hambivitra ny ainy!
1. sylvain
(
08/07/2010 13:44)
Lany ny paiso an-kady: Kikina ny fanjakana
Mbola hisy sahy hilaza ve fa miakatra ny harin-karena faobe eto amintsika? Mbola hisy olona mpitondra sahy hanome ny fidiran’ny vola vahiny, na ny ambim-bava ve eto? Ireo no mby ao antsain’ny rehetra raha vao nandre andro maro lasa izay, fa nahena avokoa ny fandaniana eny anivon’ny minisitera samihafa. Ny feo niely etsy sy eroa no nahalalana fa ho baky ropitra ny fanjakana Malagasy. Mety hikatona ny oniversite enina eto amintsika. Tsy misy vola hampitaovana ireo mpampianatra mpikaroka intsony? Mikatso avokoa ny tetikasa maro samihafa, ankoatry ny fanarenana fiangonana may angaha. Tsy tonga ny mpizaha tany, ary mivily lalana ny mpandraharaha mampiasa ny volany eto. Miakatra ny vidin-tsolika, ary efa ela no niakatra ny vidim-bary sy ny PPN. Ny fampanantenana natao tamin’ireo orinasa may nandritra ny hetsika 2009 mbola tsy nisy hatramin’izao, satria mbola hita eny ireo rindrina sisa mijoro tsy levon’ny afo. Tsy tanteraka ilay fampihenana ny vidim-bary ho Ar 500 sy ilay menaka ho Ar 2200 ny litatra....
Mbola tsy lafo ny «Force one two» izay nambara fa hividianana vary ho an’ny Malagasy. Manjaka ny tsy fandriampahalemana, ary maro no tsy an’asa. Tsy nisy tetikasa mazava hanomezana asa ireo voaroaka, satria zary ny fangalarana sy ny fivarotan-tena no sakaiza tsy mahafoy azy ireny. Lany ny paiso an-kady, ary manify ny kitapombolampanjakana. Misy andian’olona toa tsy mahatsapa izany anefa eto amintsika. Ny fahitana ny biraom-panjakana misokatra, tsy midika fa mandeha ara-dalana ny asa ao. Tsy ny fandrenesana fa miha-vitsy ny mpitolona eo amin’ny Magro no hampiverina ny fitokisan’ny any ivelany ny fitondrana. Tsy fanaratsiana ny vondron’ny mpanelanelana isaky ny masoandro miposaka no hankatoavan’ny sehatra iraisam-pirenena ny fitondrana FAT. Tsy ny fanagadrana ny tsy mitovy hevitra amin’ny tena no hampitobaka ny vola ao amin’ny kitapombolampanjakana. Matoa mitsitsy ny fitondrana ankehitriny, dia manify ny eo ampelantanana, ary raha nisy ny vola tsy nahena ny vola ampiasaina eny anivon’ny ministera. Nianatra ny tsy niankin-doha isika, saingy tapa-tenda, ary nianatra ny nandeha irery, nefa lavo sy potraka. Kikina ny fanjakana, ary sarotra ny hameno ny banga. Dia mbola hisy sahy hidedaka ve fa mandeha amin’ny ara-dalana ny fiainam-bahoaka eto? Sa ny fiainam-bahoaka sy ny fiainan’olom- bitsy tsy mitovy? Vainafo zanany
novalian'i Noue ny 09/07/2010 10:30
2. andrywi
(
08/07/2010 17:58)
efa mandeha ny tribunal fa ho alaina any amin'i dadanareo ireo nalainy ankeriny rehetra tao amin'ny sompitry madagascar ka ...! tsy maintsy averiny ireny fa mangana ny vahoaka !
3. sylvain
(
08/07/2010 21:04)
t@ dada teo mbola betsaka tsy ho lany ny vola tao @ banky fa rehefa tonga ry tsy ampy sakafo kely fingotra sy ny forongony d nirangorango ny vola tsy nisasarany ka rehefa tapitra izy zao d i dada ihany no lazaina fa naka sy nihinana, alefaso ny tribunal fa dada koa tsy mitsaoka!
4. Noue
(
09/07/2010 10:30)
tsisy mitsaoka zany eo eee ! ntsss nga foza daholo ny olona !! ny foza no mitsaoka lava eee!! zany aina ka te hanao !!
