Teny manambara ny sitrapon'Andriamanitra
21. ikaretsaka
(
22/07/2010 15:51)
satria fantatrao marina ve moa isika olombelona izay faritanao io? Saina fotsiny angaha izy? Ary aiza ary ny fanahiny? Iza no namorona azy? Iza no miteny ao anaty eritreriny sy afaka mandinika tsara izany? Ahoana izy no mahazo ny teny?
A maha anisan'ny olombelona ahy, sy maha olombelona anao, dia afaka miteny izahako, afaka miteny ianao fa "fantatrao tsara" isika olombelona raha jerena @ lafiny famaritan-tsika olombelona ny atao hoe olombelona
Eto dia manjary mametraka ny olombelona tsy ho isan'izay mitovy endrika amin'Andriamanitra ny olona
Hazavao aloha hoe ny fahazoanao ilay hoe "mitovy endrika"...---> "iray fomba ve" ?samy "tonga lafatra" ve? " mitovy lenta ve"?
ko Raha ny filozofianao izany: inona isika fa tsy Atra?
22. Miharena
(
26/07/2010 07:26)
hoy Ika
ko Raha ny filozofianao izany: inona isika fa tsy Atra?
Marina ny tsoa-kevitrao eto. Matoa misy isika dia Misy IZY aloha. Ary tsy afaka ny haneho AZY IZY raha tsy misy isika.
Jesoa no niteny fa tsy izaho loatra ny momba io dia noraisiko ara-bakiteny ilay izy dia niainako matoa aho manambara ireo hevitra rehetra ireo. Izy no nilaza hoe Izaho sy ny Ray dia iray ihany. Dia notohiziny amin'ny hoe ho Iray ihany ao amintsika ireto mantsy ny mpianany. Dia nolazainy koa hoe Izao no fiainana mandrakizay dia ny mahafantatra Anao Andriamanitra tokana sady marina sy Jesoa izay efa nirahinao".
Dia nitaratra Azy aho dia nijery an'ilay Mpahary ahy tao anatiny dia nahatsapa fa Izy ato amiko no sitrapony. Dia izay ilay tsoa-kevitra.

23. nannie
(
26/07/2010 08:47)
Miharena>An an an ka : Ny filazantsaran'i Jaona dia milaza fa "Ny Teny dia Andriamanitra", feno Izy fa tsy hoe voafetra, saingy arakaraky ny niveau an'ny toe-panahin'ny olombelona iray no ahazoany Azy na tsia, ary raha olona mitombo fanahy normal ilay olona dia mihamazava aminy miandàlana io Teny io. Fa tsy ho azonao indray maka eo io Tenin'Andriamanitra io.
24. ikaretsaka
(
26/07/2010 14:49)
Hoy I Md Augustin izay hoe: "mainka aho te hahay,mainka aho mahatsapa fa betsaka ny tsy haiko: tsy hita pesipesenina Atra"
Efa miresaka sy nampiditra ny tantaran'i Md Augustin ihany moa isika @ ilay resaka ranomasina sy zazakely teo...sady efa ho avy ny volana Aogositra ;)
Efa miresaka sy nampiditra ny tantaran'i Md Augustin ihany moa isika @ ilay resaka ranomasina sy zazakely teo...sady efa ho avy ny volana Aogositra ;)
25. Miharena
(
26/07/2010 15:07)
Marina daholo ny anareo ry Ika sy Nannie an!
Azonareo tsara le izy anie e! fa nereo fotsiny no mba mampiady hevitra eo!
Azonareo tsara le izy anie e! fa nereo fotsiny no mba mampiady hevitra eo!