VACANCE

1. RAVJERGA ( 20/07/2010 10:02)
Inona no toro-hevitra omena asaina ataon'ny ankizy @ izao grande vacance izao ?
novalian'i soanja ny 31/07/2010 00:18
2. hery ( 20/07/2010 14:07)
Arakaraka ny taonany aloha. Fa amin'ny ankapobeny dia aleo ny ankizy hiaraka amin'ny ankizy hafa... na dia hoe tsy dia lavitra sns aza. Ilainy ilay mba mifangaro amin'ny hafa e.
3. sipagasy ( 21/07/2010 08:54)


Arakaraka ny taonany aloha. Fa amin'ny ankapobeny dia aleo ny ankizy hiaraka amin'ny ankizy hafa... na dia hoe tsy dia lavitra sns aza. Ilainy ilay mba mifangaro amin'ny hafa e.




mila taritina sy toroana ny ankizy fa tsy avela fotsiny hoe hijery tv ohatra
4. soanja ( 23/07/2010 14:39)
Raha any Dago ianareo dia ento mitsangatsangana mijery parka nasionaly ny ankizy fa tsara ny mifandray amin'ny voary feno ny zaza mba hahatsapany ny hatsaran'ny tontolo iainantsika amin'ny ankapobeny. 1,000 FMG fotsiny ny fidirana ho an'ny ankizy. Ao Andasibe dia efa mahafinaritra tokoa.

Raha aty an-dafy indray dia ento mijery musee ry zareo , na manao camps isan-karazany mifandraika amin'ny taona sy fianarana ary ny tontolo iainany ao. Ny aty aminay izao dia ny zaza eo amin'ny 6 taona dia manao camps resaka science discovery na resaka environnement na art sns sns.. Mba miala amin'ny mahazatra azy ny fiainan'ilay zaza no sady maka rivotra miaraka amin'ny namany maro, mianatra resaka sosialy.

Raha zaza latsaky ny 5 taona kosa dia miara milalao amin'ny Neny na i Dada any amin'ny parka manodidina sy manao piknika rehefa atoandro, avelao ho izy mihitsy no manampy amin'ny fikarakarana ny sakafo entina any ary mandeha mankany amin'ny toerana famakiam-boky isan-karazany, mety misy hetsika ho an'ny zaza any: OHATRA olona mitantara angano sns sns...

Araky ny voalazan'ny namana etsy ambony dia aza ahiboka ao an-trano ny zaza ary mila maka fialan-tsasatra koa ny ray aman-dreny mba miara mandany andro amin'ilay sombinaina.
5. RAVJERGA ( 26/07/2010 09:42)
MISAOTRA AN' HERY SY SIPAGASY ARY SOANJA NANOME TORO-HEVITRA; FA TOKONY @ FOTOANA INONA NO METY HANAOVAN' NY ANKIZY REVISION NA COURS DE VACANCE RAHA TOA MISY MATIERES SASANY TSY DIA HAINY LOATRA.
6. soanja ( 31/07/2010 00:18)

RAVJERGA:

MISAOTRA AN' HERY SY SIPAGASY ARY SOANJA NANOME TORO-HEVITRA; FA TOKONY @ FOTOANA INONA NO METY HANAOVAN' NY ANKIZY REVISION NA COURS DE VACANCE RAHA TOA MISY MATIERES SASANY TSY DIA HAINY LOATRA.


Raha ny mahazatra taloha moa dia iny efa akaiky fidirana, zany hoe ny 2 semaines alohan'ny fidirana dia asaina manaraka cours izay tsy arany ilay zaza mba hamerina ny sainy hifantoka amin'ny fianarana indray. Sarotra koa manko rehefa avy vacance ilay vao miditra iny dia efa ho totoafo be tokoa nefa izay no hitako fanaon'ny mpampianatra matetika. Ilay zaza anefa mbola kamokamo sy varimbariana tany amin'ny vacances dia mbola matoritory tsy te hihetsika ny sainy. Sasany aza tena lasa dombo mihitsy dia mila ranitina tsara vao misokatra.

Raha toa maromaro anefa ilay matieres dia mila saratsarahana ny fotoana hanaovany revision zany hoe ny herinandro iray Math ohatra dia mba maka aina kely dia izay vao manomboka siansa sns sns .... asivo herinandro iray manasaraka azy ary mba zavatra mahafinaritra no omena hianarany fa tsy totoafo fianarana any an-dakilasy tanteraka.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1647