aiza ihany ary izy ity????

1. fijo ( 05/08/2010 18:45)
Voninahitry Jean Eugène : nanakiana an'i Rajoelina !

Nambaran'ity filohan'ny antoko RPSD vaovao ity.Tamin'ny valandresaka hoan'ny mpanao gazety, omaly, tetsy Ambatonakanga, fa tsy laharam-pahamehana hoan'ny faritra Melaky ny fananganana Hopitaly any Mahajanga.Izay fampanantenana nataon'ny filohan'ny FAT tany Mahajanga tamin'ny diany farany teo, fa ny fanamboaran-dalana aloha no maha-maika.Nanamafy ihany koa izy fa tsy tokony hisy fifidianana atao izany raha tsy vita ny amnistia faobe.

fa tsy io mpanao"politika"io moa no isan'ireo nilaza fa ny lalana tsy azo hoanina????izao nefa toa milaza indray fa io no laharam pahamehana.tena seza fa tsy vahoaka no jerena fa mazava
novalian'i fijo ny 12/08/2010 21:05
2. Miharena ( 06/08/2010 06:27)
Tsy mitsara aho fa ny zavatra asehon'ny olona no hijerena azy. Dia hita fa olona miovaova sy mampiady lela ihany izany ny mpanao politika raha io ohatra nalain'i Fijo io. Fa isika vahoaka kosa aloha tsy tokony hanome tsiny be fahatany fa izy mpanao politika aza sahy mirotsaka eo amin'ny seza tadiaviny io na sarotra aza ny mitondra vahoaka ko!
3. fijo ( 06/08/2010 19:18)
ka tokony azavaina fa seza no ilaina ,dia amin'izay ny olona mba malalaka hanome ilay seza ko
4. andrywui ( 09/08/2010 10:57)
ka i Harinaivo mihitsy aza ty no efa lasa manohana anay TGV koa inona tsony e ! - rava ny baolina !!!!
5. xxxy ( 10/08/2010 17:11)
Io anie ry zareo ilay hoe politika kobaka ambava eee
aza ny ataoko no atao hoy izy fa izay lazaiko tanteraho
6. fijo ( 12/08/2010 21:05)
mampalahelo fa dia kondrana daholo koa le gasy raha izay ko
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0915