novelezin'ny Frantsay indray ny FAT
1. ziva6
(
03/08/2010 13:58)
Nokaravasian’ny Frantsay ny FAT
23 jolay 2010, daty manantantara eo amin’ny fiainan’i Madagasikara manokana. Io daty io mantsy no namoahan’ny Filankevi-panjakana frantsay ny heviny mikasika ny Nosintsika, ka hisintonana ny sain’ireo mitazona am-pelantanany ny politika Malagasy. Tsy ry zareo ao amin’ny FAT ihany fa na ry zareo mikatsaka ny demokrasia sy ny fampiharana ny lalàna koa aza. Voakasik’izany ihany koa ny rafi-pitantanana hafa, toy ny ao amin’ny Fitsarana na ny fitantanana ankapobeny izay mihevitra fa tsy «maloto». «Esorina tsy ho isan’ny firenena atao hoe «pays d’origine sûrs» i Madagasikara, noho ny «tsy fisian’ny fitoniana politika nanomboka ny taona 2009 sy ny herisetra ary fanenjehana mihatra amin’ireo mpanohitra ao amin’io Nosy io»....
Io no fanapahan-kevitra noraisin’ny Fikan-kevi-panjakana frantsay taorian’ny fitarainana napetraky ny Amnesty International sy fikambanana maromaro miady ho an’ny zon’olombelona. Inona no atao hoe»pays d’origine sûrs» ? Araka ny sata frantsay mikasika ny fidirana, fivahinianana ary zo fialokalofana any amin’ny tany frantsay, ny «pays d’origine sûr» dia miezaka hanaja ny lalànan’ny fahafahana, ,ny demokrasia ary ny tany tan-dalàna, eo ihany koa ny zon’olombelona sy ny lalàna fototra. Tafiditra tao anatin’ny lisitry ny « pays d’origine sûr » i Madagasikara hatramin’izay, saingy nosintonina kosa tsy ho isany intsony taorian’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 17 martsa 2009. Nanaitra ihany koa ity fanapahan- kevitry ny Filankevipanjakana frantsay ity satria manaraka ny vaovao sy ny hevitr’ireo firenena mpikambana ao anatin’ny Vondrona E r o p e a n i n a , n y H a u t Commissariat des Nations Unies pour les Réfugiés, ny filankevitr’i Eropa sy fikambanana maro iraisam-pirenena ihany koa. Aiza ha aiza ny fiantraikan’ny fanapahan-kevitra ? Mazava ho azy fa tsy maintsy mampihatra ity fanapahan- kevitry ny Filankevipanjakana frantsay ity avokoa ireo rafitra frantsay rehetra, isan’ambaratongany. Marihana, ankoatra ireo rehetra ireo, fa ny fanapahan- kevitry ny Filankevipanjak ana f rant say di a manameloka ny mpitondra FAT, araka ny Vaomieran’ny Zon’olombelona, noho ny tsy fanarahan-dalàna marobe voamarika anatin’ireo heloka voalaza etsy ambony. Toy izay ihany koa ny fifanitsian’ny fepetra amin’izay efa noraisin’ny Vondrona Afrikana, ny Vondrona Eropeanina, ny Antenimiera Eropeanina, ny Asemblée paritaire UE/ ACP, ireo fanambarana vao nataon’ny masoivoho frantsay miasa eto Madagasikara farany teo. Noho izany… Tsy azo ihodivirana ny « valim-pitsarana ». Raha izany no fipetrany, mbola ho afaka hanohy ny asany hatrany ve ny FAT, izany hoe ireo rafi-pitantanana sy ny fitsarana Malagasy amin’izao fotoana izao? Mbola hisy ho sahy ihany ve hanambara fa afaka miala amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena sy ny mifanaraka amin’izany i Madagasikara, na dia hita izao aza fa misy ny fiankinana na mivantana na ankolaka, momba ny fivoahana amin’izao kizo izao sy ny fanarenana ny firenena? Fotoana koasa angamba izao hijeren’ny mpanao politika ny fihetsiny sy ny hanovany ny foto-pisainany, fa ny «adala no toa an-drainy» e!

répondu par rabaradaka le 13/08/2010 12:03
2. xxwx
(
04/08/2010 06:17)
Firy izay ny frantsay maty hatramin'io FATY io VAO taitra ry zalahy fa hay tena tsy milamina ny tany
3. Hagg
(
04/08/2010 06:21)
Zava dehibe tokoa izany ary dia misaotra anao nampita ny vaovao.
Fa ny tiana hotsindrina kely dia isika Malagasy ve tsy mba afaka mitsangana hanohitra izay tsy mety fa dia miandry izay tsindry hataon'ny vahiny ihany? Ny toetra-tsika Malagasy dia mora milefitra ary tsy tia fihenjanana elaela izay ka mora mionona. Na dia tsy eken'ny saintsika aza dia iononana satria izay angamba ny lahatra sy anjara?!! Ary dia mora azon'ny fakam-panahy noho izany. Tsy mahagaga isika raha mbola toy izao ihany.... Fa tsy maintsy ho izay ve???
Fa inona tokoa ny hevitra raha tena te hiroso amin'ny hevitra iray iarahan'ny be sy ny maro?
4. rijadolly
(
08/08/2010 12:54)
Izay mihitsy ny olana ry Hagg a!
somary mitongilana kely any amin' ireo mpiasa mpanjaka aho, ekena misy ny miara- dia an' FAT, nefa tsy latsak' izay ireo mahatsapa fa diso ilay "iny lalana iny " ka manohitra, ary dia misy koa ireo izay minia manamarina ny làlan- diso. Tsy misy hatohorana anefa ny mitaky ny marina indrindra fa ho an' Firenena sy ny vahoaka madinika sy ny tsy an' asa, ary tsy hatahorana ny voaroaka satria fantatra fa Fanjakana ho soloina Fanjakana ihany ny ho avy eo, raha tsy hoe nataon' olona fitaovana ianao dia nomeny place tao angaha...
Ny olotsotra dia tsy ahavita na inona na inona eo raha tsy ny mpiasam- panjakana no mitokona fao- be satria misy an'ilay mitatata mahaivava iny. Ahitsoka tanteraka ny ADM, afa tsy ny mila servisse minimum, JiRaMa, mikasika ny fahasalamana,... Averiko eto indray ity teny itY : " Aleo miharitra 2 volana (en grève général) toy izay zao mahazo ny Firenena izao (+ 18 mois)"
Dia hoy isika hoe : koa tsy efa misy mi- grève ve? dia hoy aho hoe ho an' tenany ihany no i grèven' ireny satria mitaky ny maha soa ny asany ihany fa tsy ho an' Firenena sy ny vahoaka madinika.
Mitambara ianareo Mpiasam- panjakana fa ianareo no tompon' Andraikitra voalohany mankatoa an' izao Fitondrana izao na tsy...
Ataon' olotsotra ahoana ny hi- grève tsy andoha hetra raha misy manam- pahefana mitaky izany
Mivoaka ianareo mpiasa mpanjakana noho ny fahatsapanareo fa tsy mety izao làlana sy fizirizirin' mpitondra izao( fa tsy fitakiana tombotsoa manokana aloha a!),noho ny fijerenareo ny vahoaka madinika sy ny fahavoazan' Firenena. Manaraka ho azy ny aty ivelany manampy isa.
Tsotra sy tsy misy korotana, tsy misy rà mandriaka...Ary mino aho fa 15 andro raha be indrindra dia mifandray tanana ireo...