Raha izao moa no ovana katsaka ny vary dia ahoana ?

1. rabaradaka ( 03/07/2010 10:21)
Ny firenena mihinam-bary rehetra dia kely vatana : Chine, Japon, Indonesie, Gasikara, satria ny rizzine ao anatin'ny vary tsy mampitombo taolana. Dia raha soloina katsaka dia lasa goavana ny gasy sady tsy mila laoka intsony
2. AndriambyII ( 05/07/2010 22:43)


Ny firenena mihinam-bary rehetra dia kely vatana : Chine, Japon, Indonesie, Gasikara, satria ny rizzine ao anatin'ny vary tsy mampitombo taolana. Dia raha soloina katsaka dia lasa goavana ny gasy sady tsy mila laoka intsony

Dia rehefa lasa ngôdabe daôly @ izay ny gasy dé mitombo kou ny volumen' ny filàna katsaka sy ny sakafo sasany atao kaly !! Efa nolazaina fa tsy ampy ny tracteurs momba ny fambolena sy ny fiompiana ao dago , izany hoe hivadika ganagana mpiletra katsaka daholo izany ny akoho mpihinam-bary !!hi hi hi hi !!
3. Ratoa ( 05/07/2010 22:53)
izaho aloha mbola tsy nahita lafarinina mampitombo taolana, na farine de blé io na farine de riz, na farine de manioc na ovy. Ny vary dia toa ny mofodipaina. natao anaraka zavatra hafa fa tsy natao ho sakafo tokana tsy misy laoka , tsy misy hena na trondro, na akoho na ronono sns;
Mazava hoazy fa raha vary fotsiny no hanina dia ho kely bilitika, raha mofo dipaina fotsiny koa dia toa izay ihany no vokany.
betsaka ny afrikana mpihinambary anefa lava ranjanana satria izy mihina trondro sy légume ary hena-mborona be dia be. Ny afrikana koa mahery misotro ronono na produit laitier, indrindra ny lait caillé.
4. tiarah ( 06/07/2010 11:56)
Fa naninona marina moa no vary no noentin ireo Ntaolo ho fototsakafon ny Malagasy , iza mihitsy no firenena nanao Bizna Vary tamin izany andro zany?
5. ikaretsaka ( 07/07/2010 03:29)


Ny firenena mihinam-bary rehetra dia kely vatana : Chine, Japon, Indonesie, Gasikara, satria ny rizzine ao anatin'ny vary tsy mampitombo taolana. Dia raha soloina katsaka dia lasa goavana ny gasy sady tsy mila laoka intsony

Ny ao amerika atsimo ao sy ampovoany dia gravy be ry zalahy raha hihinana katsaka( ilay latinos kely ohatran peaux rouges ireny)..nefa koa ry zalahy kelikely sy fonentanentana izany aby...
6. AndriambyII ( 07/07/2010 22:53)
Miankina @ éléments nutritifs consommés no manome endrika ivelany ny olombelona ! Ankoatry ny sakafom-panahy sns !!
7. soanja ( 09/07/2010 00:25)


Ny firenena mihinam-bary rehetra dia kely vatana : Chine, Japon, Indonesie, Gasikara, satria ny rizzine ao anatin'ny vary tsy mampitombo taolana. Dia raha soloina katsaka dia lasa goavana ny gasy sady tsy mila laoka intsony


Inona moa no maharatsy ny endrika ivelan'ny gasy na anaty raha ny momba azy amin'izao? Amiko lafatra ny gasy raha ny mombamomba azy.

Ny hoe sakafo hohanina kosa dia hoy aho hoe raha mahalala fomba itahirizana katsaka lena elaela kokoa isika dia azo andramana tokoa izany (am-by fotsy). Saingy raha katsaka maina no eritreretina dia mila toerana malalaka itahirizana azy ary mandany enerjia bebe kokoa ny mahandro azy noho ny vary: fanotoana, fandemena azy tsy hanimba vavony rehefa masahana tsara.

Zany hoe raha tsy manana enerjia tsara azo ivelarana indray isika toy ny enerjia taramasoandro sy ny hafa maro izay azo vokarina foana fa tsy toy ny hazo atao saribao lava dia manaiky aho hoe tsara ny manova ny vary amin'ny katsaka.

Ny hevitro kosa dia mila fantarintsika ireo sakafo manome otrikaina tsara mitovy amin'ny vary ihany nefa mora andrahoina sady mahavoky: toy ny Kinoa sy ny barley. Mety hambolena any Dago ve? tsy mila rano firy ve ny fambolena azy ary mora masaka?

Tsy tokony ho noana ny Malagasy raha haintsika ny mitrangaka ireo sakafo maro toy ny omby sy ny osy, trondro, akoho ary ny hafa maro izay manome otrikaina mahavelona tsara ny henany sy ny ronony. Be loatra ny fatram-bary ho hanin'ny olona iray eo ampisakafoana- mila ahena izany mba hisy ny fitsitsiana.
8. tess ( 09/07/2010 13:02)


Ny firenena mihinam-bary rehetra dia kely vatana : Chine, Japon, Indonesie, Gasikara, satria ny rizzine ao anatin'ny vary tsy mampitombo taolana. Dia raha soloina katsaka dia lasa goavana ny gasy sady tsy mila laoka intsony

hahaha ary tena marina izany fandinihinao azy izany
euh ny katsaka ve tsy hanikotrana tsy mampitombo ihany koa
ny tiko andra-8 no tena mampitoombo be mitsy e!
9. AndriambyII ( 18/07/2010 21:04)
Aieaieaie ! velonaty masim-pinoana !lolll
10. mirananirina ( 19/07/2010 07:26)
Marina ny anao,tena ilaina mihitsy ny hanikotrana..nefa anie ireny mpiasa tany any amitsika ireny mangahazo sy katsaka no tena fihinany tsy misy laoka .
11. rabaradaka ( 31/07/2010 06:36)
Marina daholo ny voalazanareo ry dadatoa sy nenitoa, gasy isika ary tsy maintsy mihinam-bary
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6325