Mahafinaritra ity ady hevitra averina kely eto ity hoe misy ve Andriamanitra?

1. Miharena ( 30/07/2010 07:53)
sendra tsipalotra fa nisy adihevitra mikasika ny fisian'Andriamanitra tany amin'ny taona 2003 nataon'i fijo dia notohizan'i sosonaka tamin'ny valinteny teto ambany. Manontany tena aho hoe efa niova fijery ve fijo sa ahoana?

Ny valin-teny tiako hovalian'i fijo sy ny namany nandray ny safidy hoe tsy misy Izy dia avy amin'io fanontanian"i sosonaka io.

sosonaka - 19/11/2003 15:55
Raha tsy misy Izy tsisy izaho sy ianao
Raha ts misy Yzy tsy nisy izao ary rehetra izao
Raha tsy misy Izy iza no mba hiaro anao
Raha tsy misy izy dia mba avy aiza ary ny feon'ny fieritreretanao io
Rha tsy izany rehetra izany dia tsarovy fa tena tia anao Izy eny na dia tsy tinao aza
Efa ho avy ny farany satria efa ambony loatra ny faratsian'ny olombelona

Any amin'ny farany aho moa dia nahita hoe vola no andriamanitra hoy fijo dia novalian'ny namana iray hoe ny Malagasy dia nahalala hoe fihavanana no alohan'ny vola ary ny hasina no alohan'ny fihavanana. Ka avy aiza ny hasina ary iza no masina?
novalian'i fijo ny 06/08/2010 19:44
2. diloo ( 30/07/2010 16:57)
Tsy misy hoy i jeneraly Zafera
Miharena:

3. ikaretsaka ( 30/07/2010 17:20)
Amiko manokana dia tsy any @ resaka Atra loatra no tokony hipetraka ny hoe misy sy tsy misy fa @ zavatra rehetra mihitsy.
Mba hanamarinanao ny "theorian'ny tsy fisiana" manko amiko dia tsy maintsy misy foana aloha. Na fara faha ratsiny nisy ilay zavatra toherinao fa tsy misy, na nanananao idee ny momba azy:
Ohatra hoe mba hahafahanao milaza fa tsy misy ny menaka, tsy misy ny vary ny sakafo.. ohatra dia tsy maintsy efa nisy ireo na au moins anananao idee hoe ohatran'ny inona izany vary izany, ohatran'ny ahoana izany menaka izany ohatran'ny ahoana izany kaly izany... izay ianao vao afaka milaza .
Dia toy izany koa Atra: mba hahafahanao milaza fa tsy misy izy dia tsy maintsy misy izy hanananao idee hoe ohatran ahoana izany Atra izany.. fa tsy mety ny hoe tsisy fotsiny @ zao
4. Miharena ( 02/08/2010 05:28)
diloo:

Tsy misy hoy i jeneraly Zafera

Azo hazavaina ve ny hevitrao diloo azafady?
5. andrywui ( 02/08/2010 14:32)
an an an mamadika resaka resaka i diloo fa ozy i zafera hoe : zaho tsy mpivavaka !!! zaho tsy mandeha mivavaka !! ----izany hoe afaka mivavaka ao antranony izy fa tsy mandeha mivavaka andeglizy !

mivavaka ao amin'ny FLM Isotry Fitiavana anefa leiny !..
6. fijo ( 03/08/2010 20:30)
amiko dia tsy misy izany andriamanitra izany.saingy tsy manameloka izay mino izany aho,satria tsy mbola nisy nahita izany,ka samia mino araka ny fahalalahany.
isika dia nisy ,satria nisy ny fihovana natoraly,izay voamarina aratsiantifika.
ny fiheritreretana,dia samy manana ny azy,fa tsy miandry izany andriamanitra izany.misy ny mpino mangalatra,misy tsy mpino tsy mangalatra.marina koa ny tsimbadika amin'io.
io hevitr'ika io izay milaza hoe "raha manohitra zavatra iray,dia satria misy na ef anisy ilay zavatra"dia azoko valiana hoe,mety ho tsy nisy koa ilay zavatra saingy nolazaina fa nisy.ohatra ny ankizy rehetra dia mino tanteraka fa misy ingahibe noely.mandra pahafahany manaporofo,fa hay tsy misy akory izany.
voalaza ery ambony hoe raha tsy nisy izy,iza no hiaro anao??"moa miaro ahy amin'inona izany andriamanitra izany??????
7. ndenn ( 03/08/2010 22:29)

fijo:

Mazava ny @ -ndraFijo !
8. rahery08 ( 04/08/2010 06:27)
Tsimpona ity!
Ny adala no manao anakampo hoe tsy misy Andriamanitra!

Mampandini-tena ihany aloha izany teny izany araka ny hevitro! fa asa ny anao ra-Fijo,
Andriamanitra ihany tokoa no afaka manova ny olona iray ho tonga mpino Azy,
Anjaran'ny namana no mitory, fa Andriamanitra no manova!
Araka ilay teny hoe tsy hianareo no nifidy Ahy, Fa izaho no nifidy anareo,
ary koa hoe, tsy misy mahay manantona Ahy afa tsy izay taomin'ny Ray!

9. Miharena ( 04/08/2010 08:56)
Fijo:

amiko dia tsy misy izany andriamanitra izany.saingy tsy manameloka izay mino izany aho,satria tsy mbola nisy nahita izany,ka samia mino araka ny fahalalahany.
isika dia nisy ,satria nisy ny fihovana natoraly,izay voamarina aratsiantifika.
ny fiheritreretana,dia samy manana ny azy,fa tsy miandry izany andriamanitra izany.misy ny mpino mangalatra,misy tsy mpino tsy mangalatra.marina koa ny tsimbadika amin'io.
io hevitr'ika io izay milaza hoe "raha manohitra zavatra iray,dia satria misy na ef anisy ilay zavatra"dia azoko valiana hoe,mety ho tsy nisy koa ilay zavatra saingy nolazaina fa nisy.ohatra ny ankizy rehetra dia mino tanteraka fa misy ingahibe noely.mandra pahafahany manaporofo,fa hay tsy misy akory izany.
voalaza ery ambony hoe raha tsy nisy izy,iza no hiaro anao??"moa miaro ahy amin'inona izany andriamanitra izany??????

Miarahaba an'i Fijo ary misaotra azy mandray anjara amin'ity dinika ity.

Marina dia marina tokoa raha miteny hoe tsy mino izay tsy voaporofo isika. Ary izany indrindra moa no antony nanokafana kely ity dinika ity satria mahita isika fa mpandinika lalina avokoa.
Arak'izay fandinihana lalina izay indrindra no azo hitondrana ny resaka satria miara-mandinika isika rehetra tsy ankanavaka na ireo tsy mino na ireo mino. Ireo tsy mino dia afaka tsara mandinika ny mino ary ireo mino afaka mandinika tsara ny tsy mino.

Fa ny iraisan'izy ireo tsy azo lavina dia saina mandalina avokoa no miasa ao na ireo mandinika ara-tsiansa na ireo mandinika ny fisainana na ireo mandinika ny famoronana, na ireo mandinika ny zavatra tsy hita maso ara-panahy. Raha dinihina aza dia ny siansa indrindra no mandinika lalina ny jenezy ahafahany mamantatra hoe inona no fototr'izao rehetra izao.

Raha fehezina dia manao siansa daholo ny olom-pandinika rehetra amin'ny lafiny rehetra ary miara-miaiky amin''i Fijo amin'izany isika rehetra.

Raha alefa lalina kokoa ny fandinihana dia raha manao fandrefesana ezaka iray ny tsy mino dia miainga amin'ny zavatra hitany sy tsapany izy ary manome tsoa-kevitra iray. Ny zavatra azo tsoahina amin'ny siansa eto dia ny vokatra ary ny lalàna mandrafitra izany zavatra izany.

Mampisokatra fanontaniana izy eto hoe nahavaly fanontaniana 100% ve ny siansa raha toa ka atidohan'olombelona irery ihany no niasa tao?

Inona no siansa afaka manome valinteny mahafa-po ny olona, ny siansa mandalina ny natiora sa ny siansa mandalina ny fisainana sa ny siansa mandalina ny famoronana?

Mety mifandray ve ireo anefa ka afaka isika hiteny hoe misy ny siansa iraisan'ny rehetra (Universelle)?

Ny fanotaniana toy ny nataon'i Fijo ity izao dia tokony hitadiavana ny siansa universelle ahafahana mamaly azy.
voalaza ery ambony hoe raha tsy nisy izy,iza no hiaro anao??"moa miaro ahy amin'inona izany andriamanitra izany??????

Ny fisiana no miaro an'i Fijo ary ny fisiana dia Andriamanitra ary ny lalàna rehetra mandrindra izay karohintsika sombin'eritreritra rehetra dia ao anatin"io Fisiana sy ny lalànany io avokoa.
Ilay izy dia tsy mila fahatsapana na fitadiavana etsy sy eroa satria ao anatintsika tsirairay misaina ny herin'Andriamanitra Mpamorona. Fototry ny zava-drehetra IZY. Azo atao hoe tsy manana anarana toa ny fieritreritr'i Fijo AZY IZY ary tsy takatra takarina ka izany indrindra no mahatonga an'i Fijo hilaza hoe angano tantarain'ny olona IZY.

Ary raha mijery ny fahatsiloantsain'i Fijo dia efa mahita AZY isika. Satria izay ao anatin"i Fijo dia mitovy tsy misy valaka amin'izay ao anatiko sy ao anatin"ny namana tsirairay avy sy ny ao anatin'ny tontolo misaina mihitsy aza na hitan'ny retsik'olombelona na tsy hitan'ny retsik'olombelona.

Ny fanotaniana kely tiako hovalian'i Fijo dia hoe marina ve ny teny hoe ny Fanahy no maha-olona, aiza ny fanahy ary manana izany daholo ve ny olona na mino na tsy mino?

10. ikaretsaka ( 04/08/2010 12:23)
Fa izao koa le izy ry Lefijo. Mba hahafahan'ialahy manaporofo fa tsy misy ny zavatra 1 dia tsy maintsy miainga @ perception hoe misy aby aloha ny arguments hanaovan la demonstration.

Miteny Ingahibe Noely ialahy teo ohatra: ny ankizy alohan'ny hi demontreny an'io dia tsy maintsy nanana idee hoa ohatran'ny ahoana lery: de rehefa tsy nitovy @ le tao andohany zay vo hoe ssssskay tsisy
De toy izany koa..raha te hi demontre ny fisian'Atra ialahy, de tsy maintsy manana idee vinany ialahy talohan'ny nanapahan'ialahy hevitra hoe tsisy izy: raha nitovy t@ fieritreretan la ilay izy de misy izy izay de misy...raha tsy mitovy dia mitady fika ialahy hi explikena hoe tsisy, na ny antony hoe fa maninona no tsary nitovy @ le noeritreretin'ialahy le izy
11. fijo ( 04/08/2010 23:08)
raha ilay fanontanianaho e"mino ny fanahy ve aho??dia valiako hoe manantsaina isika.ilay fanahy io mantsy,sarotra faritana.raha horaisina hoe "soul" dia amiko rehefa maty dia vita,fa tsy misy fijo hafa hikarenjy eny an tanimbary sy havoana eny.
raha rasina hoe "fahendrena"mana-mpanahy =mana-mpahendrena,dia ekeko ny heviny.

"rahery08 - 04/08/2010 08:27
Tsimpona ity!
Ny adala no manao anakampo hoe tsy misy Andriamanitra!"
ary raha valiako hoe ny adala no mino mino foana izay zavatra tsy mbola nisy nahita,na nisy nahatsapa,na nisy nanombolo????

"tsy maintsy miainga @ perception "fa ny perception tsy voatery hoe tena nisy.ohatra.
any madagasikara dia be no mino fa misy ody fitia mamadika ho bibilava ny filahiana raha mangalabadin'olona.rehefa tena anontaniana izay milaza sy mino azy io,di amamaly daholo hoe "tena nisy olona akaiky ahy sy fantatro tsara efa hanita",fa tsy mbola nisy tena nahita.
12. ikaretsaka ( 04/08/2010 23:21)
tsy ilay zavatra no voatery nisy physiquement... fa ny idee de perception an'ialahy hoe misy no nampisy azy

visibílium ómnium et invisibílium; hoy zahay :-)
13. fijo ( 04/08/2010 23:30)
raha izay dia ekeko.satria ao an tsaina ihany no mampisy na tsy mampisy azy.
14. Miharena ( 05/08/2010 07:01)
Ilay fanavahana ny soul sy spirit ary vatana no tiako holazaina kely eto. Tsy voafaritra ny fanahy hoy Fijo. Izay maha-tsy voafaritra azy izay indrindra no mahatonga azy ho sarotra nefa rehefa ekena fa fanahy avokoa no mampihetsika ny hevitra izay tsy azontsika samborina fa azontsika asiana fahatanterahany dia fantatsika fa izy ihany no loharano niandohan'ny zavatra rehetra mitranga amin'ny tenantsika.

Hoy Fijo hoe manan-tsaina isika fa ny loharanon-tsaina hoy aho no fanahy ary entina hamaritana ny olona io (ratsy fanahy, na tsara fanahy na miovaova tsy hita ihany izay handraisana azy) ka asa na manaiky io Fijo na ahoana?
15. infiny ( 05/08/2010 12:03)

diloo:

Tsy misy hoy i jeneraly Zafera
Miharena:

sendra tsipalotra fa nisy adihevitra mikasika ny fisian'Andriamanitra tany amin'ny taona 2003 nataon'i fijo dia notohizan'i sosonaka tamin'ny valinteny teto ambany. Manontany tena aho hoe efa niova fijery ve fijo sa ahoana?

Ny valin-teny tiako hovalian'i fijo sy ny namany nandray ny safidy hoe tsy misy Izy dia avy amin'io fanontanian"i sosonaka io.

sosonaka - 19/11/2003 15:55
Raha tsy misy Izy tsisy izaho sy ianao
Raha ts misy Yzy tsy nisy izao ary rehetra izao
Raha tsy misy Izy iza no mba hiaro anao
Raha tsy misy izy dia mba avy aiza ary ny feon'ny fieritreretanao io
Rha tsy izany rehetra izany dia tsarovy fa tena tia anao Izy eny na dia tsy tinao aza
Efa ho avy ny farany satria efa ambony loatra ny faratsian'ny olombelona

Any amin'ny farany aho moa dia nahita hoe vola no andriamanitra hoy fijo dia novalian'ny namana iray hoe ny Malagasy dia nahalala hoe fihavanana no alohan'ny vola ary ny hasina no alohan'ny fihavanana. Ka avy aiza ny hasina ary iza no masina?

Misy ny Tsy Misy, izany hoe ny Tsy Misy dia zavatra misy :)
16. Miharena ( 05/08/2010 13:07)

Misy ny Tsy Misy, izany hoe ny Tsy Misy dia zavatra misy

Marina izany ary Andriamanitra Fanahy daholo no mampisy izany rehetra izany.
17. fijo ( 06/08/2010 19:44)
ie,mino ny tsy mpino.saingy ny finoany dia ny tsy finoana.
ny fanahy amiko,dia ao aminao raha mbola velona ianao,fa rehefa maty dia maty miaraka amin'ilay vatana koa izy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0488