Zavatra iray no tena tsy zakantsika eto an-tany

1. niryna ( 29/06/2010 21:48)
Misy zavatra izay midona amin'ny tena izay tsy mety ho voakosika ao anatin'ny sain'ny tena mihitsy ilay izy na sarotra ny anadino azy.
Tsy aretin'andoha akory izany fa rehefa sitrana io dia adino

Raha marary isika,afaka mandeha mitady dokotera,na dia tsy sitrana aza dia mbola lefitra ihany ary raha sitrana dia adino avy eo ilay fanaintainana.
Zavatra iray no tena tsy zakantsika dia y fandavan'ny olona antsika na tsy fanaovan'ny olona ho tsinotsinona antsika ,tsy fanambaniana,fa fandavana na *rejection*no ilazaiko azy
Raha ny fahantrana no anaovan'ny olona antsika ho tsinotsinona dia milofitra mafy isika ka miteny hoe andeha aho hianatra mafy mba hiala amin'ity fahantrana ity.Ka tsy anao tsinotsinona ahy intsony ny hafa
Misy aza ny tovolahy na ny tovovavy tsy maninona azy izao ilay olona tonga dia tsy miaraka aminy intsony izy .Rejection koa izay
Misy olona noheverinao ho namana ,akaiky anao izao kanefa rehefa mihodina hianao dia manondro molotra anao izy ary dia tena tohana ny fonao.
Maro e,saingy tsotra no itondrako azy,ireny fomba ataon'ny hafa anaovana anao ho tsinontsinona ireny dia raisina amin'ny lafiny tsara ka ahatonga anao hivoatra sy mianatra lesona maro ary anampy anao tokoa amin'ny fiainana avy eo.Jereo amin'ny lafiny tsara foana ilay izy fa ahasoa anao
sa ahoana hoy nareo ?
novalian'i fijo ny 03/08/2010 20:39
2. bor2lais ( 01/07/2010 14:18)
niryna:

Zavatra iray no tena tsy zakantsika dia ny fandavan'ny olona antsika na tsy fanaovan'ny olona ho tsinotsinona antsika ,tsy fanambaniana,fa fandavana na *rejection*no ilazaiko azy


Misaotra an'i niryna nanokatra ny lohateny.

Misy olona 2 farafaharatsiny no voatondro eto : ny lazaina fa "mandà" sy ny mahatsiaro tena fa "lavina".

Raha ity lohateny aroson'i niryna ity no jerena akaiky dia fomba fijerin'ilay mihevi-tena "nolavina" no aseho eto.

Ny mety olana angamba anefa (amiko) dia ny hoe :
1. izay tokoa ve no tena izy ? Sao lasa "fitsarana" tsy mitombona ilay izy !

2. raha Kristiana ianao, moa dia atao mahakivy ve izany : Ilay arahinao koa ange ka nolavin'ny olona (eny, ny mpianaNY niaraka tamiNY marain-tsi-hariva aza nanao izany) !

3. ary raha ianao indray no eo amin'ny toeran'ilay "mandà" : mety tsy dia maninona ve ?

Na izany na tsy izany, iombonako ilay fehin-kevitra hoe :

niryna:

ireny fomba ataon'ny hafa anaovana anao ho tsinontsinona ireny dia raisina amin'ny lafiny tsara ka ahatonga anao hivoatra sy mianatra lesona maro ary anampy anao tokoa amin'ny fiainana avy eo.Jereo amin'ny lafiny tsara foana ilay izy fa ahasoa anao
3. rijadolly ( 02/07/2010 04:03)
Ra ny hevitro indray dia tena zavatra mandalo ao anatin' tsirairay tokoa io lazain' Niryna io. Ny antony mahatonga izy io dia ny fandraisan' olona roa araka ny tenin' Bor2lais, ka ireo olona roa ireo no samy manana ny fahamarinany, dia izay fahamarinan' tsirairay izay no miteraka ny fandavana sy ny ratra vokatr' izany fandavana ataon' iray izany.

Iraisako hevitra ihany koa ilay tenin' Niryna hoe:
ireny fomba ataon'ny hafa anaovana anao ho tsinontsinona ireny dia raisina amin'ny lafiny tsara ka ahatonga anao hivoatra sy mianatra lesona maro ary anampy anao tokoa amin'ny fiainana avy eo.Jereo amin'ny lafiny tsara foana ilay izy fa ahasoa anao
Izay ilay fandeferana, Ty teny ty dia teneniko foana amin' manodidina ahy: " aza avela any aoriana hanenjika anao ny tsy tia anao fa avelao izy ho eny aloha dia tazano tsara ny ataony, ary ataovy ilay anenjehany anao raha mahasoa, aza atao kosa rehefa manimba." avieo action,
Ohatra tene azo raisina tsara: Mpivarotra mofo gasy naratsian' clientny:
- Za koa tsy hividy eo intsony e! mofogasy matsatso io
tsy namaly ilay mpivarotra fa nangiana tsy nahateny no sady menatr' olona( izay ilay alahelo ao anaty vokatry ny fandavana). Raha tsy nahay nandefitra, na ny je suis teo dia tsy nisy ty manaraka ity. Nandraman' ranamana ny mofogasn' ny teo an' ilany, nahatsapa ny havana fa tena matsatso kokoa noho ny an' mpifaninana aminy ny azy. Action: Nataony mamimamy kokoa noho ny an' hafa ny azy izay tsy maha fantiatoka azy akory, vokany. Niverina nihinana ilay clien nanaratsy( kay marina nanatsara ilay vava be; ihihihi!)

Mifanohitra: Misy anefa ireo izay manenjika botolo be fotsiny. Tsy ho fantatrao marina hoe ianao ve no diso, hevitro==> tsy miala amin' ilay alefa aloha ihany izy aho, mba hitazanako ny marina. LIOKA 6: 43 Fa tsy misy hazo tsara mamoa voa ratsy, na hazo ratsy mamoa voa tsara. rehefa tazanao ny ataony na izay mitovy aminao.

Fandeferana, Fanotaniana ny sitrapon' Andriamanitra, Action...

4. ikaretsaka ( 02/07/2010 12:51)
mampahatsiaro ahy tenin"olomasina iray izay ity:

Believe nothing merely because you have been told it. Do not believe what your teacher tells you merely out of respect for the teacher. But whatsoever, after due examination and analysis, you find to be kind, conducive to the good, the benefit, the welfare of all beings — that doctrine believe and cling to, and take it as your guide

dikanteny malalaka ===>Aza mino fahatany zavatra iray satria hoe nampahafantarina anao fotsiny ilay izy, na mino zavatra iray nohon'ny henatra sy tahotra na ny fanajana ilay mpampianatra anao azy, fa na inona na inona inoanao, rehefa voadinikao ka hitanao fa mahasoa anao sy mitondra soa ho an'ny ny mpiara monina ary ny manodidina anao, izay no tano fatratra...
5. niryna ( 08/07/2010 18:43)


mampahatsiaro ahy tenin"olomasina iray izay ity:

Believe nothing merely because you have been told it. Do not believe what your teacher tells you merely out of respect for the teacher. But whatsoever, after due examination and analysis, you find to be kind, conducive to the good, the benefit, the welfare of all beings — that doctrine believe and cling to, and take it as your guide

dikanteny malalaka ===>Aza mino fahatany zavatra iray satria hoe nampahafantarina anao fotsiny ilay izy, na mino zavatra iray nohon'ny henatra sy tahotra na ny fanajana ilay mpampianatra anao azy,
hi,hi fa iza no minomino fahatany ? aoka woa e
fa na inona na inona inoanao, rehefa voadinikao ka hitanao fa mahasoa anao sy mitondra soa ho an'ny ny mpiara monina ary ny manodidina anao, izay no tano fatratra...
misaotra e
6. mahagaga ( 16/07/2010 09:10)

Ilaina ny mianatra zavatra maromaro raha Kristiana isika no tsy mahazaka zavtra mety hiatra amintsika.
7. ikaretsaka ( 16/07/2010 15:01)
izay mihitsy
8. bobone ( 20/07/2010 05:44)
slt Niryna ! misaotra @ ilay resaka fa tena manaiky an'io mihitsy zaho
hoe:


izay tia ny tenany dia tia ny hafa ! ary tsy manao izay mandratra ny hafa!!!
hoy koa ny namana hoe :

"ireny fomba ataon'ny hafa anaovana anao ho tsinontsinona ireny dia raisina amin'ny lafiny tsara ka ahatonga anao hivoatra sy mianatra lesona maro ary anampy anao tokoa amin'ny fiainana avy eo.Jereo amin'ny lafiny tsara foana ilay izy fa ahasoa anao"

Ny olana amin'izao andro iainantsika izao mantsy dia arakaraky ny hanaovanao soa no hanenjehan'ny olona anao ! asa mety fialonana ve ! sa tsy fitiavana mhintsy !
izany hoe tsy ao anatin'ny sasany ilay fitiavana fa raha io fitiavana io no mibaiko ny tsirairay dia milamina ny zavatra rehetra!!!
9. niryna ( 21/07/2010 19:44)


slt Niryna ! misaotra @ ilay resaka fa tena manaiky an'io mihitsy zaho
hoe:


izay tia ny tenany dia tia ny hafa ! ary tsy manao izay mandratra ny hafa!!!
hoy koa ny namana hoe :

"ireny fomba ataon'ny hafa anaovana anao ho tsinontsinona ireny dia raisina amin'ny lafiny tsara ka ahatonga anao hivoatra sy mianatra lesona maro ary anampy anao tokoa amin'ny fiainana avy eo.Jereo amin'ny lafiny tsara foana ilay izy fa ahasoa anao"

Ny olana amin'izao andro iainantsika izao mantsy dia arakaraky ny hanaovanao soa no hanenjehan'ny olona anao ! asa mety fialonana ve ! sa tsy fitiavana mhintsy !
izany hoe tsy ao anatin'ny sasany ilay fitiavana fa raha io fitiavana io no mibaiko ny tsirairay dia milamina ny zavatra rehetra!!!
misaotra aky bobone a
ka raha manao soa isika no enjehina maika fa manao ratsy ? hi,hi
ny alika no manenjika fa tsy enjehina dia toa izany ihany koa ny tampany ihany no mikobana
ka raha manao soa olona isika no hialonan'ny hafa dia azy ho azy izany fa ny ataoko ihany no ataoko hoy ny neninay izay.
Atra dia fitiavana,nomena ho antsika rehetra izany fitiaavana izany ary raha izay manao soa antsika ihany no anaovantsika soa ,inona no mahasamihafa antsika kristiana amin'ny tsy kristiana?
raha miezaka sy mianatra ny mizara fitiavana ireo manodidina antsika isika (mpaminany tsy masina an-taniny-kanefa tsy jerena izany fa mivavaka ho an'ireo olona izay tsy mba mizara fitiavana isika-ny fitiavana ihany mantsy no mahasolo fitiavana,ahoana tokoa moa no itiavantsika ny hafa raha tsy isika no manome izany fitiavana izany amin'ny tenantsika aloha,mizara izany amin'ny hafa avy eo ary dia mandray izany koa ny hafa
misy ny mandray:mitsiky isika,miarahaba isika dia mamaly ny hafa,misy ny tsy mandray:na hiarabana izao aza dia tsy mamaly saingy iza tokoa no voa? hi,hi ..izay ilay fitiavana...ao aminao io dia mizara izany amin'ny manodidina anao hianao-hafafy ka izay mandray dia izy ihany no mahazo tombotsoa
10. bobone ( 22/07/2010 05:54)
Niryna!
eny akia
ny fitiavana ihany mantsy no mahasolo fitiavana
eo zany ilay fitia mifamaly !
ka ahoana ary ilay hoe ohatra zaho manampitiavana ary manao ny fomba rehetra anehoana ilay fitiavana nefa tsy valiny fitiavana hihihi fa valiany tsy fitiavana!!!
io ny fandinihiko azy dia arakaraky ny zava-misy sy toetran'ilay olona mifampizara fitiavana !!!
raha ilay fitiavana maharitra (Jeso) no ao anaty dia izay ilay tena fitiavana ! fa ny fitiavana @ izao fotoana izao indraindray fitiavana hafa mihitsy ka eo no ilazako fa arakaraky ny zava-misy indrindra ny finoan'ilay olona an'Atra !no mihoatra lavitra ny fitiavana ny hafa !!!
dia tena toy ny raitam-po na dia smy hafa fihaviana aza!!!
nefa na dia izany aza ! rehefa iray asa na tahaka antsika rehetra ato @ sera2 dia tokony hanjaka izay fitiavana izay !!! rehefa iray zavatra hatao dia fitiavana no hatao matanjaka !

sa tsy zany zoky !!!
bizzzz
11. fijo ( 03/08/2010 20:39)
rehefa resy lahatra ianao fa tsara sy mety aminao ny finoan azavatra iray,di aminoa ary manaja izany,fa tsy misy fahadisoana mihitsy akory izany,rah atsy lasa jamban'io ianao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0451