinana.
Raha Katolika no manontany hoe tokony hivavaka amin'i Marie Virjiny ve isika, dia manana fanazavana ilay fanontaniana (izay diso) aho ary manana ny valin'ny fanontaniana voahitsy.
6. mpanazava
(
07/08/2010 16:34)
Raha vao tsy mitovy hoy aho ny domaine dia sarotra be ny mifampidipiditra resaka tahaka itony. Mazava ho azy, raha olona tsy mino an'i Jesoa ho Andriamanitra, dia tsy afaka akory ny hiresaka an'i Maria amin'ny maha renin'Andriamanitra azy.
Fa inona ny hatahoran'i Hery? forum mo ity ô! Sa tsy avelan'i Hery haneho ny hevitro aho? Toa manakana ankolaka manko i Hery.
Satria amin'i Mpanazava dia efa fantatra hoe Tsy tokony hivavaka amin'i Jesoa akory satria tsy Andriamanitra izy?
Mety amin'i Hery ve raha ilay ankavia amin'ireto sary vongana inoan'ny olona ireto no resahina mba tsy hivona?

Inona izany no tanjon'i Mpanazava? Inona no dikan'ilay fanontaniana?
Hianatra Katesizy. Avy eo hijery izay nambaran'i Jehovah, Jesosy, ireo mpaminany ary ireo Apostoly mahakasika ny vavaka sy i Maria. Tsy hitako izay olana satria hiezaka tsy hampiasa baiboliko aho eto fa hampiasa baiboly Prot sy Kat.
Misy tokoa ny mamefy be fahatany ny fomba fivavahana amin'Andriamanitra ary tsy miraharaha ireo izay efa nolazaina fa nodimandry nefa mbola mitohy manome hafatra fibebahana ho an'ny olombelona.
Miombokevitra aminao aho amin'io, saingy somary toheriko kely fotsiny ilay fitenenana hoe "be fahatany". Toheriko kely hoy aho satria ilay Andriamanitra tokony hivavahana mihitsy no mamefy ny fomba hivavahana aminy ka mampisalasala ny hoe mety hanao "fahatany" ve izy? Tadidintsika ve ny resak'i Jehovah tamin'i Mosesy momba ny vavaka: "(Aza manao na) Tsy hanao sarin-javatra voasokitra ho anao, na sary fampisehoana ny zavatra eny amin'ny lanitra ambony, na ny eny amin'ny tany ambany (olona ohatra) , na ny any amin'ny rano ambanin'ny tany. 5 Tsy hiankohoka eo anatrehan'ireny na hanompo azy akory hianao, fa izaho Iaveh Andriamanitrao dia Andriamanitra saro-piaro, ka amin'izay mankahala ahy, mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny taranaka fahatelo sy fahefatra, 6 ary amin'izay tia ahy sy mitandrina ny didiko kosa, mamindra fo hatramin'ny taranaka faharivo" (Eksaody 20:4-6)
7. niryna
(
07/08/2010 17:04)
mpanazava o raha vao manao io resaka io hianao dia hitarika ady be eto io
toa hianao tsy mino an'i kristy ho Atra izao.Noho izany ny anao ihany no asesinao eto
Angamba tsy any no tokony atao fa ny ahafantaran'ny olona hoe inona no mahatonga anao hino an'i kristy amin'ny fiainanao. Nahoana hianao no nino Azy ary inona no zavatra nitranga taminao ka nahatonga anao hizara ilay kristy ?
Rehefa miseho amintsika amin'ny fanoratra,fiainana,fiarahana ireo olona tsy mino(fitiavana azy ireo ) .Rehefa miseho eo aminao ilay jiro dia ahazo hazavana koa ny olona manodidina anao rehetra na mino an'ilay Atra hinoanao izy na tsia.
Ny hoe tokony hivavaka sa tsia dia an'ny tsirairay izany.
Omeo foana ny jiro dia hanatona anao ireo ao anatin'ny maizina.Toy ny olona mampianatra hoe tsy maintsy mino an'i kristy hianareo fa izay rehetra tsy mino dia ho any amin'ny afobe.Fampitahorana no ataony fa tsy fampisehoana ilay jiro ao anatiny.
ILAY FITIAVANA AO ANATINTSIKA FOANA NO OMEO NY OLONA E OK

8. mpanazava
(
07/08/2010 17:16)
Mba mijery internet ihany moa Mpanazava fa tsara raha mijery ny évangile de Marie ohatra na ny hafatra omeny rehetra hatramin'izao.
Misaotra anao @'ilay torohevitra, efa nanao izany foana aho taloha, mety gaga ianao raha ilazako fa efa in-droa tany anosivolakely aho nanao fivanihinana masina tany taloha ary nandinika lalina momba izany.
Ny tena hitako aloha dia mifandray tsara ny hevitr''Andriamanitra sy Maria sy Jesosy ary izay rehetra, na anjely na Apostoly izay mitohy manome hafatra mandrak'androany.
Ny zavatra tsy azo lavina fotsiny dia tsy miteny mihitsy izy ireo hoe izaho hivavahana fa miteny izy hoe zanak'Andriamanitra ianareo izay hitenenana ary tiaNY.
Tena marina io voalazanao io saingy mahafoaka fahamarinana anakiray momba ny fanahy tsy mety maty izay tsy tiako hampifangaroina amin'ity sujet ity fa hosokafako eo ambony. Fa raha Jerena io tenin'i Jehovah io ambony io, dia mety ve ilay moyen na ilay fomba hanaovana ilay vavaka? Ary raha tsy mety, sao dia mba tonga amin'ilay tenin'i Apostoly Paoly hoe " Ary aza gaga amin'izany hianareo, fa na i Satana aza mahay maka ny endriky ny anjelin'ny mazava koa" (II Korotiana 11:14) (Kat). Eo no olana, sa ahoana ny hevitrareo?
Hoy i Soanja:
Ny tenako izao dia hitsangana ho vavolombelona momba ny hakantony sy ny fahasoavana nomen'i Maria renin'i Jesoa ahy.
Misaotra amin'ny fijoroana vavolombelona.
Isaorako Andriamanitra nifidy azy ho renin'Andriamanitra! Sambatra aho manana azy.
Misy hahitsiko kely fa tsy araka ny soratra masina no voalazanao "renin'ny Zanak'Andriamanitra hoe" satria io no anaty baiboly Katolika sy ny hafa:"Ny Fanahy Masina, hoy ny anjely namaly azy, no ho tonga ao aminao, ary ny herin'ny Avo indrindra hanaloka anao; noho izany dia hatao hoe Zanak'Andriamanitra ny Masina haterakao." (Lioka 1:35) (Kat).
Hoy i fijo:
inona aloha no atao hoe "mivavaka"satria ianao ihany no milaza fa hafaka "manelanelana"anareo mpino sy andriamanitrareo izy.ka raha hanelanelana moa ,inona no olanareo???
Hoy ilay Consily sy ilay fampianarana nolovaina taty afara rehefa maty ireo Apostoly hoy aho saingy ny olana dia izany marina ve no voasoratra ao anaty boky masina? Raha atao hoe fampianarana tsy mifanipaka amin'ny soratra masina tsy dia maninona fa raha mifanohitra kosa, aleo avoaka ny marina sa ahoana hoy i fijo.
Betsaka ny tsy mahazaka azy ity nefa atao ahoana moa fa izany no marina koa.
9. ikaretsaka
(
07/08/2010 17:44)
Aoka aloha hazava fa tsy i maria no hivavahana fa i maria dia angatahina hiaraka hivavaka ("vavaka arahibn-tosika hoy i Hery izay")
"MIvavaHA ho anay mpanota"... mantsy no fiteny
raiso tsotra amin'ny ohatra hoe : Atao hoe manam-bola be i Mpanazava ohatra , dia ataoko angamba fa mety sady moramora kokoa sy misy lanjany kokoa ny 'chance mety hahazoako vola raha sady sady mangataka mivantana aminao ny mba anomezanao kely ahy ahako no sady miteny @ mamanareo hoe mba teneno kely anie i Mpanazava mba hanome vola anay aty azafady o!
dia tahak'izay ilay izy!

10. ikaretsaka
(
07/08/2010 17:56)
I MARIE ve no olona tsara afaka mitondra ny vavakantsika amin'Andriamanitra? Inona no lazain'ny baiboly?
tadidinao ny fampakaram-bady tao Cana? tsy ny mpikarakara ilay mariazy mihitsy no nandeha niteny t@ Jesoa hoe tsary manana divay intsony ireo olona ireo
fa possible hoe resaky ry zareo tao an-dakozia (tao i Maria @ maha vehivavy azy) no nolazain'i Maria an-janany
Misy fomba izay fataon'ny Jesuites rehefa manao meditations: imaginena hoe mpandray anjara ao anatin'ilay scene tantarain'ilay tantara koa ny tena , andramo fa asa mety hanampy anao angamba ny maka sarisarin-tsaina ny hoe ohatran'ny ahoana ny zavatra nitranga teo amin'io fanasana io tamin'izany fotoana izany.
ai lieu de maka marker sy penina sy manipitsipika ilay andalan-teny ao anaty baiboly fotsiny!
11. mpanazava
(
07/08/2010 18:50)
mpanazava o raha vao manao io resaka io hianao dia hitarika ady be eto io
Tsy tokony hampiady aloha ilay izy raha tsy mijery mitongilana daholo isika. Marina fa tanteraka ara-bakiteny ilay faminaniana voalaza mialoha hoe "Fa ho avy ny andro tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana marina intsony; fa mpampianatra araka ny filàny no hovoriny ho azy sy hahalian-tsofina azy" (Kat ,II Tim 4:3) izany hoe ho avy mantsy ny fotoana tsy hahazakan'ny olona ny fampianarana mahasoa ka hanangonany mpampianatra ho an'ny tenany, araka izay iriny mba handrenesana zavatra mahafinaritra ny sofiny. Nefa tokony hafenina ve ny marina ry Nirina fa hoe tsy zakan'ny sasany? Nafenin'i Jesosy ve ny marina sao nanafitohina ireo nihaino azy?
Rehefa miseho eo aminao ilay jiro dia ahazo hazavana koa ny olona manodidina anao rehetra na mino an'ilay Atra hinoanao izy na tsia.
Koa na ilay Jiro na ilay fahamarinana hanafaka ny olona ao anaty haizina aza tsy avelanao hivoka koa inona no hazavana hipoitra eo. Raha tadidinao ny tantara rehetra ao amin'ny baiboly dia mahasaropiaro an'Andriamanitra ny fitodiana any aminy irery ihany. Nanao izany tamin'ny fomba hentitra i Jehovah, i Jesosy ary ireo mpanoratra baiboly maro.
12. ikaretsaka
(
07/08/2010 18:59)
ka ilay placen'i Maria ao amin;ny Theologie mihitsy izanhy no misabodimbodika be na tsy azonao raha izany
13. mpanazava
(
07/08/2010 19:11)
tadidinao ny fampakaram-bady tao Cana?
Azoko tsara daholo ny Fanazavanao ary hisaorana ianao nampahatsiahy ahy an'ireny. Izany angamba ilay toko faha... ao @ Katesizy sa tsy izany?
Fa ity kosa angamba niniana nafenina sao ho fantatry ny mpino :"Fa iray monja Andriamanitra, ary iray ihany no Mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olombelona, dia ny Kristy Jeso tonga olombelona," (Kat, I Tim 2:5)
Firy tsara hoe ny Mpanalalana ary iza a a a??
Miverina ary ambony amin'izay hoe, dia ahoana ary ireo valimbavaka azon'i Soanja fotsiny ohatra raha i Jesosy IRERY ihany no heken'i Jehovah hanelanelana amintsika sy aminy?
14. mpanazava
(
07/08/2010 19:27)
Aoka aloha hazava fa tsy i maria no hivavahana fa i maria dia angatahina hiaraka hivavaka
Ekso 20:4-5 :"Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao...; Aza miankohoka eo anatrehany..."

ka ilay placen'i Maria ao amin;ny Theologie mihitsy izanhy no misabodimbodika be na tsy azonao raha izany
Ka izay no hianarana katesizy aminao ka miangavy anao hanazava.
16. hery
(
07/08/2010 21:16)
Hovaliako ary ny tenin'i Mpanazava
Raha Katolika hoy aho i Mpanazava dia tsy nampaninona ahy mihitsy satria hitako hoe hisy vokany ilay resaka. Fa mbola tsy mazava amiko ilay tanjona.
Eritrereto hoe izaho Katolika dia hanotany ny Silamo eto hoe "Mety ve ny manao an'i Mahomet ho Andriamanitra"? Samy mahafantatra isika fa diso fipetraka ilay fanontanian satria tsy manao an'i Mahomet ho Andriamanitra ny Silamo. Ka zavatra roa no mety ho tanjona:
- Provocation satria diso ilay fanontaniana fa fanahiniana apetraka mba hampisavoritaka.
- Naiveté satria mety izany marina no noeritreretina hoe ataon'ny silamo.
Koa hovaliako ihany izany ity resaka ity.
- Tokony hivavaka amin'i Masina Maria ve isika?
--- Tsia ny valiny. Diso izay milaza hoe tokony hivavaka amin'i Masina Maria isika. Ary tsy misy mivavaka amin'i Masina Maria. Raha misy manao an'i Maria ho Andriamanitra (mivavaka aminy) dia mpanompo sampy.
- Tsy i Jesoa ihany ve no Mpanalalana?
--- Eny i Jesoa irery ihany no Mpanalalana. Diso izay mandray an'i Maria hitovy lanja amin'i Jesoa. Jesoa dia Andriamanitra, i Maria dia reniny, izany hoe Renin'Andriamanitra. Tsy misy mandray an'i Maria ho Mpanalalana mihitsy. Raha toa ka mpanelanelana no eritreretinao. Dia izay angamba no iantsoana an'i Maria. Rehefa miteny amin'ny olona iray ianao hoe mba mivavaha ho ahy... dia mpanelanelana anao sy Andriamanitra iny olona iny. Tsy midika izany hoe tsy mivavaka amin'ilay olona ianao. Ary tsy fahotana angamba ny mangataka ilay olona hivavaka ho an'ny tena.
Hitanao ve hoe Domaine samihafa amin'izay?
Ho anao i Jesoa dia Tsy Andriamanitra, noho izany tsy renin'Andriamanitra i Maria.
Ho ahy i Jesoa dia Andriamanitra ka noho izany dia Renin'Andriamanitra i Maria.

17. soanja
(
08/08/2010 01:53)
mpanazava:
Raha vao tsy mitovy hoy aho ny domaine dia sarotra be ny mifampidipiditra resaka tahaka itony. Mazava ho azy, raha olona tsy mino an'i Jesoa ho Andriamanitra, dia tsy afaka akory ny hiresaka an'i Maria amin'ny maha renin'Andriamanitra azy.
Fa inona ny hatahoran'i Hery? forum mo ity ô! Sa tsy avelan'i Hery haneho ny hevitro aho? Toa manakana ankolaka manko i Hery.
Satria amin'i Mpanazava dia efa fantatra hoe Tsy tokony hivavaka amin'i Jesoa akory satria tsy Andriamanitra izy?
Mety amin'i Hery ve raha ilay ankavia amin'ireto sary vongana inoan'ny olona ireto no resahina mba tsy hivona?
Inona izany no tanjon'i Mpanazava? Inona no dikan'ilay fanontaniana?
Hianatra Katesizy. Avy eo hijery izay nambaran'i Jehovah, Jesosy, ireo mpaminany ary ireo Apostoly mahakasika ny vavaka sy i Maria. Tsy hitako izay olana satria hiezaka tsy hampiasa baiboliko aho eto fa hampiasa baiboly Prot sy Kat.
Misy tokoa ny mamefy be fahatany ny fomba fivavahana amin'Andriamanitra ary tsy miraharaha ireo izay efa nolazaina fa nodimandry nefa mbola mitohy manome hafatra fibebahana ho an'ny olombelona.
Miombokevitra aminao aho amin'io, saingy somary toheriko kely fotsiny ilay fitenenana hoe "be fahatany". Toheriko kely hoy aho satria ilay Andriamanitra tokony hivavahana mihitsy no mamefy ny fomba hivavahana aminy ka mampisalasala ny hoe mety hanao "fahatany" ve izy? Tadidintsika ve ny resak'i Jehovah tamin'i Mosesy momba ny vavaka: "(Aza manao na) Tsy hanao sarin-javatra voasokitra ho anao, na sary fampisehoana ny zavatra eny amin'ny lanitra ambony, na ny eny amin'ny tany ambany (olona ohatra) , na ny any amin'ny rano ambanin'ny tany. 5 Tsy hiankohoka eo anatrehan'ireny na hanompo azy akory hianao, fa izaho Iaveh Andriamanitrao dia Andriamanitra saro-piaro, ka amin'izay mankahala ahy, mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny taranaka fahatelo sy fahefatra, 6 ary amin'izay tia ahy sy mitandrina ny didiko kosa, mamindra fo hatramin'ny taranaka faharivo" (Eksaody 20:4-6)
N'inona n'inona izay ilazan'olona na hitsaran'olona ny finoako dia aoka ho izay. Izaho sy Andriamanitra ihany no mahalala ny hatsarany sy ho fiderana ho azy.
Raha Zanak'Andriamanitra i Jesoa aminao dia faly aho. Raha olona tsotra izy aminao dia ho faly aho. Soa fa mino ianao. Isaorako Andriamanitra noho izany.
18. ikaretsaka
(
08/08/2010 19:17)
Raha vao tsy mitovy hoy aho ny domaine dia sarotra be ny mifampidipiditra resaka tahaka itony. Mazava ho azy, raha olona tsy mino an'i Jesoa ho Andriamanitra, dia tsy afaka akory ny hiresaka an'i Maria amin'ny maha renin'Andriamanitra azy.
Fa inona ny hatahoran'i Hery? forum mo ity ô! Sa tsy avelan'i Hery haneho ny hevitro aho? Toa manakana ankolaka manko i Hery.
ny fahitako azy indray doa tsy hoe manery an-kolaka i Hery fa mazava ny ambarany.
Ohary toy hoe" raha any ankavia ny lazainao fa any no Vala aminao , ny an'i hery any ankavana...(domaine=vala_
dia hoe "handao ho any ambala" mazava ho azy fa ho aiza? hiankavia sa hiankavanana?
ny an'i soanja moa dia tsotra: "ha manana vala ianareo ho'zy. fa tsy an-kijana be intsony" :) namaste ndroky
19. Miharena
(
09/08/2010 05:45)
Ny valiny nataon'i Hery angamba no mahafehy tsara ny fanontaniana napetrak'i Mpanazava.
Ny fanampiny fotsiny dia raha mamaky ny Baiboly isika dia mety kokoa ny mijery ny Fototra ao dia ny Fofonain'Andriamanitra sy ny fomba fanarahaNY izany mba ho tafaray Aminy avokoa ny Voariny rehetra. Ka raha miantomboka any amin'ny Jenezy ianao ary tonga any amin'ny boky farany dia io hatrany no rohy jerena dia hitantsika ny Fiainana tiana lazaina ao ary hiteny isika hoe Filazan-tsara sy vaovao mahafaly tokoa ny ao fa tsy hoe haizin-kitroka.
Izay moa matetika no ipetrahan'ny resaka kitsimpona tsy mahasoa indraindray rehefa tsy mahatana io tondro-zotra mazava io.
Fiainana mandrakizay moa no resahan'ny Baiboly ka tsara raha mizara izany koa izay mahalala. Ireo mahalala dia izay efa miaina izany na dia eto an-tany aza sy ireo izay efa tsy miaina ao anaty nofo eto an-tany intsony nefa mbola manome hafatra tsy an-kiato (Anjely, Maria).
Iray ihany no Mpanalalana fa ny iray tarika Aminy kosa angamba mora fantatra avokoa amin'ny hafatra omeny.
Ny hoe Satana afaka maka tahaka ny anjelin'ny mazava indray dia fantatsika izay mino marina amin'ny fo fa tsy hanan-kery amintsika izay mahalala Izay Inoana mihitsy izy.

20. fijo
(
10/08/2010 19:07)
tsy tokony afenina mihitsy ny marina ry mpanazava,saingy mino ve ianao fa ilay "fiheveranao azy eto "no tena marina????maro mantsy ny olona no mihevitra fa mivavaka amin'ny ireo sarivongana ireo ny katolika,rehefa tena mijery ny fivavakany anefa ianao,dia mahazo ihany aty aoriana,fa nataony ho "mpanelanelana "ireny lazainy fa "masina" ireny fa tsy ivavahany.ka raha"mpanelanelana"inona no olana moa.
raha tsy te hiresaka mivantana amin'ny mpampiasa ianao,azo ampiasaina anie ny sendika e.