Eken'Andriamanitra ve ny style rehetra?

1. Mpanazava ( 18/06/2010 08:45)
Hoy i Ratoa

Jehovah iray ihany no ivavahantsika ary Kristy no mpanelanelana; saingy samy manana ny style-ny.

Eken'Andriamanitra ve ny style rehetra?
Ny style eto dia azo atoa hoe fivavahana. Ahoana ny hevitsika?
novalian'i ouioui ny 23/08/2010 19:49
2. admin ( 18/06/2010 08:48)
Tsy maintsy Andriamanitra angamba no anontaniana amin'io satria tsy mitovy ny base hitsaràna ny style tsirairay.

Ny Silamo izay manana ny style-ny izao mba ahoana?
3. infiny ( 18/06/2010 10:37)
Fa inona no basin'ny style tsirairay? Tsy baiboly ve? Ny an'ny Silamo ohatra izay miranaraka amin'ny coran de ataony.
4. Ratoa ( 18/06/2010 16:45)
ny "base" dia ny didy sy ny hanatra ary fitahiana na fitondrana nomen'Andriamanitra. a ny ny voarakitrArakaraky ny finoana dia mirakita anty boky io na tsy.
Kanefa, na inona na inona ny boky mirakitra ao amin'ilay boky, dia IZY tena tompony ihany no afaka mitsara ny finoanao, nyfombanao sy ny style-nao.

Hevitro io
5. 3188 ( 18/06/2010 18:09)

Hoy i Ratoa

Jehovah iray ihany no ivavahantsika ary Kristy no mpanelanelana; saingy samy manana ny style-ny.

Eken'Andriamanitra ve ny style rehetra?
Ny style eto dia azo atoa hoe fivavahana. Ahoana ny hevitsika?
samy manao izay style-ny hivavahana @ andriamanitra .fa iza @ reo marina no ekeny sy tsy ekeny? mbola ????????.
6. soanja ( 18/06/2010 20:09)

Ny eken'Andriamanitra amiko dia izay inoako sy ataoko fa mahasoa ny hafa amin'izao na ho avy ary indrindra ny tenako izay miaina azy ampilaminana sy ampaharetana. Inoako koa fa eken'Andriamanitra izay inoan'ny hafa sy ataon'ny hafa ka mahasoa ny tontolo ifampizarana na amin'izao na ny ho avy.
7. ikaretsaka ( 18/06/2010 23:39)
Mitovy fijery @ soanja..
Satria ho ekeny tokoa ve ny hoe misy zazakely matory ao ambany nefa mihinjakinjaka be ny "cellule de priere" anareo ohatra.
Na hoe misy ilay antokom-pivavahana tsy mahazo miteny ireny, nefa misy vaovao na loza tsy maintsy hampitaina maika ohatra (maty ohatra ny lehibe) ka misy mahateny tampoka?
8. rijadolly ( 20/06/2010 08:18)
SALAMO 54 : 15 Tompo ô, sokafy ny molotro, dia hanambara ny fiderana Anao ny vavako.16 Fa tsy fanatitra no sitrakao; raha izany dia nomeko ihany; ny fanatitra dorana tsy mahafaly Anao.17 Ny fanatitra ho an'Andriamanitra dia fanahy torotoro; ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona.

EZEKIELA 18 : 31 Esory ho afaka aminareo ny fahadisoanareo rehetra izay nataonareo, ka manaova fo vaovao sy fanahy vaovao ho anareo; fa nahoana no ho faty ianareo, ry taranak'Isiraely?

MATIO 6: 23 Fa raha ratsy ny masonao, dia ho maizina avokoa ny tenanao rehetra; koa raha maizina ny fahazavana ao anatinao, manao ahoana ny halehiben'izany fahamaizinana izany!

Na style karaté io na Prô, kato, adven, T-, entin- dRazana, ..., na Andrava ny Didy folo, na hi-tehaka se, na hangiana,na hamono fanatitra maro noho ny atoko hafa, na hilaza fa tena atoko marina aza dia ny ao anaty no mikaonty,ny fanoloranao,ny fanekenao ny lotonao. Ny fo entina mihaona amin' Ilay Andriamanitrao no aoka ho zav- dehibe voalohany ao anatinao.
9. Mpanazava ( 21/06/2010 09:24)

Amin'izao marina dia eo @ 19 eo ho eo ny karazana style lehibe indrindra ary tafakatra 10.000 eo ho eo izany raha jerena ny fizarazarany tsirairay maneran-tany.
Mahaliana ny torohevitr'i Jesosy mahasika ilay izy : "Midira amin'ny vavahady tery. Fa lehibe sady malalaka ny lalana mankany amin'ny fandringanana ka maro no miditra any. Tery kosa ny lalana mankany amin'ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy" (Matio 7:13:14) Fa nahoana isika no tsy niangaviana fa nodidiana hiditra amin'ny vavahady hety?
Amin'ny Jesosy ary dia tsy ny fivavahana rehetra no mitondra any amin'ny fiainana.
10. Ratoa ( 21/06/2010 11:25)

Amin'ny Jesosy ary dia tsy ny fivavahana rehetra no mitondra any amin'ny fiainana.

Marina izany. Ary efa nomena safidy sy fahalalana isika hivavaka sy hanaja ny mpiara-monina, eny na dia ny zaza izay kely indrindra aza. Ka dia anao izany ny safidy ra-olombelona.
11. ikaretsaka ( 21/06/2010 14:29)
Fa mba fanontaniako @ Mpanazava...
Aiza no ifandraisan'ny vavahady ety eto @ fomba fiderana..
Ny 1 hoe miderà
Ny 1 hoe midira...
12. Mpanazava ( 23/06/2010 14:23)

Fa mba fanontaniako @ Mpanazava...
Aiza no ifandraisan'ny vavahady ety eto @ fomba fiderana..

Mitovy ve ny fomba fiderana ataon'ny fiangonana isan'isany sy ilay hoderainy? raha tohizinao io Matio 7 io dia ohariny amin'ny Hazo ilay fiangonana ary ny zavatra ampianariny sy ny fomba fiainany ny voa ka anisan'izany ny fomba fiderana sy izay tokony ho deraina. Voaporofo izany rehefa mamaky ny Matio 7:21-23 ianao.
13. ikaretsaka ( 26/06/2010 14:13)

Ny fanontaniako aminao anie dia hoe moa ve ny 'midera'= 'miditra'? Fa aza asiana hoe hazo e... voa e sns....
14. Mpanazava ( 28/06/2010 11:13)

Ny fanontaniako aminao anie dia hoe moa ve ny 'midera'= 'miditra'? Fa aza asiana hoe hazo e... voa e sns....

Azon'ika hazavaina misimisy kokoa ve fa sao tsy mifankahazo ny resantsika amin'io fanonataniana io. Inona ohatra ny zavatra voalaza eo ambony nahatonga an'Ika niteny an'io teny io?
15. ikaretsaka ( 29/06/2010 17:33)

Ny fanontaniako aminao anie dia hoe moa ve ny 'midera'= 'miditra'? Fa aza asiana hoe hazo e... voa e sns....

Azon'ika hazavaina misimisy kokoa ve fa sao tsy mifankahazo ny resantsika amin'io fanonataniana io. Inona ohatra ny zavatra voalaza eo ambony nahatonga an'Ika niteny an'io teny io?

Ho'zy ianao hoe "style" rehetra.. amiko ny style dia hoe fomba!
1)fomba fiderana : hoe misy mihinjakinjaka, sns
2)azo atao hoe "style" koa ilay fomba hoe "mandeha tsiroaroa araka ilay resaka ao ambadika (izay aleo ao ambadika ao ihany no tohizana)

dia nentinaop ny hoe "miditra" @ varavarana ety.. de ho'zy za hoe fa aiza ho aiza no hifandraisan'ny "style" @ le "fidirana"?

sa hoe miditra @ io varavarana io koa de hoe tsy maintsy ny tongotra izao no ampidirina aloha na ny loha na ny tanana na tsy haiko no miditra aloha (izay ilay fomba ... raha tsy izany tsy mety?)
16. niryna ( 29/06/2010 21:04)

SALAMO 54 : 15 Tompo ô, sokafy ny molotro, dia hanambara ny fiderana Anao ny vavako.16 Fa tsy fanatitra no sitrakao; raha izany dia nomeko ihany; ny fanatitra dorana tsy mahafaly Anao.17 Ny fanatitra ho an'Andriamanitra dia fanahy torotoro; ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona.
izay no tadiavin'Atra amintsika,fo madio ,fo feno fanetrehantena,fo miaiky ny fahotana ka mamela heloka ny hafa sy mangataka famelankelo,fo mahay mamela heloka.

na hilaza fa tena atoko marina aza dia ny ao anaty no mikaonty,ny fanoloranao,ny fanekenao ny lotonao. Ny fo entina mihaona amin' Ilay Andriamanitrao no aoka ho zav- dehibe voalohany ao anatinao.
fo miaiky ny fahotana ary manaiky hamela heloka ny hafa na manaiky ho diovina ihany koa no tadiaviny
tsy fantatro indray aloha izany style lazaina izany e fa na mikimpy ny masonao ,na miandrandra ny lanitra hianao ,na tsy miteny fa mahafantatra ny ao am-ponao tsy miloaka Atra dia mety avokoa izany amiko ,na handoalika na hipetraka mbola mety avokoa izany,ny fo mitady azy,ny fo vonona hifanatrika azy,fo midera sy mankalaza ary misaotra ny Anarany no tadiaviny amintsika rehetra
17. ikaretsaka ( 29/06/2010 22:41)
"Mikonfesy" ny dikan'izany raha fintinina @ teny theolojika 1
18. bor2lais ( 30/06/2010 17:14)
ika:

Ho'zy ianao hoe "style" rehetra.. amiko ny style dia hoe fomba!

Io koa amiko no andraisako azy : resaka "forme" fa tsy "fond" !
19. ikaretsaka ( 30/06/2010 18:30)

hoy zahako:

Ho'zy ianao hoe "style" rehetra.. amiko ny style dia hoe fomba!

Io koa amiko no andraisako azy : resaka "forme" fa tsy "fond" !

de eo no tsy hitako le hoe style no resaka de lasa fidirana no namalian'i moanazava azy:
ka nahatonga ahy nanontany hoe aiza no hifandraisan'ny style fidirana?
sy nahatonga ahy nanisy sira ny hoe sa asiana "style be koa le fidirana @ vavahady ety hoe ny loha no mandeha aloha sns...???
20. bor2lais ( 02/07/2010 09:19)
Sao kosa ary heverin'i mpanazava fa ny fivavahana (io mantsy no antsoiny hoe style) be mpandeha dia midika fa vavahady mankany amin'ny fahaverezana !

Fa "midira amin'ny vavahady tery" izany hoe mandehana any amin'ny fivavahana vitsy olona (ny azy angamba no isan'ny anaovany pub io) fa any no tena izy !

Mety diso kosa aho angamba !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0621