Miamafy hatrany ny fiainambahoaka

1. diloo ( 09/07/2010 00:59)

Changements en vue dans le rythme de vie de la population malgache avec le prix des carburants nouvellement revu à la hausse. Et ce, malgré le léger recul des pétroliers sous la pression de l'Etat. La situation pourrait, en effet, entraîner une série de hausses et la tendance inflationniste risque de laisser encore davantage de ménages... « sur la paille ». Huit ménages sur dix n’incluent plus dans les budgets familiaux que les dépenses essentielles notamment l’alimentation, le loyer, la facture d’eau et d’électricité, les écolages des enfants quand ils sont scolarisés dans des établissements payants et le transport. Mais méme pour ces besoins fondamentaux, la majorité n’arrive pas à joindre les deux bouts. En cas de maladie, la seule alternative possible est de renoncer à une ou plusieurs autres priorités, ce qui les enfonce parfois dans le cercle infernal de l’endettement, voire du surendettement

Izao tarehin-javatra izao no mahafaly an'i rawix isan'andro, satria manao ny asany tsara ny HAT hanindrina mafimafy kokoa ny vahoaka mahantra, indrindra fa ny ankizy kely tsy manantsiny.

Miaramila sy ny fanaovana sinema mahery vaika (tohizako eto ilay resaka etsy ambany ry Andrywui):
-Nisehoana fanafihana mitam-piadiana indray teto an-drenivohitra ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy teo. Tetsy Anosizato Atsinanana no niseho izany, ka tokantrano iray, izay misy fianakaviana telo no lasibatr’ireo jiolahy. Tokony ho tamin’ny 12 ora alina no tonga tao amin’ity tokantrano ity ireto olon-dratsy ireto. Manao fanamiana miaramila.Ny enin-dahy misaron-tava sy mitondra basy, ary efatra kosa nampiseho tarehy. Tsy nisalasala fa nitifitra avy hatrany ireo olon-dratsy. Voa teo amin’ny fe-ny ity rangahy ity ary mbola tsaboina eny amin’ny hopitaly amin’izao fotoana izao. Tsy nisy afa-tsy vola 50.000 ariary anefa tao amin’ilay tokantrano.
sahala amin’ireny miaramila mpanao fisafoana amin’ny alina ireny mihitsy ny fitafin’ireto jiolahy ireto.
Itan'i rawix amin'izay, fa ny miaramila manao fanamina komando ihany, no mivadika manao asan-jiolahy amin'ny alina.
I Richard Ra8 ilay zandary expert amin'ny fitadiavana bomba sy basy miafina no mamela hanaovana izao fomba ratsin'ny miaramila HAT amin'ny alina izao.
Raha vitan'i Richard Ra8 zandary manafika ny FIGN, ahoana kosa no tsy afahany manao ny fitandrovany ny filaminam-bahoaka any Ambohimanarina sy aty Anosizato?
Resaka collusion amin'ny frères d'armes pourris io, mba afahany mampiseo fa izy ihany no sefo de sécurité civile, ary ny FIS sy ry ramaroson no pain béni hanao korontana mahery vaika ny amin'ny alina. Dia izay vola sy alatra azo zaraina avy eo.
izao tranga izao izany ilay mahafalifaly an'i rawix. Izao izany ilay demokrasia an-drawix.Hin! hin!hin!
novalian'i bazylou ny 10/07/2010 09:22
2. diloo ( 09/07/2010 01:32)
Jereo kely anie ity vaovao ity rawix e:
Izao no vokatry ny fanomezana lettre de créance ny masoivo karana neken'i Hippolyte ramaroson:
Nivarotra sakafo amin'ny malagasy lany datin'andro ireo immigrés karana:

Karàna efatra sy gasy sivy, izany hoe ireo rehetra izay nosamborin'ny zandary etsy Ankadilàlana rehefa voarohirohy tamin'ny fivarotana sakafo lany daty, no indray nahazo fahafahana vonjimaika, afak'omaly, rehefa natolotra ny Fampanoavana. Raha tsiahivina dia nahitàna karazan-tsakafo marobe, aman-taonina mihitsy, tao amin'ny « dépôt » an'ireo karàna ireo. Nisy biscuit, nisy bonbon sy karazany hafa marobe. Nilaza ireo fa efa handeha hodorana izy ireo fa miandry fotoana fotsiny. Kanefa dia efa elabe no lany daty ary koa mbola nahitàn'ny zandary porofo, tamin'ny alàlan'ny « bon de livraison », fa mbola amidin'ireo karàna ireo sakafo laniandro ireo. Aiza ho aiza ny fandraisana andraikitry ny minisitera tompon'andraikitra?
D.R

Voavidin'ireo immigrés sankalités-ndoza ny HAT. Izao dia mivarotra hanina maloto ho an'ny malagasy. Tokony tsy nekeny ireny lettre de créances ny karana ireny, fa mamoafady. Jereo izao ny vokany fanaon'ny diasporas karana.
Falifaly be ery izao i rawix fa nety aminy tsara ireo partenaires-n'i Hippolyte ireo: fivarotana sakafo osoka amin'ny malagasy.Hin!Hon!Hin.
Mijaly ny vahoaka fa minankinampoana.Ntss!
3. wxxx ( 09/07/2010 07:12)
Manjaka mafy izany barofo izany izao , menaka efa nolazaina fa lany daty( TIKO) tany Toamasina indray no misy mandroba dia hamidin'ireo tsy vanona koa
4. Noue ( 09/07/2010 10:28)
manjaka ny barofo, manjaka ny didy jadona, manjaka ny foza (T) eeee
5. diloo ( 10/07/2010 00:07)
Tsy misy fiainana vanona fa mitohy hatrany ny vokan'ny setrin'y fitondrana HAT.

Ity indray aloha ry rawix ny lisitra ny fandrebireben'ny marasily ny vahoaka tsy ankanavaka:

-Mikasika ny olana izay misy eny min'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena eny Ivato:
Ohatra amin'izany ary tena mampimenomenona ny mpandeha ny fisavana ataon'ny mpitandro filaminana izay atao azy ireo raha vao mivoaka ny fiaramanidina.
Ny fisavana izay efa vitan'ny mpiasan'ny douanes tao anatiny anefa dia mbola ataon'ny mpitandro filaminana indray eny ivelany ary tena ilana vaniny tsotra izao.
Itan'i rawix amin'izany fa gaigy lahy ny miaramila HAT.

Itako faly be indray rawix fa mety tsara ny fitondran'i TGV, araka ny tanjona sy asa aseon'ireo marasily.

Resaka miaramila mitohy:

-Anosy: Lasa ny fitaovana maromaro tao amin'ny ORTM etsy Anosy rehefa nidiran'ny olon-dratsy ny alin'ny alakamisy hifoha zoma teo.Raha ny fantatra dia nisy mpiambina soamantsara tao an-toerana tamin'ny nitrangan'ny fandrobana. Saingy nilaza ireo miaramila fa tsy nahita na nandre na inona na inona.
Fanindroany amin'izao no tranga mitovitovy amin'izao tao amin'ny ORTM. Ny iray dia ny « émetteur »no nobatain'ny miaramila iray, fotoana fohy talohan'ny nahamay ny birao, nandritra ireny krizy ireny. Nolazainy fa may tao kanefa efa namidiny. Isan'ny toerana tsara ambina ity toerana ity ary nohamafisina rahateo izany hatramin'ny nisian'ny adilahy pôlitika teto amintsika. Nisy fotoana mantsy nisy nitady hiditra an-keriny tao hoe haneho hevitra. Izao indray, rehefa mafy ny fiambenana dia mbola voaroba ihany ny fitaovana.

-Ankazomanga : Telolahy nitondra basy nanafika mpivarotra volamena
Tsy nahavoa ny tetik’ireto olona telolahy nikasa hanafika mpivarotra volamena teny Ankazomanga Atsimo tamin’ny talata teo. Tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany atoandro tamin’izay. Tonga dia nibosesika niditra izy ireo niaraka tamin’ny basy.
Efa manana zanaka lehibe ny tompon’ny entana ka voakendany ny iray tamin’ireo saika hangalatra ary tsy afaka nihetsika. Raha nahita izany ny namany dia lasa nandeha. Azo niaraka tamin’ny basy teny aminy ilay voakenda. Basy izay voalazan’ny loharanom-baovao fa fampiasan’ny polisy.

Tato ho ato izao dia nirongatra tsy nisy ohatra an’izany ny fandrobana isan-karazany. Ireo izay niharan’izany dia mahatsikaritra zavatra hafahafa mihitsy rehefa mijery ireny mpanafika ireny. Ilay niseho teny Anosizato afakomaly, ohatra dia voalazan’ny niharam-boina fa mitovy avokoa ny fitafiana teny amin’ireo mpandroba, na ny akanjo, na ny kiraro.

Itako mitsikitsiky be rawix fa mandeha tsara ny fampijalian'ny polisy sy ny miaramila HAT ny mponina, na andro alina na antoandro. Rehefa maraina mody manao service, fa rehefa maizina ny andro tonga dia pan pan pan mitifitra sy mangalatra ny fananam-bahoaka.

Ay tokoa moa i andry rajoHell ilay sankalite demokr'HAT mpanitsaka ny vahoaka.

O leity rawix, misy loharanom-baovao any mitandroka an'elah:
kay elahy ireo anisan'ny mpikaraman'ady nampiasa UZIS teo anivon'ny Colbert iny, tamin'ny 07 février. Mba tsy ho sirika ilay mpaik'adin'ny HAT, dia nasaina nitsaoka aty frantsa elahy. Izay voa azoko inona no antony ampiatranon'elahy miaramila dimy ao an-tranon'elah. Ay koa elahy ilay voakarama hanakorontana ny sera eto, saingy mahery vaika ny adversa elahy, dia tsy mety maty ny serasera.
[IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Rires/lol2.gif[/IMG]
6. andrywi ( 10/07/2010 08:43)

DILOO --- ise ve natory tsara halina alou e??..
7. andrywi ( 10/07/2010 08:52)

Efa milaza an'i DILOO aho fa zavatra efa mpitranga isan'andro hatramin'izay izany zavatra zany fa mangina rehefa tsy mahita tenenina tsony diloo fa mahamenatr'olona !!! marina ane zany ee!!....

---Mifanohitra amin'izany ary no nisy teto taloha ... nisy an'izany RAINIVOANJO zany hono taloha(tam andron'i Tsiranana) ,namono olona sy nandroba , nangalatra be teto ary nanafay ny polisy gasy mitsy !!

---de nisy an'izany BOB sy CARTER zany ndray ! nampijaly ny polisy sy ny miaramila mitsy (andron'i ratsiraka)!

---de ny jiolahy farany mpangalatra ,mpanao kidnaping ,mamono olona zany no (tamin'ny andron'ny ravalomanana) sady enjana be , ry STEVE MAHANDRY (voatifitra), LAMA (mbola tsy tratrahatramzao)


--ka izao ary no tsy nisy bandy be otrireo intsony fa le mpangalangalatra kely otran'ireo TIM mpananararaotra sisa no mbola manaonao kely eny fa ny tena lehibe mpanao kidnaping sy mpamely bank angah misy tsony !.....



ka zay no ataoko hoe natory tsara ve diloo halina ??.....
8. bazylou ( 10/07/2010 09:22)

Tamin'ny le8 koa anie feno ireny fa izany hoe te hitantara vala maty fotsiny ireo tim and co ireo e..

Azerao wa i TGV raha favy ianareo fa tsy eto no be wawawawa amin'ny kibo noana tsy misy arapaka eto.

Azerao TGV raha mahery......................

Ny ankoatr'izay shhhhhhhh, tsy omeko tsiny fa maty ho azy

Vive TGV
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1778