hoan'ilay akama milay e

1. fijo ( 29/07/2010 19:32)

Politika Version imprimable Suggérer par mail
Antsiranana
Ratsy fanombohana ny dinika santatra

Tsy araka ny fandinihan’ny besinimaro azy ny fanombohan’ny dinika teto Antsiranana omaly. Tsy niray tendro ny lehiben’ny faritra DIANA sy ireo mpikarakara. Teo amin’ny lohahevitra mahakasika ny hitantanana ny tetezamita no nampisalasala. Latsaka kely ny resabe ary niezaka nandresy lahatra ireo mpivory ny mpikarakara avy amin’ny vondron’ny fiarahamonim-pirenena. Tsikaritra tamin’ny fanombohana ho an’ny distrikan’Antsiranana I dia tsy nisy ny fiatrehan’ireo manampahefana ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy na dia tsy anisany handray anjara amin’ny dinika aza izy ireo.

Tsy ampy 200 ny nandray anjara

Maro ny fanirian’ireo izay nikarakara nefa vitsy ny fikambanana namaly ny antso tamin’ny andro voalohany, iny omaly iny. Na dia vitsy aza ny mpandray anjara na dia teo aza ny tsy fitovian-kevitry ny mpitondra sy ny mpikarakara dia nizotra ihany izany ny tolakandro. Ny maraina dia efa nisy sahady ny fandraisana vaomiera izay nandinika ny lalam-pifidianana sy ny lalampanorenana, ny famotsoran-keloha, ny fitantanana ny tetezamita, ary ny mahakasika ny raharaha ara-tsosialy. Araka ny fanazavan’ny jeneraly Ackram Mohajy mpandrindram-paritry ny dinika santatra aty DIANA dia efa mazava ny lamina rehetra nanaovana ity atrikasa ity ary efa nankatoavin’ny fitondrana tetezamita avokoa ny lamina rehetra, ary ny fanjakana no namatsy vola ny dinika. Tsy misy hatahorana ary tsy manohitra ny tetezamita ny fiarahamonim-pirenena satria tsy manana fehinkevitra na manohana na iza na iza.

Ny tao amin’ny distrikan’ny Diégo II

Tamim-pilaminana no nizorany ary nizara vaomiera efatra ihany koa ny mpizaika. Ny maraina tokony ho tamin’ny folo ora dia olona 60 no nandray anjara amin’ny kaominina 21 misy ao amin’ity distrika ity. Tsy mahagaga izany satria lavitra ny toerana, ratsy ny lanana. Teo ihany koa ny fanaovana azy taty an-drenivohitra. Ny dinika nivoaka tao amin’ny vaomiera nandinika ny fitantanana ny tetezamita no nahatsapan'ny maro fa ireo mpikambana ao amin’ny HAT no tena manakana ny lalana izay andehanan’ny filohan’ny tetezamita. Ho hita eo ny fehinkevitra avoakan’ny Diégo I sy Diégo II amin’ity dinika santatra ity.
V.JCL

ô ry akama an,olona 60 no nandray anjara aminn'y kaominina 21.hihihi tena revim poza ity le
novalian'i fijo ny 30/07/2010 18:24
2. andrywui ( 29/07/2010 19:39)


hin hin hin ...

ary faizin'i fijo mafimafy mihitsy ah tao ho ato zay a! ..
--eny ary andraso aho handinika tsara dia hamaly anao tena serieux sy mazava tsara amin'izay ary !
ampio letsy ah bazyloou raha any ho any elah fa somary mafimafy hena rafijo ty a!! ...
3. andrywui ( 29/07/2010 19:44)
hin hin kozy ve ?? 60 ??


fa lasa nakaya aby ny oul kleaza !!! .. zao le izy rafijo a!
--le izy an de efa napetraka hatramin'ny voalohany mihitsy hoe : izay te handray anjara de mandray anjaran raisina tsara ny anarany sy ny andraikiny ary ny fahazotoanay ny hi partidipé !!! izay malaina kosa ka efa vita ny dinika santatra sy ny fifantenana oul na ny famaranana ka efa hita ze nandray anjara navitrika de hiara miasa marina amin'ity resaka tetezamita ity !!


ka ireo malaina izany satria efa voaray ny anarana de karazany efa manala tena izy zay ! tsisy lalana ho azy tsony fa miandry ny manaraka sy ze mety ho toerany izy !

ny amin'ny resaka oul manatrika sy ny tsy manatrika sy vitsy ?? tsy any nyolana ary tsy any no fototry ny dinika santatra fa ny hevidehibe mivoaka ao sy ireo zay nandray anjara mavitrika !!....
4. andrywui ( 29/07/2010 19:48)
-- Efa malana tena izy voasa nefa tsy tonga !!

-- ny hevitra tapaka no tena zava dehibe , satria tsy afa-miemotra intsony ny fanjakana fa izay lany eo de zay no izy izay tapaka amin'ny resaka vita eo de tsy tokony hisy himenomenona ambadika intsony fa manjary zay no mahalasa an'ilay pan pan pan hin hin hin
5. AndriambyII ( 29/07/2010 19:59)
Inona no tena tiana hiavian' lisany @ ity dinika ity é ? Fijo sy Rawuiwui ? ankoatran' lisany ve dia maivana daholo ny rehetra tsy nihetsika hatr@ izay ?
6. xxwx ( 29/07/2010 21:30)
Dinika santatra sa resa-toaka , bandy efa ela tsy nisotro , tsy manam-bola hividianana tsaky daholo koa no hita ao, i wiwi izao nangataga ny ho any fa tsy sahy sao tsy tafaverina aty frantsa lery , clandy mantsy nedala io
7. pikatti ( 29/07/2010 23:53)
Moramora ry xxwx a, tsy hisy kil intsony ato raha mamely mafy lisany klé, jereo ihany hoe iza no mpanala fa tsy izao olona rehetra izao hanaovan'ny lisany adalana daholo[IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Reflexion/U_THIN%7E1.GIF[/IMG]
8. andrywui ( 30/07/2010 09:35)

Moramora ry xxwx a, tsy hisy kil intsony ato raha

ninanengannn zany !!!!!!
9. ouioui ( 30/07/2010 11:55)
Ialahy izao no tena ampihinanan' i Andriambill ao ehihihi
10. fijo ( 30/07/2010 18:24)
iry ambony koa mbola misy ry akama an
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2455