Toerana be mpanendaka ao Tana

1. soanja ( 09/07/2010 01:29)
Nisy namako nanoratra ho ahy ity dia tonga saina aho hoe aiza avy tokoa ireo toerana tsara ho fantatra ao Tana ao mba tsy handehanana irery satria efa be ny voa na atoandro aza. Raha efa nisy nanendaka ianao dia mba tantarao eto hoe taiza azafady, inona no eny aminy hanendahany anao sns sns...

" Misy mpanendaka amin'iny lalana mitsofoka eo amin'i College Rasalama miakatra hoany amin'ny Fiangonana Katolika faravohitra mandalo eo amin'i College Rafiringa iny fa aza mandeha tongotra irery amin'iny"

novalian'i soanja ny 15/02/2011 23:26
2. ikaretsaka ( 09/07/2010 03:08)
io tsy misy hoe aiza marina fa rehefa mamely izy dia mamely..
izay angamba ilay hoe "ho avy toy ny mpangalatra"

misy izao hoe Isotry e .. Bekiraro e.. nefa misy olona na mitondra vola be any am-paosiny mankany aza tsy voaendaka mihitsy
misy toerana be olona be ary tsy ampoizinao mihitsy hoe iza no hanendaka anao any nefa voa ianao
3. tess ( 09/07/2010 13:04)
marina raha mba azoko antsaina lay lalana ry soanja???
4. sasa ( 09/07/2010 13:38)
teny am 67ha, andro hariva tam 18h tany ho any efa somary maizina moa amzao andro ririnina zao, d kavina volamena eny am sofina no tonga sintoniny.
dia mbola teny ihany fa raha miondrika miantsena mijery zavatra iny enao, d mody atosiny, d vahainy ny poketra d alainy izay azony.
ny mpangaroposy moa d miasa isaky ny arret-ny taxi be rehetra, ka be olona mitangorona misisika hamonjy bus.
d mila mailo fotsiny e
5. soanja ( 10/07/2010 01:31)


io tsy misy hoe aiza marina fa rehefa mamely izy dia mamely..
izay angamba ilay hoe "ho avy toy ny mpangalatra"

misy izao hoe Isotry e .. Bekiraro e.. nefa misy olona na mitondra vola be any am-paosiny mankany aza tsy voaendaka mihitsy
misy toerana be olona be ary tsy ampoizinao mihitsy hoe iza no hanendaka anao any nefa voa ianao


Marina izany Ika saingy misy tena toerana efa fanjonoan-dry zareo mihitsy raha ny fahenoako ny ao Tana. Ny matetika lazaina amiko izao dia hoe aza mba mandeha mitondra vazaha any amin'ny Anjely Mainty/fotsy moa izy amin'izao ka asa na marina io fa dia tsy mankany aho raha izaho.
Ny ao Isotry moa dia efa mahazatra fa dia ny aza voany. Tsy arako indray ny any Bekiraro.
Ny zandriko zao tany Itaosy eo ampiakarana hiditra ny Cite no nisy nanao sintomahery ny poketrany. Izy moa bevohoka tamzay dia navelany tany izay lasany dia lasany.
Ny manako efa ho telo no nisy nanendaka tao amin'i tonelina avy aty Analakely ambony hidiny mankany Mahamasina iny.
6. soanja ( 10/07/2010 01:34)


marina raha mba azoko antsaina lay lalana ry soanja???


Zahako koa aky, Tess, tsy dia mahalala io faritra io fa ny vadiko no mpianatr'i Rasalama dia tokotanibe filalaovan-dry zareo iny toerany iny fahazaza. Rasalama aloha hitako fa avy eo mankaiza dia tsy arako mihitsy. Fantatro aloha fa tsy handeha irery any ny tenako. Bonne weekend ndriako.
7. soanja ( 10/07/2010 01:45)


teny am 67ha, andro hariva tam 18h tany ho any efa somary maizina moa amzao andro ririnina zao, d kavina volamena eny am sofina no tonga sintoniny.
dia mbola teny ihany fa raha miondrika miantsena mijery zavatra iny enao, d mody atosiny, d vahainy ny poketra d alainy izay azony.
ny mpangaroposy moa d miasa isaky ny arret-ny taxi be rehetra, ka be olona mitangorona misisika hamonjy bus.
d mila mailo fotsiny e


Soa fa tsy ny ain-dehibe aky no nanaraka. Isaorana Andriamanitra nitahy. Misoatra nizara.

Avy nivavaka izahay mianakavy ka nandalo teo Ambodinisotry iny mihitsy dia ny nenitoako nanao ravaka volamena matevina be izay dia iny nisy tanana niditra dia nandrombaka ilay ravaka teny an-tendany. Saika torana i Nenitoa tamin'izay fa tsy zakany ilay tanana nitazona ny tendany fa izay ravaka hono tsy nahoany. I Dadatoa moa nanenjika nanaraka fa ehe any anaty tanana any dia tsy hita fa mifangaro dahalo ny tarehy sy ny bika raha vao any. Izy moa heveriko fa adala ihany hanenjika an'ilay ratsy any.

Tadidiko tamin'izany fa nisy operation fangalarana ireny fitaovana ao an-gabone ireny tany 67 Ha.

Marina ny an'Ika fa n'aiza n'aiza tokoa ilay izy amin'izao. Mila mailo tokoa!
8. sylvain ( 10/07/2010 14:42)
ity misy site iray mba à jour foana mamoaka ny lohan-teny gazety mivaoka isan'andro any mada klikeo ilay hoe gazety, d ho hita anao ao ny vakin-trano sy fanendahana sy zava-misy rehetra any!
http://www.anio-info.com/
9. soanja ( 12/07/2010 13:15)
Misaotra an'i Sylvain nizara. Efa nitsidihako ilay site fa mbola variana nihaino hirahira aloha.
10. dadabe ( 13/02/2011 09:17)
saika voaendaka angaha soanja ??
11. soanja ( 15/02/2011 23:26)
dadabe:

saika voaendaka angaha soanja ??


Nisy namako voaendaka tao. Soa ihany fa vehivavy matanjaka ilay namako ka niady mafy tao izy ireo. Soa fa afaka nitsoaka ilay namako na dia naratra mafy aza fa ilay mpanendaka koa hono voabe tamin'izay fa efa faraheriny no natotony fa ilay sipa saika namono mihitsy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.745