fetim-pirenena frantsay

1. itaramasoandro ( 29/06/2010 15:13)
natao ho fanamafisana ny firaisankina sy fiarovana ny valamparihy ny firenena eoropeana ny fandraisan'ny firenena eoropeana hafa (pôrtogesa, letonia, pôlône,...) @ filaharana miaramila @ faha-14 jolay ho avy.

inona ny fihevitrareo ny resaka mivaoka an-gazety ny momban'ny fandefasana miaramila gasy @ io fety io ? fidio na/sy ampio hoe

[list]
  • tsy misy fanasàna ôfisialy mivantana natao t@ tafika malagasy fa resaka ambadika natao hitsapana hevitra fotsiny
  • [* tsy anivon'ny tafika eoropeana na frantsay ny toeran'ny miaramila gasy fa ny eto an-toerana aza tsy voaaro
  • fomba fampisaraham-bazana ny miaramila gasy fotsiny izao
  • aleo mba ahita sy hanitsaka ny làlana nitondra ny frantsay teo @ fahafana ny malagasy
  • karazana fizahan-tany ihany io ho an'izay miaramila tsy afaka manao izany nohon'ny fidiram-bola variraiventy
  • fisolelahanan'ny frantsay iray hafa koa manoloana ny tetezamita ankehitriny
  • fa ambanin'ny fiadidian'iza moa ra-malagasy?

    hafa koa...



    novalian'i sipagasy ny 21/07/2010 09:23
    2. sipagasy ( 17/07/2010 13:42)
    ny tany fahiny voazanaka no nandray anjara t@ io fa tsy te hivalampatra aho, ka rariny raha teo ihany koa ny tafika Malagasy.
    3. itaramasoandro ( 20/07/2010 02:17)
    ambaratonga hafa noho io voalazanao io no nitondrako ny dinika : dia ny fifandraisan'ny gasy sy ireo voazanaka taloha amin'ny fetin'ny frantsay anefa ny eo an toerana aza tsy nampiseoana firaisankina feno anivon'ny tafika.

    fa efa lasa moa ilay resaka, tapitra ny fety, fa anjaran'ny tsirairay ny mampiseo fa efa 50 taona i gasikara no mahaleotena.




    4. sipagasy ( 21/07/2010 09:23)
    euhhh fahaleovan-tena sarintsariny ihany anefa izany indrisy!!
    © Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1944